FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Elasara”
  • Elasara

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Elasara
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Arioka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Kedorlaomera
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Zeboima
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Sidima, Lemaka Ivan’i
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Elasara”

ELASARA

(Elasàra).

Fanjakana na tanàna nofehezin’i Arioka, tamin’ny andron’i Abrahama sy Lota. (Ge 14:1) Nitambatra ny tafik’i Arioka mpanjakan’i Elasara sy Amrafela mpanjakan’i Sinara sy Kedorlaomera mpanjakan’i Elama ary Tidala mpanjakan’i Goima, mba hiady tamin’ireo mpanjaka nikomy avy any Sodoma, Gomora, Adma, Zeboima, ary Bela na Zoara. Nifanandrina teo amin’ny Lemaka Ivan’i Sidima na Ranomasin-tsira izy ireo. Resy ireo mpikomy, ary anisan’ireo nentina ho babo nankany avaratra i Lota, izay tao Sodoma. Nanenjika an’ireo mpanjaka efatra nandresy anefa i Abrama (Abrahama) sy ireo nanao fifanekena taminy, dia i Mamre sy Anera ary Eskola. Tratrany tao Dana izy ireo ary resiny ka nandositra. Azon’i Abrahama indray i Lota sy ny olona ary ny fananana rehetra.​—Ge 14:1-16, 24.

Mbola tsy fantatr’ireo mpikaroka hoe taiza marina no nisy an’i Elasara.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara