FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-2 “Raibe sy Renibe”
  • Raibe sy Renibe

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Raibe sy Renibe
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Ifandraisako Akaiky Kokoa Amin’i Dadabe sy i Bebe?
    Mifohaza!—2001
  • Nahoana Aho no Tokony Hifankahalala Tsara Amin’i Dadabe sy i Bebe?
    Mifohaza!—2001
  • Loisa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—2002
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
it-2 “Raibe sy Renibe”

RAIBE SY RENIBE

Ray aman-drenin’ny ray na ny an’ny reny. Tsy hita firy ao amin’ny Baiboly ny hoe “raibe” na ny hoe “renibe.” Ao amin’ny 1 Mpanjaka 15:10, 13, dia nadika hoe ‘renibe’ ny teny hebreo midika hoe ‘reny’, satria tena reniben’i Asa tokoa i Maka fa tsy reniny. (1Mp 15:1, 2, 8) Nantsoina hoe renin’ny mpanjaka foana i Maka nandritra ny fanjakan’i Asa, mandra-panonganana azy noho izy nanompo sampy. (1Mp 15:13) Indraindray koa ‘ray’ no ampiasaina nefa raibe na razambe no tiana holazaina. (Ge 28:13; 2Sa 9:7) “Rain-dreninao” na “rain’ny reniny” koa no ilazana ny raibe, indraindray.​—Ge 28:2; Mpts 9:1.

Nilaza ny apostoly Paoly fa ny ‘zanaka na zafy’ no tokony “hamaly babena ny ray aman-dreniny mbamin’ny raibe sy ny renibeny [gr.: prôgônôis].” (1Ti 5:4) Nadika hoe razambe kosa ny endriny hafa amin’io teny io (prôgônôn). (2Ti 1:3) Noderaina i Loisa reniben’i (gr.: mamme) Timoty, satria nanana ‘finoana tsy nihatsaravelatsihy.’ Toa nanampy an’i Timoty hanana finoana matanjaka sy handroso ara-panahy izy.​—2Ti 1:5; 3:14, 15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara