ZOZORO
[Heb.: gômeʼ].
Zavamaniry lehibe toy ny ahitra, maniry anaty rano marivo. Mirefy 2 ka hatramin’ny 6 m ny tahony telo rirana. Mihakely izy io eny amin’ny tendrony, izay ivondronan’ny raviny lavalava misandrahaka toy ny bozaka. (SARY, Boky 1, p. 544) Nanaovana zavatra samy hafa, toy ny taratasy papyrus, ny zozoro.
Maniry anaty rano mihandrona sy marivo na honahona ny zozoro (Cyperus papyrus), na amoron’ny renirano tsy dia mahery, toy ny Neily (Nil) any Ejipta Ambony. Betsaka azy io teny amoron’izy io taloha, saingy efa ho lany tamingana izao. Hoy i Bildada tamin’i Joba: “Haniry tsara ve ny zozoro raha tsy eny amin’ny heniheny?”—Jb 8:11; Is 35:7.
Mitsingevana ny tahon-jozoro, ka nataon’ny renin’i Mosesy tao anaty “vata kely zozoro” nohosorana godorao (mivaingana sy ranony) ny zanany kely mba tsy hisy hamono, ary nalefany hatopatopan’ny Reniranon’i Neily. (Ek 2:3) Nanaovana lakana lehibe nandeha lavitra koa ny tahon-jozoro natambatambatra. (Is 18:2) Somary tery ny loha sy vodin’ireo lakana, fa lehibe kosa ny sakany ka azo nitsanganana. Nanao dia an’arivony kilaometatra tamin’ny lakana toy izany i Thor Heyerdahl sy ny namany tamin’ny 1970, rehefa niampita ny Oseana Atlantika.
Nanaovana taratasy papyrus. Toa tsotsotra ihany ny fanaovan’ny Ejipsianina azy ireny. Ny tahon-jozoro toy ny spaonjy matevina izay maniry anaty rano no tena tian’izy ireo, satria nahafahana nanao ny taratasy lehibe sy fotsy indrindra. Nendahany ny hodiny ary notapatapahiny ny atiny malemilemy (nataony 40-45 sm ny lavany), izay nosilahina natao fisaka nanaraka ny lavany avy eo. Nalahatra mitsangana teo ambony zavatra malama ireo tapany ireo sady nampifanaingenina kely. Nasiana tahon-jozoro hafa milahatra mitsivalana teo ambonin’ireo, ary nokapokapohina tamin’ny marotoa izy rehetra mba hitambatra ka ho lasa toy ny taratasy. Nahahy ilay izy, ary notapahina araka izay habeny nitiavana azy rehefa maina. Farany, nolamaina tamin’ny vatonakoho na akorandriaka na ivoara ilay izy, ka lasa taratasy somary fotsy, mateza ihany, ary azo aforitra. Samy hafa ny habeny sy ny karazany. Matetika no teo amin’ny lafiny nisy an’ireo tahon-jozoro nalahatra mitsivalana no nanoratana, nefa mety ho nitohy hatrany ambadika koa ny soratra. Narahin’ny tanan’ny mpanoratra fotsiny ny tsipika nihaonan’ireo tahon-jozoro rehefa nanoratra tamin’ny penina bararata sy ranomainty (dity sy arina ary rano nafangaro) izy.
Azo natohitohy ny sisin’ireo taratasy papyrus, ka nanaovana horonana nisy pejy 20 teo ho eo. Azo naforitra koa ireo, ka lasa toy ny boky na kôdeksa, izay fampiasan’ny Kristianina voalohany. Tokotokony ho 4 ka hatramin’ny 6 m ny halavan’ny horonana iray, nefa nisy iray mbola voatahiry nirefy 40,5 m. Ilay atin-jozoro toy ny spaonjy no natao hoe biblôs (gr.) tany am-boalohany, nefa lasa nidika hoe boky izy io. (Mt 1:1; Mr 12:26) Teny iray tarika amin’ny hoe bibliôn ny hoe biblia (mr.; a.b.t.: boky kely maro), izay niavian’ny hoe “Baiboly.” (2Ti 4:13, Int) Nantsoina hoe Byblos ny tanàna fenisianina iray, rehefa lasa foibe mpamokatra taratasy papyrus.
Be mpampiasa ny horonana papyrus hatreo am-piandohan’ny taonjato faharoa. Ny kôdeksa papyrus indray no nampiasaina taorian’izay. Nanomboka lefy laza anefa ny taratasy papyrus tamin’ny taonjato fahefatra, fa nosoloana hodi-biby malefaka mateza kokoa.
Tsy dia nateza ny taratasy papyrus, ka izay no tena lesoka taminy. Mora simban’ny hamandoana ilay izy, ary mora miparasaka rehefa tehirizina amin’ny toerana maina be. Noheverina hatreo amin’ny taonjato faha-18 fa tsy nisy niangana ny sora-tanana papyrus tranainy. Taratasy papyrus sarobidy maromaro misy boky ao amin’ny Baiboly anefa no hita tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-19, indrindra fa tany Ejipta sy tany amin’ny faritra manodidina ny Ranomasina Maty. Maina mantsy ny toetany any ka voatahiry tsara izy ireny. Efa tamin’ny taonjato faharoa na voalohany T.K. ny sasany tamin’ireny.
Nasiana hoe “papyrus” ny anaran’ny ankamaroan’ireny sora-tanana hita ireny, toy ny Papyrus Nash (taonjato voalohany na faharoa T.K.), ny Papyrus Rylands III. 458 (taonjato faha-2 T.K.) ary ny Papyrus Chester Beatty No. 1 (taonjato faha-3 A.K.).