FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w92 15/12 p. 29
  • Ny Hasarobidin’ny Nash Papyrus

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Hasarobidin’ny Nash Papyrus
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Izay raketin’ny Nash Papyrus
  • Zozoro
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Fantatrao Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Taratasy Fanoratana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Porofo fa niaro ny Teniny Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
w92 15/12 p. 29

Ny Hasarobidin’ny Nash Papyrus

AHOANA no fomba anomezanao daty amin’ny fomba hentitra ny soratanana momba ny Baiboly hebreo tranainy iray? Izany no zava-nanahirana natrehin’ny Dr. John C. Trever tamin’ny 1948, fony izy nahita voalohany ny Horonambokin’ny Ranomasina Maty an’i Isaia. Ny endrik’ireo litera hebreo no nanahiran-tsaina azy. Fantany fa tao amin’ireo litera no nisy ny fahalalana ny taonan’io Horonamboky io, nefa amin’inona no ho azony ampitahana azy io? Araka ny izy no nanatsoahany hevitra hoe: Amin’ny soratanan’ny Nash Papyrus ihany. Nahoana? Inona moa io soratanana io, ary avy taiza izy io?

Ny Nash Papyrus dia voaforon’ny sombin-takelaka efatra monja misy andalan-tsoratra 24 amin’ny soratra hebreo, manana sakany sy halavany tokony ho 7, 5 sy 12, 5 santimetatra. Izy io dia nomena ny anaran’i W. L. Nash, mpitantsoratry ny Fikambanana Momba ny Arkeolojia Ara-baiboly, izay nahazo azy io avy tamin’ny Egyptiana mpivarotra iray tamin’ny 1902. Navoakan’i S. A. Cooke izy io herintaona nanaraka izany, tao amin’ilay bokin’io fikambanana io hoe Proceedings, ary natolotra ho toy ny fanomezana ho an’ny Fitoeram-bokin’ny Cambridge University, any Angletera, izay nitoerany. Mifamatotra amin’ny taona nisiany ny hasarobidin’io sombin-takelaka papyrus io. Ireo manam-pahaizana dia nilaza ny datin’izy io ho tamin’ny taonjato faharoa na voalohany al.f.i., noho izany dia izy io no takelaka soratanana hebreo tranainy indrindra hita hatreo.

Rehefa nampitaha diapositive-n’ny Nash Papyrus miloko iray tamin’ilay horonamboky teo anoloany ny Dr. Trever dia nijery tamim-pitandremana ny endrika sy ny bikan’ireo litera tsirairay. Tsy nisy nisalasalana fa tena nitovy izy ireo. Na dia toy izany aza, dia toa sarotra taminy ny nino raha nety ho efa tranainy toy ny Nash Papyrus ny datin’ilay soratanana be velarana vao hita. Tamin’ny farany anefa dia niharihary fa marina ny fomba fanjohian-keviny. Tany amin’ny taonjato faharoa al.f.i. no natao ny Horonambokin’ny Ranomasina Maty an’i Isaia!

Izay raketin’ny Nash Papyrus

Ny famakafakana iray natao tamin’ny soratra eo amin’ny Nash Papyrus dia mampiharihary fa tsy feno avokoa ireo andalan-tsoratra 24 aminy, fa misy teny na litera tsy ampy eo amin’ny sisiny roa aminy. Mirakitra ampahany amin’ny Didy Folo avy ao amin’ny Eksodosy toko faha-20 izy io, miaraka amin’andinin-teny vitsivitsy avy ao amin’ny Deoteronomia toko faha-5 sy faha-6. Noho izany dia tsy soratanana momba ny Baiboly raikitra izy io fa soratra mifangaro noho ny zava-nokendrena manokana. Niharihary fa ampahany tamin’ny zavatra nangonina iray natao hampianarana izy io ho fampahatsiahivana amin’ny Jiosy iray ny adidiny amin’Andriamanitra. Niverimberina matetika ny tapany iray amin’ny andinin-teny manomboka amin’ny Deoteronomia 6:4, nantsoina hoe Shema. Vakina toy izao io andinin-teny io: “Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany.”

Ny Tetragrama YHWH hoe “Jehovah” ao amin’io andinin-teny io dia hita indroa eo amin’ny andalan-tsoratra farany amin’ilay papyrus, ary hita any amin’ny toerana dimy hafa izy io. Indray mandeha koa no ahitana azy io tsy misy ny litera voalohany aminy.

Ny Shema manokana dia nilaza fanantitranterana “ny maha-izy tokana an’Andriamanitra”. Araka ny Talmoda jiosy (Berakoth 19a), ny teny famaranana hoe ʼE·chadhʹ (“Tokana”), “dia tokony hotsindriana manokana rehefa tononina, amin’ny fampiasana ny vaninteny tsirairay”. (W. O. E. Oesterley sy G. H. Box; sora-mandry nataon’izy ireo). Raha ny amin’Andriamanitra, io ʼE·chadhʹ nohalavaina io koa dia manambara ny maha-tokana azy.

Amin’izao andro izao, ny Nash Papyrus dia manana izay mitovy karazana aminy, indrindra fa eo amin’ireo horonamboky hita tany anatin’ireo zohy nanaraka ny moron’ny Ranomasina Maty akaikin’i Qumran. Ny famakafakana tamin’ny antsipiriany dia nanamafy fa tany amin’ny taonjato voalohany sy faharoa al.f.i. no nisian’ny maro be amin’ireo soratanana ireo.a Na dia tsy ny soratanana hebreo tranainy indrindra fantatra intsony aza ny Nash Papyrus, dia mbola tena mahaliana ihany izy io. Mbola mitoetra ihany ho ny hany soratanana amin’ny Baiboly hebreo tranainy toy izany, hita tany Egypta izy io.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Jolay 1991, pejy faha-10-13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara