VOALAVO TSOKOTSOKO VAVA
[Heb.: hafarparôht].
Voalavo kely rakotra volo fohy sy manify. Mety ho avy amin’ny fototeny midika hoe “mihady” ilay teny tany am-boalohany (Ge 26:15), ka azo ilazana an’izay biby mpihady lavaka, toy ny voalavo, totozy, voalavo mpihady tany, ary voalavo mpitsambikina, hoy ny manam-pahaizana maro. “Voalavo tsokotsoko vava” anefa no dikan’ny hoe hafarparôht, hoy i Koehler sy Baumgartner.—Lexicon in Veteris Testamenti Libros, Leyde, 1958, p. 322.
Lava matsoko ny vavan’ilay voalavo, kely ny masony, ary boribory somary miketronketrona ny sofiny. Tendan-kanina be izy, ka mahalany hanina mihoatra noho ny lanjany ao anatin’ny iray andro. Bibikely sy kankana no tena fihinany, nefa mihinana biby madinika mitovy habe aminy na lehibe noho izy toy ny totozy koa izy. Crocidura religiosa ilay resahin’ny Isaia 2:20, hoy i I. Aharoni.—Osiris, Brugge, 1938, Boky Faha-5, p. 463.