FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/6 p. 11
  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Indray mitopy maso amin’ny vaovao
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Miely ny teny mahamenatra
  • Mihantsy fihetsehan’ny aretim-po izay mora tezitra
  • Mitory any Rosia ny Vavolombelona
  • Ny nofinofy fandriampahalemana maneran-tany: Fahitan-javatra diso
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • 1986 — Taona “ho fitandroana ny fiadanana” ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Ny Fandrahonana Niokleary — Voaesotra Mandrakizay!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Ny fiadanana sy ny filaminana: avy aiza no hiaviany?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/6 p. 11

Indray mitopy maso amin’ny vaovao

Miely ny teny mahamenatra

Araka ny filazan’ny revio amerikana iray (U.S. News & World Report), ankehitriny dia anisan’ny fomba fiaina “ara-dalàna” ny resaka mahamenatra. Tao amin’ny lahatsoratra iray nitondra ny lohateny hoe “Mivoaka avy ao amin’ny toerana fivoahana ny ompa”, dia izao no novakina: “Nitroatra avy ao amin’ny tranon’ny miaramila sy ny trano fisotroana ny teny amam-panao tsy manjary. Hita sy re saika hatraiza hatraiza izany: any amin’ireo hotely, eo amin’ny “autocollants” amin’ny fiarakodia, amin’ny fitrena rehefa misy fihaonana amin’ny fanatanjahan-tena, ao amin’ny televiziona sy ny sarimihetsika. Manam-pahaizana maro no mihevitra fa tsy azo ovana izany fironana izany.”

Avy aiza izany fananihan’ny fanambaniana izany? Noraisin’ilay lahatsoratra ny tenin’i Reinhold Aman, mpandinika ny tenim-pirenena samy hafa, izay manintona ny saintsika ho amin’ny firodanan’ny fahamboniana ara-tsosialy sy ny fanajana ireo zavatra voaorina, tao anatin’ireo taona enimpolo sy fitopolo. Izao no nambarany: “Nipoaka tampoka izay nokotrehina aloha. Dia nanomboka nanompa tsy nisy antony ny adala tonga voalohany. Miteny ratsy ny ankizy kely. Tsitapitapitr’izay dia nahita izany ho nahafinaritra tokoa ny olona eo amin’izao tontolo izao malaza.”

Misy milaza fa izany fahabetsahan’ny teny maloto izany dia avy amin’ny tsy fiheverana afa-tsy ny tena sy ny tsy fahaizana mihevitra ny hafa fahita ao anatin’ny taranaka misy antsika. “Tsapan’ny olona fa foana ny fiainany, tsy mahafa-po azy, ka mahasosotra azy izany, hoy ny fanamarihan’i Thomas Cottle, manam-pahaizana momba ny aretin-tsaina any Harvard. Miafina ao ambadiky ny fahatezerany ny fanoherana.” Araka ny filazany dia loza ho an’ny vahoaka izany zava-misy izany.

Nanampy teny toy izao ilay lahatsoratra: “Manazava ireo manam-pahaizana fa amin’ny fanompana no amoahana ny fihetseham-po miangona noho ny fahadisoam-panantenana.” Nefa moa ve fomba fanao tsara izany? Manome izao torohevitra izao kosa ny Baiboly: “Tezera, fa aza manota.” Mba hanaovana izany, dia manasa antsika izy mba hanolo ny “fitenenan-dratsy” sy ny “voso-dratsy” “amin’izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ny mihaino fahasoavana”. — Efesiana 4:26, 31; 5:4; 4:29.

Mihantsy fihetsehan’ny aretim-po izay mora tezitra

“Ny fisafoahantsika amin’ny hafa dia tena toa mifotitra amintsika mba hamely antsika ao amin’ny nofo amin’ny fo, hoy ny novakina tao amin’ny anankiray amin’ireo nomerao faramparany amin’ny American Health. Eo amin’ny fiainana andavanandro, ny hery lanilanintsika foana amin’ny fahatezerana amin’ny tsinontsinona, rehefa mifanjevo ny fiarakodia na eo am-pilaharana, ilay ‘faniriana hamono’ mirehitra matetika tokoa sy tena amin-kadalana dia tena mety hianjera eo amin’ny voa tsy kendrentsika indrindra, dia ny tenantsika ihany.” Araka ny filazan’ny dokotera Ray Rosenman, mpitsabo aretim-po any San Francisco, ny famelezan’ny fahatezerana sy ny fankahalana tsy voafehy dia toa ny antony lehibe indrindra miteraka aretim-po. Sahala amin’ny mpanao fikarohana telo hafa koa, dia mihevitra io mpitsabo io fa ny fahatezerana no hany fototry ny fisehoan’ny aretim-po mahafaty rehetra.

Nanambara koa io lahatsoratra io fa, mba hisakanana ny fihetsehan’ny aretim-po, dia mety ho zava-dehibe toy ny fampiasan-tena sy ny fitandremana ara-tsakafo ny fifehezana ny fihetseham-pon’ny tena. Araka izany àry, ny fikambanana ara-pitsaboana dia nanome porofo be dia be ho fanamarinana ity teny ohabolana ity: “Aina ho an’ny tena ny fo milamina.” — Ohabolana 14:30. Fandikan-teny eokimenikan’ny Baiboly.

Tsara ve, araka ny lazain’ny olona sasany, ny manampatra ny fahatezeran’ny tena? Nanao izao fanamarihana izao io lahatsoratra io ihany: “Tsy misy antony tokony hieritreretana fa ny famoahana ny fahatezerana dia mahatonga azy tsy hampidi-doza kokoa toy ny tsy tokony hieritreretana fa manamaivana ny fahatezerana ny fitanana azy.” Ambonin’izany, ny “fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana” izay mampiavaka an’ireo mora misafoaka dia tsy vitan’ny hoe mampidi-doza ny fahasalamany, fa ny mbola zava-dehibe kokoa, izany dia tsy manana toerana eo amin’ny kristiana marina. — Efesiana 4:31.

Mitory any Rosia ny Vavolombelona

Nampiomana an’ireo mpianany Jesosy Kristy fa rehefa hanaraka ny baikony ‘hitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tany onenana manontolo’ izy ireo dia hisy ‘hanenjika azy sy hanolotra azy ho ao an-trano-maizina’. Na dia izany aza dia mbola hiely ihany ny hafatra momba ilay Fanjakana, na dia any amin’ireo tany sahala amin’ny Firaisana sovietika aza. Ilay gazety sovietika atao hoe Sovietskaya Kirghizia tokoa dia nitaraina noho ny fahitana ny Vavolombelon’i Jehovah mitory “miafina dia miafina” nanomboka tamin’ireo taona efapolo. — Matio 24:14, MN; Lioka 21:12.

Any Rosia, ny Vavolombelona tratra mitory dia samborina. Ohatra, tantarain’ny Sovietskaya Krighizia fa nomelohina ny Vavolombelon’i Jehovah iray satria nizara trakitra ara-pivavahana tany amin’ny Repoblika sovietikan’i Kirghizie. Araka ny filazan’io lahatsoratra io, dia voasambotra io lehilahy io raha nandefa fiarakodia nitatitra “clichés” sy bokikely an-jatony maro natontan’ny Vavolombelona. Na dia izany aza, na toy inona na toy inona fomba andraisana azy, dia ‘tsy maintsy torina ny vaovao tsara’. — Marka 13:10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara