Ny nofinofy fandriampahalemana maneran-tany: Fahitan-javatra diso
MIELY hatraiza hatraiza ny toe-tsaina mahita lafy tsaran-javatra raha ny amin’ny fahatsinjovana ny fandriampahalemana maneran-tany. Nanoratra toy izao i Carol Goar tao amin’ny andalan-tsoratra nataony ho an’ny Toronto Star: “Miely hatrany Afghanistan ka hatrany Angola ny fifanekem-pihavanana. Ireo adim-paritra izay toa tsy nahitana vahaolana volana vitsivitsy lasa izay, dia ahitana famantaram-pahatoniana. Ary mahita fahavelomana indray mampahery ny Firenena mikambana.” Izany, hoy i Goar, dia nitarika ny “fihanahan’ny fanantenana maneran-tany”. Nanambara zavatra mitovy amin’izany ny lahatsoratra ao amin’ny gazety USA Today: “Nirongatra tampoka manerana izao tontolo izao ny fandriampahalemana.”
Ny tena miavaka indrindra aza, tato ho ato, dia izay nolazalazain’ny UN Chronicle ho “ny fandrosoan’ny fifanatonana eo amin’ny Firaisana sovietika sy Etazonia”. Miala ny andian-tafika, fisehoan-javatra nanaitra tany Eorôpa Atsinanana, resaka ny amin’ny fampihenana andian-tafika sy fitaovam-piadiana — ireo fandrosoana ireo dia nahatonga fitrangan’ny fanantenana fa ho afaka hampitsahatra ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana ireo herim-panjakana lehibe indrindra amin’ny farany. Raisina tsara ny fahatsinjovan-javatra toy izany eo amin’izao tontolo izao izay lazaina fa mandany eo amin’ny 850 arivo tapitrisa dôlara mahery isan-taona amin’ny tafika.
Ahoana anefa no mety hahatanteraka ny nofinofin’olombelona fandriampahalemana maneran-tany? Na dia ireo mpitazana faran’izay tsy mijery afa-tsy ny lafy tsaran-javatra aza, dia miaiky fa misy dingana lavitra be avy eo amin’ny fampihenana ny fitaovam-piadiana mankeo amin’ny fanafoanana izany. Mitaky ambaratongam-pifampitokiana tsy mbola nisy toy izany ny fanesorana ny fitaovam-piadiana noklehera. Mampalahelo anefa fa manana tantara lava be voamariky ny tsy fifampitokiana ireo herim-panjakana lehibe indrindra. Araka ny efa voambara mialoha ao amin’ny Baiboly, izany dia lafin-javatra izay anaporofoan’ny olombelona fa “mpanontolo fo [tsy azo ifampiraharahana, MN ] izy. — 2 Timoty 3:3.
Ankoatra izany, dia tsy ny olona rehetra akory no miaiky fa ny fanafoanana ny fitaovam-piadiana noklehera no hitondra fandriampahalemana. Na dia mety hanaiky hanary ny tahirim-piadiana noklehera ananany aza ireo firenena, dia mbola mety hahafaty amin’ny fomba mandaitra tokoa ny fiadiana tranainy. Porofo mampalahelo ny amin’izany ny Ady Lehibe voalohany sy ny faharoa. Tsy vitan’izany, fa mbola hisy foana ny haitao ilaina mba hamoronana indray ny fitaovam-piadiana noklehera — vonona sady miandry ny famantarana fihenjanana ara-politika voalohany. Milaza mihitsy aza ny sasany, sahala amin’i Richard Ned Lebow manam-pahaizana ara-politika, manao hoe: “Angamba ny fitahirizana fitaovam-piadiana noklehera vitsivitsy eny ho eny no mihazona ny olona ho amin’ny fitandremana”.
Raha mbola misy foana anefa ny fitaovam-piadiana noklehera, dia haneso izay ho fihamboana ho nahatratra fandriampahalemana ny fihelohelon’ny fandringanana noklehera; ho toy izany koa ny amin’ny fitohizan’ny zava-manahirana tsy ara-tafika izay manaisotra ny fiadanan’olona an-tapitrisany maro eo amin’ny fiainany andavanandro. Ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana, Javier Pérez de Cuélar, dia niresaka ny amin’ny “toe-javatra mahazo ny mpiray firenena amintsika tsy manan-trano na miaina ao anatin’ny fialofana faran’izay mahantra. Miharatsy kokoa hatrany ny zava-manahirana”. Nambaran’ny UN Chronicle koa, ankoatra izany, fa ny toekarenan’ny tany mahantra dia mahazo “ny roa ampahatelon’ny olombelona, indraindray amin’ny fari-pahantrana sy tsy fananana tsy misy fiavahany amin’ny fahoriana nateraky ny ady”. Ary ahoana ny amin’ny toerana misy ireo mpitsoa-ponenana tombanana ho 12 tapitrisa maneran-tany? Moa ve ny fampihenana ny fitaovam-piadiana na ny fanafoanana izany mihitsy aza hitondra fiadanana eo amin’ny fiainany?
Miharihary fa fahitan-javatra diso — fomba fijery fohy, tery, voafetra — ny nofinofin’ny olombelona fandriampahalemana maneran-tany. Moa ve misy fahatsinjovana fandriampahalemana tsaratsara kokoa? Misy tokoa. Hitantsika tao amin’ny nomerao teo aloha amin’ity gazety ity fa manome fanantenana azo antoka ny amin’ny fandriampahalemana ny Baibolya. Tsy ho ela i Jesosy Kristy, amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra azy, dia hitondra fandriampahalemana mihoatra lavitra noho izay mety handrandrain’ny olona. Fa inona marina anefa no ho dikan’io fandriampahalemana io ho an’ny taranak’olombelona? Hiresaka ny amin’izany ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ny lahatsoratra manao hoe: “Iza no hitarika ny taranak’olombelona ho amin’ny fandriampahalemana?” ao amin’ny nomeraon’ny 1 jolay 1990.