Teo am-pikatsahana antony ivelomana
Tantarain’i Gerhard Pluntke
RAHA NIVERINA tao amin’ny tobinay aho, teo amin’ny vava ady rosiana dia tafiditra tao anaty zera baomba mahery vaika. Nisy baomba atsipy tànana roa nipoaka tao amin’ny rantsan-kazo teo amboniko indrindra. Ny anankiray dia nanipy ahy teo anelanelan’ny hazo roa, nandrotidrotika ny vatako tamin’ny silatsilaka lehibe. Ny iray hafa nanagorobaka ny ranjoko. Nahatsiaro fanaintainana izaitsizy aho.
Tsy afa-nihetsika aho. Taorian’ny fifaranan’ny zera baomba vao nisy tonga nanala ahy tamin’ny toerako tsy tanty. Nahazo ireo fikarakarana voalohany aho ary dia nentina ho any amin’ny hopitaly. Ora maro no hilaina mba hitondran’ireo mpibata roa lahy ahy tamin’ny filanjana namakivaky faritra mampidi-doza. Very làlana izy ireo. Nianjera foana izy ireo. Tsy maintsy niaro tena tamin’ny famelezan’ny fahavalo izy ireo. Raha amin’ny teny fohy dia fialana manahirana, sarotra tantaraina.
Tonga tany amin’ny hopitaly tany atsimon’i Alemana aho tamin’ny farany. 4 izahay no niray efitrano ary toa noana ara-panahy daholo rehefa niaina fotoana nampivarahontsana loatra toy izany. Namaky boky maro miresaka ny amin’ny fivavahana, ny zava-miafina, ny filozofia ary foto-kevitra hafa mitovy amin’izany izahay. Kanefa dia tsy nahita valiny tamin’ilay fanontaniana nanakorontan-tsaina ahy aho, dia ny hoe: Inona moa no zava-kendren’ny fiainana?
Ampolo taonany maro no lasa hatramin’ireny fisehoan-javatra nitranga nandritra ny Ady Lehibe Faharoa ireny, raha niady tao amin’ny tafika alemana aho. Ankehitriny kosa dia manana antony mari-pototra ivelomana aho. Fantatrao ve ny fomba nahitako izany?
Ny fahatanorako
Tsy nihevitra ho zava-dehibe ny fivavahana ny ray aman-dreniko na dia heverina ho anisan’ny Fiangonana loteriana, ny finoana lehibe indrindra tany avaratr’i Alemana, izay nahaterahako. Mifanohitra amin’izany kosa dia nahaliana ahy be dia be ny fanatanjahan-tena sy fialam-boly ary ny tanànan’i Hambourg dia nanolotra ho ahy izay rehetra nilaiko tamin’io lafiny io.
Ny fiandohan’ny Ady Lehibe Faharoa, tamin’ny 1939 dia nanamarika fiovana lehibe teo amin’ny fiainako. Koa satria aho injeniera mpanao milina dia afaka tamin’ny raharaha miaramila nandritra ireo roa taona voalohany. Nefa satria nitatra foana hatrany ny ady dia voantso ho amin’ny antoko-miaramila an-tongotra aho mba hahazo fiofanana ara-tafika. Tamin’izany fotoana izany dia feno hafanam-po ny tanora alemana. Noheveriko ho karazana fanatanjahan-tena ny fanazaran-tenanay. Nefa tsy ela dia takatro izay tena atao hoe ady.
Marina tokoa fa nifarana ny fiofananay ary lasa nandeha tany am-bava ady rosiana izahay. Toa mbola hitako ny reniko, ny maso manganohanon’ny ranomaso tamin’ny fotoana nihontsanan’ny fiaran-dalamby. Fantany ny dikan’izany, dia izy izay nandia ny Ady Lehibe Voalohany, nandraisan’ny raiko anjara.
Ireo horohoron’ny ady
Efatra andro no laninay mba hanatrarana an’i Rosia. Nanomboka àry tamin’izay ny fotoana nampangitakitaka indrindra tamin’ny fiainako, izay nanamarika lalina ny toetrako.
Tonga tany amin’ny faritra efitra sy be honahona tany avaratr’i Rosia izahay. Tapany tamin’ny dia ihany no nataonay tamin’ny fiaran-dalamby; avy eo dia kamiao no nitondra anay ho any akaikin’ny vava ady. Tamin’ny farany dia tsy maintsy nandeha an-tongotra izahay. Indray alina izay dia nandeha 51 kilaometatra izahay sady nitondra fitaovana mavesatra.
Nozarazaraina tamin’ny antoko miaramila maromaro izay nahafatesana be dia be ireo vao avy tonga. Voatendry ho amin’ny antoko miaramila momba ny fifandraisan-davitra niasa tao am-bava ady ihany aho. Hafa dia hafa tokoa ankehitriny ny fandehan-javatra rehefa nanoloana ireo zava-misy amin’ny ady aho.
Voatery namakivaky faritra an-karihary izahay ary tao aho no nandray ny “batisako tamin’ny afo”. Nanomana fandraisana tena “mafana” ho anay ny antoko miaramila rosiana ka izany dia nampangatsiaka fatratra ny hafanam-ponay teo am-boalohany. Tsy nisy nifandraisana velively tamin’ny fanazaran-tenanay ara-miaramila izany. Ankehitriny dia iankinan’ny aina izany!
Tsy hohadinoiko na oviana na oviana ireo faty voalohany hitako. Izany dia tsy isalasalana fa miaramila rosiana; tsy nalevina izy ireo. Nanjary namana nahazatra ahy ny fahafatesana, nefa tsy afaka nanazatra tena velively tamin’ireo zava-niseho nahatsiravina aho, ny sisa tapatapak’ireo lavo. Nahatsiaro ny fahafatesan’ireo zatovolahy ireo ho toy ny halozan-tany aho. Nihidy ny foko rehefa nieritreritra ireo ray aman-dreniny tsy hahita azy na oviana na oviana, ireo fianakaviana rehetra tsy hisy vady sy ray.
Tsy afaka ny tsy niteny anankampo aho hoe: Nahoana isika no velona? Ary nahoana no misy zavatra ratsy indrindra toy izany atao amin’ny fotoan’ny ady? Hevi-dravina tsy misy fotony aoka izany ny fanerena ahy hamono lehilahy tsy mbola hitako velively, izay tsy nanao na inona na inona ahy, lehilahy tian’ny ankohonany ary andrasana amim-pahadodonana ny fiverenany. Mifanohitra tanteraka amin’ny lalàna ara-pitondrantena nampianarina anay izany.
Raha mamono olona amin’ny fotoan’ny fandriam-pahalemana ianao dia mendrika sazy mafy ny fahafatesana mihitsy aza. Nefa amin’ny fotoan’ny ady dia ireo fahefana ireo ihany izay manameloka ny vonoan’olona no nanery anay hamono olona tsy manan-tsiny tsy fantatray akory. Raha tokony ho nanasazy anay izy ireo dia nandrakotra medaly anay: arakaraka ny amonoanao maro no iderana anao! Tena feno hadalana ny ady!
Ny fihatsarambelatsihy ara-pivavahana
Tany am-bava ady dia nitana fifandraisana an-taribỳ tamin’ireo antoko mpiady samy hafa izahay ary niandraikitra ny amin’ny fitazonana ny fifandraisana handeha tsara aho. Asa tsy nisy farany izany, satria tapak’ireo baomba atsipy tànana foana. Rehefa nanao fitetezana aho mba hanamboatra azy ireny dia nandalo matetika teo akaikin’ny fasan’ny miaramila alemana. Fantatra amin’ireo vokovoko vita maimaika amin’ny rantsan-kazo, izay niantonan’ny satro-by an’ilay maty — na fara faharatsiny izay sisa tavela tamin’izany. Tsy mbola nivavaka tamin’Andriamanitra mihitsy aho nandritra ny androm-piainako. Ankoatr’izany dia tsy ho fantatro akory izay tokony iantefan’ny vavaka ataoko. Nefa teo dia matetika aho no sendra nivavaka teo akaikin’ny fasana iray ary nangataka mangina tamin’ny Andriamanitra tsy fantatra iray ny hampahafantatra ahy ny zava-kendren’ny fiainana.
Nisy zavatra hafa nanafintohina ahy koa. Raha inoana ireo toritenin’ny pastora loteriana sy ireo pretra katolika, Andriamanitra dia nanohana ireo tafika alemana tamin’ny ady; tsy maintsy nanome anay ny fandresena farany ireo fahavalo izy. Raha ny tena izy ireo teny hoe Gott mit Uns, “Momba antsika Andriamanitra”, dia voasokitra eo amin’ny fampoehan’ny fehin-kibo nanaovan’ny miaramila alemana rehetra.
Kanefa fantatray fa ireo “fahavalonay” dia anisan’ny fivavahana misy anay ihany ary ireo pastorany sy pretrany dia nilaza toy izany koa tamin’izy ireo, afa-tsy ny hoe taminy ny fahavalo mendrika ny fampijalian’Andriamanitra dia izahay. Miharihary tsara fa namitaka anay ny klerjy. ‘Mpihatsaravelatsihy!’ hoy ny eritreritro. Nefa tsy nitsahatra ny niteny anakampo aho na dia izany aza hoe: ‘Fa nahoana no misy izany rehetra izany? Inona no hevitry ny fiainana?’ Nefa tsy nisy olona afaka nanome valiny mahafa-po tamin’ireo fanontaniana ireo.
Nitady foana aho
Be dia be ny aina nafoy. Tamin’ireo miaramila 180 nahaforona ny antokonay teo am-piaingana dia tsy nisy tavela afa-tsy 5. Ireo hafa? Maty na naratra. Niaina volana maro tany anaty ala izahay. Tsy afaka ny nanao lavaka izahay ka hoe tsy feno rano avy hatrany. Rehefa hatory dia tsy maintsy nanapaka rantsan-kazo sy namelatra izany matevitevina teo amin’ny tany izahay mba hialana amin’ny hamandoana. Manontany tena aho ny amin’ny fomba nahafahanay niaritra ara-batana. Niaritra fihenjanan-kozatra mafy koa izahay. Fantatray fa ny minitra tsirairay avy dia nety ho ny farany.
Farany dia naratra koa aho tamin’ny famelezana tamin’ny baomba atsipy tànana ary dia tonga tany amin’ny hopitaly tany atsimon’i Alemana. Rehefa afaka nody tany Hambourg aho taorian’ny fijanonana nandritra ny volana maromaro tany amin’ny hopitaly, dia tsy afaka nandray anjara tamin’ny ady intsony.
Nifarana ny ady, ary naka fanapahan-kevitra ny tsy hitam-piadiana intsony aho. Niroso bebe kokoa ho amin’ny fikatsahana ny hevitry ny fiainana aho ary niditra tamin’ny fikambanana iray momba ny “cosmologie” (siansa momba ireo lalàna ankapobeny manapaka izao rehetra izao). Nandalina ny amin’ny zava-miafina izahay, ny fanandroana ary foto-kevitra hafa maro. Nefa izany tsy nanazava tamiko ny fanontaniana nanahirana ahy indrindra dia ny hoe: Nahoana isika no eto an-tany?
Tamin’ny 1947 dia nanambady an’i Dolly aho, ilay zazavavy nifanerasera tamiko. Nefa nisy aloha tonga nanamatroka tsy naharitra ny fahasambaranay satria nanapa-kevitra ny hikatsaka toe-piainana tsara kokoa any andafin-dranomasina aho. Ny tanjoko dia Amerika Atsimo, na Chili raha ny marimarina kokoa.
Toy izany no nahatongavako tany Valparaiso, tamin’ny 1949, izay nanombohako fiainana vaovao. Nanaraka ahy tany ny vadiko herintaona taorian’izay, rehefa nanjary mari-pototra kokoa ny toerako ara-nofo. Nefa nisy zavatra tsy ampy taminay foana, zavatra lehibe: antony ivelomana. Matetika, ny hariva alohan’ny atoriako dia nijerijery teo am-baravarankely aho, nanandratra ny masoko ho eny amin’ny lanitra feno kintana ary nivavaka tamin’ilay Andriamanitra tsy mbola fantatro foana. Tsy nampoiziko velively fa hahita tsy ho ela antony ivelomana aho.
Antony ivelomana
Tamin’ny 1953 dia nanaiky hianatra ny Baiboly amin’ny fiteniko niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah alemana avy tao amin’ny kongregasiona kelin’i Valparaiso aho. Endrey izany hafaliako nahafantatra fa mialanalana amin’ny raharahan’izao tontolo izao ny Vavolombelon’i Jehovah! Nifanitsy tanteraka tamin’izay fomba fahitako manokana ny zavatra izany. — Jaona 15:19; 17:14, 16.
Kanefa dia nanana asa be hatao aho. Tsy mbola namaky Baiboly mihitsy aho. Sarotra be tamiko ny nanaiky azy ho ny Tenin’Andriamanitra sy hampifanaraka ny fiainana amin’izany. Nafana ny fianarana ary naharitra hatramin’ny roa na telo ora maraina. Nahazo Baiboly tamin’ny teny alemana aho ary namaky izany manontolo tao anatin’ny volana vitsivitsy. Napetrako teo anoloan’izay “fifanoherana” ninoako fa hitako tao ilay Vavolombelon’i Jehovah. Nefa tsikelikely dia voatery niaiky aho fa ireny “fifanoherana” ireny kosa dia avy amin’ny fahalalako voafetra sy ny tsy fahatakarako tsara ny Soratra masina.
Nampanahirana loatra ilay Vavolombelona aho. Na izany aza dia nanana tahirim-paharetana ho ahy izy ary tsikelikely ireo fahamarinana tao amin’ny Baiboly dia nanomboka niditra tao an-tsaiko.
Ny fahatanterahan’ireo faminaniana maro ao amin’ny Baiboly dia nampiaiky ahy tanteraka fa Tenin’Andriamanitra io boky io. Niainga avy tamin’ny fotopoto-pitsipika aho fa tsy afaka nilaza mialoha zava-miseho taonjato maro, eny an’arivo taonany maro alohan’ny hitrangany ny olona iray. Kanefa ny faminaniana ao amin’ny Daniela 9:24-27 dia nanaitra ahy mafy satria nanambara 500 taona mialoha ny taona hahatongavan’ny Mesia. Araka izany, Jesosy dia niseho tamin’ny taona 29, tamin’ny fotoana voatondro (Lioka 3:1, 2). Ny faminaniana miavaka iray hafa an’i Mika 5:2, dia nanondro mihoatra ny 700 taona mialoha ny toerana tsy maintsy nahaterahan’i Kristy, dia i Betlehema. Ary dia teraka tao amin’io tanàna io tokoa Jesosy (Lioka 2:1-7). Azoko antoka fa nisy Mpanao mahery noho ny olombelona nitarika ireo mpanoratra ny Soratra masina.
Tena nahasoa ahy ny fianarako fanamboarana milina. Nahita porofo maro tsy azo lavina ny amin’ny fisian’ny Mpamorona iray mahalala ny zava-drehetra aho. Indray andro, ohatra dia nahita tongo-bem-poza teny amin’ny morontsiraka aho ary nandinika izany. Noforonina tamin’ny fomba maha-te-hidera izany. Ny ozatra dia mipetraka amin’ny toerana tsara indrindra, araka ny fomba fijery mekanika, mba hahazoana vokatra sy fihetsehana faran’izay betsaka. Iza no nanao ny tarehimarika nilaina? Ilay foza ve? Arakaraka ny nanokafako ny masoko tamin’ny natiora sy ireo zava-mahatalanjona nanodidina ahy no nahafantarako bebe kokoa ny amin’ny Fisiana ambony iray, manana saina tsy manan-tsahala.
Aoka isika hiverina amin’ny zava-kendren’ny fiainana. Misy ve izany? Izany tokoa. Tena faran’izay tsotra sy ara-dalàna izany ankoatr’izany. Inona izy io? Ny fikasan’Ilay Mpamorona antsika tia dia ny hiainan’ny olombelona mandrakizay, salama tanteraka, ao amin’ny fiadanana sy fahasambarana, eo amin’ny tany paradisa eo ambany fahefan’ny fitondram-panjakana tanteraka any an-danitra. Irin’Andriamanitra ny fiainantsika hanome taratra ny fitiavana tsy mety levona ananantsika ho azy sy ny mpiarabelona amintsika. Alao sary an-tsaina ny fifaliana tsapako rehefa fantatro fa efa ho tanteraka io fikasana io! Endrey izany fahatsinjovan-javatra kanto! Salamo 37:10, 11, 29; Lioka 23:43; Apokalypsy 21:1-4; Marka 12:29-31.
Rehefa nekeko izany zavatra izany dia tsy nisy na inona na inona nitana ahy intsony. Tamin’ny 1957 àry dia nanomboka nizara izany “vaovao tsara” izany tamin’ireo mpiarabelona tamiko aho. Avy eo aho dia nanolotena tamin’Andriamanitra ary dia natao batisa tamin’ny febroary 1959. Nanohy nianatra ny vadiko ary tamin’ny 1961 dia faly izahay nandeha tany Hambourg nanaovana batisa azy tamin’ny fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Faly aho afaka milaza aminareo fa ireo zanakay vavy roa dia vavolombelona marisika hatramin’ny taona maro izao, ny anankiray tamin’izy ireo aza dia nanompo tamin’ny naha-mpitory maharitra mandavan-taona (mpitory manontolo andro) nandritra ny enin-taona. Ny fahalalana ny Baiboly dia tena nahasoa anay be dia be tokoa. Ny firaisan-tsaina sy ny fifanarahana dia manjaka ao amin’ny fianakavianay, satria manana fanantenana sy zava-kendrena mitovy avokoa izahay rehetra.
Araka ny fandehan’ny taona dia nanana tombontsoa nanampy olon-kafa hahafantatra an’i Jehovah aho. Endrey izany fahasambarako manazava amin’izy ireo ny antony ivelomako! Tiako indrindra ny mampiseho amin’ny olona ny fomba famantarana ny tena kristianisma. Amin’izany dia mampiasa matetika andalan-teny iray ao amin’ny Baiboly izay latsa-paka tao am-poko noho ny fiainako lasa aho. Izany dia ny Jaona 13:34, 35, izay amakiantsika ireto tenin’i Jesosy ireto: “Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.” Iza no fivavahana mampihatra io didy io tsy amin’ny fotoan’ny fandriampahalemana ihany fa amin’ny fotoan’ny ady koa?
Endrey izany fifaliana manompo eo anilan’ireo kristiana marina, sady miandry ny fiorenan’ny fandaharan-javatra vaovao izay tsy hisian’ny aretina, ny ranomaso ary ny fahafatesana intsony, ary tsy hahatongavan’ny fampijalian’ny ady hanamatroka intsony ny fahasambaran’ny olombelon! Eny, manana antony mari-pototra mafy ivelomana isika.
[Sary, pejy 22]
Nihidy ny foko rehefa nieritreritra ireo ray aman-dreny tsy hahita intsony ny zanany aho, ireo fianakaviana rehetra tsy hisy vady na ray.