FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 1/8 p. 6-8
  • Fifehezana Ilay Loza Mihanaky ny Tsy Fitovian-jo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fifehezana Ilay Loza Mihanaky ny Tsy Fitovian-jo
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ampiasao amin’ny fomba tsara indrindra izay anananao!
  • Fisian’ny fitovian-jo eo anivon’ny mpirahalahy
  • Ny Tsy Fitovian-jo — Fikasan’Andriamanitra Ve?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Loza Mihanaka Ankehitriny ny Tsy Fitovian-jo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Ny fikatsahana fitoviana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Nofinofy Fotsiny ve ny hoe ho Foana ny Fanavakavaham-bolon-koditra? Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 1/8 p. 6-8

Fifehezana Ilay Loza Mihanaky ny Tsy Fitovian-jo

Tsy ho ela ilay Mpamorona dia hitondra ilay fitovian-jo irin’ny olombelona fatratra. Mandra-pahatongan’izany, dia afaka manao zavatra isika, fara faharatsiny, mba hifehezana ilay loza mihanaky ny tsy fitoviana mahazo antsika sy ny fianakaviantsika. Araka ny nomarihin’i Nelson Mandela, prezidàn’i Afrika Atsimo taloha, dia “ny fampiasantsika ny zavatra ananantsika, fa tsy izay omena antsika, no mampiavaka ny olona iray amin’ny iray hafa”.

MANAMARINA ny teniny ny tantara. Maro ireo lehilahy sy vehivavy izay tsy nanan-javatra firy fony izy teraka, nefa tamin’ny fampiasany izay zavatra nananany, dia nahita fahombiazana nampiavaka azy tamin’ireo namany izay nety ho nanana kokoa izy ireo. Mifanohitra amin’izany kosa, fa misy olona hafa nanana be, fony izy teraka, nefa nandanilany foana izay zavatra nananany, ary tsy nampiasa ny fahafahany feno.

Ampiasao amin’ny fomba tsara indrindra izay anananao!

Liana mafy hanampy olona hahazo fahalalana momba ny fikasan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fianarana Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah. Takatr’izy ireo anefa fa, mba handraisan-tsoa feno avy amin’ny fanazavana ara-baiboly, dia tsy maintsy mahay taratasy ny olona. Noho izany antony izany, dia nampianatra olona an’aliny maro mba hahay hamaky teny sy hanoratra ny Vavolombelon’i Jehovah, ka voafaoka amin’izany ireo olona 23 000 (teo antenatenan’ireo taona 1990), any amin’ny tany iray atsy Afrika Andrefana fotsiny. Rehefa niresaka ny amin’ny asa soa miavaka ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah ny gazety San Francisco Examiner dia nanamarika toy izao: “Azonao atao ny mihevitra azy ireo ho olom-pirenena modely. Mandoa hetra amim-pitandremana izy ireo, mikarakara ireo marary, miady amin’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra.”

Fanampin’izany, amin’ny alalan’ny fampianarana miandalana momba ny fitenenana ampahibemaso, dia nampiofana olona ana hetsiny maro mba ho tonga mpandahateny mahay sy afaka miteny misosa tsara eny ampahibemaso, ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’ireny olona an’arivony maro ireny ny sasany izay nanan-java-nanahirana teo amin’ny fitenenana. Hevero ity lehilahy iray avy atsy Afrika Atsimo ity, izay nanoratra toy izao: “Niakanakam-piteny be aoka izany aho, ka nanjary tsy nisokatra tamin’ny hafa, niantehitra tamin’ny hafa aho matetika mba hiteny ho ahy (...). Rehefa nisoratra anarana tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika aho, ka voatery namaky Baiboly teo anoloan’ny mpanatrika vitsivitsy (...), dia niakanakana be, ary tsy afaka namita ilay anjarako tao anatin’ny fotoana nomena ahy. Taorian’ilay fivoriana dia nanome ahy tamin-katsaram-panahy torohevitra azo nampiharina, ilay [mpanome torohevitra]. Nanoro hevitra ny hanaovako fanazaran-tena mamaky amin’ny feo avo izy. Izany tokoa no nataoko, ka nandany fotoana isan’andro namakiana tamin’ny feo avo ny Baiboliko sy ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana, aho.” Nandroso tsara aoka izany io lehilahy io, ka manao lahateny ampahibemaso eo anatrehan’ny mpanatrika miisa an-jatony maro, eny, an’arivony maro mihitsy aza izy ankehitriny.

Fisian’ny fitovian-jo eo anivon’ny mpirahalahy

Tsy mitovy ny tarehin-javatra eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah, raha ny fanabeazana sy ny fitsaboana ary ny toerana ara-toe-karena sy ara-tsosialy no jerena. Ireo tsy fitoviana ireo dia taratra mampiseho fotsiny ny toe-piainana tsy lavorary eo amin’izao tontolo izao izay misy azy ireo. Mifanohitra amin’ireo antokom-pivavahana hafa anefa, dia saika voafongotra tanteraka tsy ho eo amin’izy ireo ny fanavakavahana ara-pirazanana, sy ara-tsosialy ary ara-toe-karena.

Nahavita izany izy ireo, tamin’ny fanaovana araka ny fara heriny mba hampiharana izay nianarany avy tao amin’ny Baiboly. Mandray amin’ny fony manontolo ireto foto-pitsipika ara-baiboly ireto izy ireo: “Tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” (1 Samoela 16:7). “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” (Asan’ny Apostoly 10:34, 35). “Aza mamaly ratsy na amin’iza na amin’iza. Miomàna hanao izay mahamendrika eo imason’ny olona rehetra. Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” — Romana 12:17, 18; jereo koa ny 1 Timoty 6:17-19; Jakoba 2:5, 9.

Noho ny fifikirany akaiky amin’ireny foto-pitsipika ara-baiboly izay mampandroso ny firaisan-tsaina ireny, ny Vavolombelon’i Jehovah dia tsy mety milefitra amin’izay rehetra tsy fitoviana miorina amin’ny fahasamihafana ara-pirazanana, ara-tsosialy na ara-toe-karena, eo amin’izy ireo. Ireny anton-javatra ireny, ohatra, dia tsy mandray anjara amin’ny fanaovana fanapahan-kevitra ny amin’izay homena tombontsoam-panompoana ao amin’ny kôngregasiôna kristianina. Ny toerana misy andraikitra toy ny fampianarana sy ny asa fiandraiketana, dia omena miorina amin’ny toetra ara-panahy takina irery ihany. — 1 Timoty 3:1-13; Titosy 1:5-9.

Ho an’ireo olona izay nijaly noho ny tsy fitoviana eo amin’ity tontolo manavakavaka ity, dia tena famelombelomana tokoa ny fitondran’ny hafa azy ireo ho toy ny rahalahy sy anabavy izay samy heverin’ny Mpamorona azy ho mitovy avokoa! Afaka manamarina izany i Martina. Rehefa nandao ny fianakaviany ny rainy, dia notezain-dreniny irery tao amin’ny tokantrano nahantra izy. Matetika izy no nataon’ny fiaraha-monina an-kilabao, ary tsy nanana fatokian-tena firy sy tsy nahay nifankahazo tamin’ny hafa. Nanjary nanana fihetsika tsy niraharaha izy. Niova anefa ny toe-javatra, rehefa nanomboka nianatra ny Baiboly izy, ka tonga Vavolombelon’i Jehovah. Hoy izy: “Mbola tsy maintsy miady amin’ny eritreritra tsy manorina ihany aho, nefa afaka miatrika kokoa an’ilay zava-manahirana. Nitombo ny fanajako ny tenako, ary miteny amim-patokisan-tena kokoa aho. Nanome ahy fahatsapana andraikitra ny fahamarinana. Fantatro izao fa tia ahy i Jehovah ary mendrika ny hiainana ny fiainana.”

Amin’ny maha antokona Kristianina iraisam-pirenena azy ireo, ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny tany maherin’ny 230, dia ahitana fitoviana izay tena miavaka eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Misy fivavahana hafa afaka milaza toy izany sy manohana izany amin’ny alalan’ny zava-misy ve?

Mazava ho azy fa mijery ny zava-misy ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy misalasala izy ireo miaiky fa noho izy eo amin’ny toe-piainana tsy tanteraka, dia tsy afaka manafoana ny tsy fitoviana misy eo amin’ny olombelona izy ireo, tahaka ny nanandraman’ny hafa rehetra nanao izany nandritra ny taonjato maro — nefa tsy nahomby. Na dia izany aza, dia faly izy ireo fa nahavita be dia be mba hifehezana io loza mahafaty io, teo amin’izy ireo. Ary amin’ny fananana finoana matanjaka ny fampanantenan’Andriamanitra, dia manantena tontolo vaovao iray hisian’ny fahamarinana izy ireo, ka ho zavatra efa lasa mandrakizay ny tsy fitoviana amin’izay.

Eny, tsy ho ela ny olombelona mankato rehetra dia haverina indray ho amin’ny fitoviana eo amin’ny ‘fahamendrehana sy ny zo’, izay nokasain’ny Mpamorona azy hananan’izy ireo tany am-boalohany. Hevitra mahafinaritra re izany! Ary ho zavatra tena hisy izy io amin’izay!

[Sary, pejy 7]

Miady amin’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra ny Vavolombelon’i Jehovah, amin’ny fampianarana olona an’aliny maro hahay hamaky teny sy hanoratra

[Sary, pejy 8]

Manampy mba hanafoanana ny fanavakavahana ara-pirazanana sy ara-tsosialy ary ara-toe-karena ny fahamarinana ara-baiboly

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara