FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/5 p. 22-26
  • Mitarika ho Amin’ny Fandrosoana ny Fikirizana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitarika ho Amin’ny Fandrosoana ny Fikirizana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiandohana kely
  • Niezaka mafy mba hanaraka ny ohatr’i Dada
  • Fandraisana anjara amin’ny asan’ilay Fanjakana
  • Fahasahiana niatrika fanoherana
  • Mpanampy iray mahatoky sy tsy mivadika
  • Nitahy ny fahavononako i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mitondra Fifaliana ny Fikirizana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Miaro anay Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Notohanan’ny Fatokiako An’i Jehovah Aho
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/5 p. 22-26

Mitarika ho Amin’ny Fandrosoana ny Fikirizana

NOTANTARAIN’I JOSÉ MAGLOVSKY

Rehefa nihazona ny sandriko ilay polisy, dia nitady an-draiko aho. Tsy fantatro akory anefa fa efa nentina tany amin’ny paositry ny polisy izy. Rehefa tonga tany aho, dia nalain’ilay polisy ireo zavatra vita an-tsoratra rehetra nanananay, anisan’izany ny Baibolinay, dia navangongony teo amin’ny tany. Rehefa nahita izany ny raiko dia nanontany hoe: “Apetrakao amin’ny tany ve na dia ny Baiboly aza?” Niala tsiny ilay lehiben’ny polisy, ary avy eo dia nalainy ireo Baiboly ary napetrany teo ambony latabatra.

AHOANA no nahatonga anay hiafara tany amin’ilay paositry ny polisy? Inona no nataonay? Moa ve izahay tany amin’ny tany iray notapahin’ny polisy tsy mino an’Andriamanitra, hany ka na dia ny Baiboly aza dia nesorina taminay? Mba hamaliana izany fanontaniana izany, dia voatery hiverina any amin’ny taona 1925 isika, talohan’ny nahaterahako mihitsy aza.

Tamin’io taona io no nandaozan’i Estefano Maglovsky raiko, sy i Juliana reniko, an’i Iogoslavia tamin’izany fotoana izany, ka nifindrany nankany Brezila mba hiorim-ponenana tao São Paulo. Na dia Protestanta aza i Dada, ary Katolika i Neny, dia tsy antony nampisaraka teo amin’izy ireo ny fivavahana. Raha ny marina, folo taona tatỳ aoriana, dia nisy zavatra nitranga ka nampikambana azy ireo teo amin’ny fivavahana. Ny zaodahin’i Dada dia nitondra tao aminy bokikely miloko iray tamin’ny fiteny hongroà, niresaka ny amin’ny toetran’ny ny maty. Azony toy ny fanomezana ilay bokikely, ary nangataka an’i Dada izy mba hamaky azy io ka hilaza aminy ny heviny momba izay noraketin’ilay bokikely, indrindra fa ilay tapany momba ny “afobe”. Nandany ny alina manontolo namakiana sy namerenana namakiana ilay bokikely i Dada, ary ny ampitson’iny, rehefa tonga mba handre ny heviny ny zaodahiny, dia nanambara tamin’ny fomba hentitra i Dada hoe: “Itỳ no fahamarinana!”

Fiandohana kely

Koa satria avy tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay zavatra vita an-tsoratra, dia samy nikaroka azy ireo izy mirahalahy mba hianarana bebe kokoa ny amin’ireo zavatra ninoan’izy ireny sy ny fampianarany. Rehefa natao ny fifandraisana tamin’ny farany, dia mpikambana maromaro tamin’ny fianakavianay no nanomboka nanao dinidinika niaraka tamin’ireo Vavolombelona. Tamin’io taona io ihany, tamin’ny 1935, dia natomboka ny fianarana tsy tapaka ny Baiboly tamin’ny fiteny hongroà, ka nisy mpanatrika valo tamin’ny antsalany, ary nanomboka tamin’izay dia nanana fianarana ny Baiboly tsy tapaka izahay tao an-tranonay.

Rehefa afaka roa taona nianarana ny Baiboly, dia natao batisa i Dada tamin’ny 1937, ary tonga Vavolombelon’i Jehovah nafana fo izy, nandray anjara tamin’ny asa fitoriana isan-trano sy tamin’ny fanompoana tamin’ny naha-mpikarakara voatendry sy mpitarika ny fianarana koa. Nanampy tamin’ny fiforonan’ny kongregasiona voalohany tao São Paulo, tao amin’ny faritr’i Vila Mariana, izy. Tatỳ aoriana ilay kongregasiona dia nafindra tany afovoan-tanàna ary nanjary fantatra hoe Kongregasiona Afovoany. Folo taona tatỳ aoriana, dia niforona ny kongregasiona faharoa, tao amin’ny faritr’i Ypiranga, ary voatendry ho mpikarakara kongregasiona tany i Dada. Tamin’ny 1954, dia niforona ny kongregasiona fahatelo, tao amin’ny faritr’i Moinho Velho, ka tany koa izy dia nanompo tamin’ny naha-mpikarakara kongregasiona.

Raha vantany vao niorina tsara io antokon’olona io, dia nanomboka nanampy ilay antokon’olona tao São Bernardo do Campo, teo akaiky, izy. Noho ny fitahian’i Jehovah ny ezaka nataon’ireo antokon’olom-bitsy nisy Vavolombelona ireo nandritra ny an-taonany maro, dia nampitolagaga ny fitomboana, hany ka tamin’ny 1994, dia nisy mpitory maherin’ny 70 000 tao amin’ireo kongregasiona 760 tao São Paulo lehibe kokoa. Nampalahelo fa tsy nahita izany fitomboana izany i Dada. Maty izy tamin’ny 1958, teo amin’ny faha-57 taonany.

Niezaka mafy mba hanaraka ny ohatr’i Dada

Ny toetra lehibe iray nampiavaka an-draiko, toy ny Kristiana matotra hafa, dia ny fitiavany mandray vahiny. (Jereo ny 3 Jaona 1, 5-8.) Ho vokatr’izany, dia nahazo tombontsoa izahay nandray ho vahiny an’i Antonio Andrade sy ny vadiny ary ny zanany lahy, izay tonga teto Brezila avy tany Etazonia niaraka tamin’ny Rahalahy sy ny Anabavy Yuille, tamin’ny 1936. Vahiny tao an-tranonay koa ireo roa lahy nahazo diplaoman’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Watchtower, dia i Harry Black sy i Dillard Leathco, izay misionera voalohany voatendry teto Brezila tamin’ny 1945. Nisy maro hafa nanaraka azy ireo. Ireny rahalahy sy anabavy ireny dia loharanom-pampaherezana tsy tapaka ho an’ny rehetra tao amin’ny fianakavianay. Noho ny fankasitrahako izany sy ho tombontsoan’ny fianakaviako, dia niezaka mafy aho mba hanahaka ny ohatry ny raiko tamin’io lafin-toetra kristiana io, dia ny fitiavana mandray vahiny.

Na dia vao sivy taona aza aho fony i Dada nianatra ny fahamarinana tamin’ny 1935, tamin’ny naha-zokiny indrindra tamin’ny zanany ahy, dia nanomboka niaraka taminy teny amin’ny asany teokratika aho. Samy nanatrika ny fivoriana niaraka taminy izahay rehetra, tany amin’ny Efitrano Fanjakana tany amin’ny foiben’ny Vavolombelona tao São Paulo, teo amin’ny Lalana Eça de Queiroz, Nomerao 141. Noho ny fampianarana sy ny fampiofanana nomen’i Dada ahy, dia nampitombo faniriana niredareda ny hanompo an’i Jehovah aho, ka tamin’ny 1940, dia nanolotra ny tenako ho an’i Jehovah aho, nanamarika izany tamin’ny fandrobohana tao anaty rano, tao amin’ny Renirano Tietê izay maloto izao, dia renirano mikoriana mamakivaky ny afovoan-tanànan’i São Paulo.

Tsy ela aho dia nianatra ny atao hoe mpitory tsy tapatapaka ny vaovao tsara, namboly sy nanondraka ny hafatra momba ny fahamarinana tao amin’ny hafa, ary nitarika fampianarana ny Baiboly tany an-tokantrano niaraka tamin’izy ireny. Rehefa mahita ny Vavolombelon’i Jehovah vita fanoloran-tena an’arivony maro eto Brezila aho izao, dia mahatsapa fifaliana lalina mahafantatra fa nampiasain’i Jehovah aho mba hanampy ny maro tamin’izy ireo ho tonga amin’ny fahalalana ny fahamarinana na mba handalina ny fankasitrahan’izy ireo izany.

Anisan’ireo izay nampiako i Joaquim Melo, izay hitako teo amin’ny fanompoana isan-trano. Niresaka tamin’ny telo lahy hafa izay nihaino saingy tsy liana firy aho. Tamin’izay aho no nahamarika tovolahy iray izay nanatona anay ary nihaino tamim-pitandremana fatratra. Noho ny fahitako ny fahalianany, dia nitodika tany aminy aho, ary taorian’ny fanambarana tsara iray, dia nanasa azy ho tonga ao amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona aho. Tsy nanatrika ilay fianarana izy, fa tonga tao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika kosa ary taorian’izay dia nanatrika tsy tapaka ireo fivoriana. Nandroso tsara izy, natao batisa, ary nandritra ny taona maromaro dia nanompo tamin’ny naha-minisitra mpitety faritany, niaraka tamin’ny vadiny.

Avy eo, dia teo koa i Arnaldo Orsi, izay hitako tany amin’ny toeram-piasako. Nanao fanambarana tsy tapaka tamin’ny mpiara-miasa iray aho, kanefa dia nomarihiko fa nisy lehilahy tanora iray be volombava nihaino foana ny resakay, hany ka nanomboka niresaka taminy nivantana aho. Avy tamin’ny fianakaviana katolika hirihiriny izy kanefa dia nanao fanontaniana maro nahakasika zavatra toy ny fifohana sigara, ny fijerena horonan-tsary vetaveta, ny fanaovana judo ho fomba fiarovan-tena. Nasehoko azy izay nolazain’ny Baiboly, ary akory ny hatairako tamin-kafaliana fa ny ampitson’iny, dia nanasa ahy izy mba hijery azy namaky ny pipany sy ny fampirehetany sigara ary ny lakroany, sy nanapotika ireo horonan-tsary vetaveta nananany, ary nanaratra ny volom-bavany. Lehilahy niova tao anatin’ny fotoana fohy dia fohy! Nitsahatra tsy nanao judo koa izy ary nangataka ny hiara-mianatra ny Baiboly tamiko isan’andro. Na dia teo aza ny fanoheran’ny vadiny sy ny rainy, dia nandroso tsara izy tamin’ny ara-panahy noho ny fanampian’ireo rahalahy nonina teny akaikiny. Tao anatin’ny fotoana fohy dia natao batisa izy, ary amin’izao andro izao izy dia manompo amin’ny maha-loholona ao amin’ny kongregasiona iray. Nanaiky ny fahamarinana koa ny vady aman-janany.

Fandraisana anjara amin’ny asan’ilay Fanjakana

Rehefa sahabo ho 14 taona aho, dia nanomboka niasa tao amin’ny orinasa iray mpanao dokam-barotra, ka tao aho dia nianatra nandoko sora-baventy. Hita fa tena nahasoa izany, ary nandritra ny taona maro, dia ny tenako no hany rahalahy tao São Paulo nampiasaina mba handoko ireo takelaka sy ireo soratra tamin’ny lamba nahantona nanapaka ny arabe, izay nampahafantatra ny besinimaro ny amin’ireo lahateny ampahibemaso sy ireo fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandritra ny efa ho 30 taona aho dia nanana tombontsoa hanompo tamin’ny naha-mpiandraikitra ny Sampan-draharaha Mikarakara ny Sora-baventy amin’ny fivoriambe. Nangoniko foana ny fotoam-pialan-tsasatro mba hiasana tany amin’ireo fivoriambe, ka natory tany amin’ny efitrano fanaovana fivoriambe mihitsy aza aho mba hahavoaloko ara-potoana ireo sora-baventy.

Nanana fahafahana hiasa tamin’ireo fiaran’ny Fikambanana nisy fanamafisam-peo koa ny tenako, ka izany dia tena zava-baovao tokoa tamin’izany fotoana izany. Napetrakay teo amin’ny trano heva iray ireo zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly nanananay, ary raha teo am-pandefasana hafatra iray noraisim-peo ilay fiara nisy fanamafisam-peo, dia niresaka tamin’ny olona izay nivoaka ny tranony mba hizaha izay nitranga izahay. Fomba hafa iray nampiasainay mba hampahafantarana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana ny grafofaonina azo bataina, ary mbola ananako ireo kapila nampiasaina mba hanolorana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana. Betsaka ny zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly voapetraka ho vokatr’izany.

Tamin’izany andro izany ny Eglizy Katolika dia nanao filaharam-be teo amin’ireo araben’i São Paulo, matetika no nisy lehilahy nandeha teny aloha mba hisava ny lalana. Indray alahady, dia teo am-panolorana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! teny amin’ny arabe izahay sy i Dada, rehefa nipoitra ny filaharam-be iray. Nisatroka i Dada, araka ny efa fahazarany. Niantsoantso ny iray tamin’ireo lehilahy teny alohan’ilay filaharana nanao hoe: “Esory ny satrokao! Tsy hitanao angaha fa tamy ny filaharana?” Rehefa tsy nanala ny satrony i Dada, dia nisy lehilahy maro kokoa tonga, nanosika anay hiankina teo amin’ny varavarankelin’ny fivarotana iray ka nahatonga fikorontanana. Izany dia nanintona ny sain’ny polisy iray izay tonga mba hizaha izay nitranga. Nandray azy tamin’ny sandriny ny iray tamin’ireo lehilahy, naniry ny hiresaka taminy. “Esory amin’ny fanamiako ny tananao!” hoy ny didin’ilay polisy, sady nikapoka ny tanan’ilay rangahy. Avy eo izy dia nanontany ny amin’izay nitranga. Nanazava ilay rangahy fa tsy nanaisotra ny satrony noho ilay filaharana i Dada, sady nanampy teny toy izao izy: “Katolika Romana apostolika aho.” Toy izao no valin-teny tsy nampoizina: “Milaza ianao fa hoe Romana? Mandehana àry mody any Roma! Brezila itỳ.” Avy eo izy dia nitodika tany aminay ka nanontany hoe: “Iza no teto voalohany?” Rehefa namaly i Dada fa izahay, dia nandefa ireo lehilahy hiala ilay polisy ary nilaza taminay mba hanohy ny asanay. Nitsangana teo anilanay izy mandra-pandalon’ilay filaharana manontolo — ary tsy niala satroka i Dada!

Nahalana ny zavatra sendra nitranga toy izany. Kanefa rehefa tena nitranga izany, dia nampahery ny nahafantatra fa nisy olona nanome rariny ny vitsy an’isa sy tsy nisolelaka tamin’ny Eglizy Katolika.

Tamin’ny toe-javatra hafa iray, dia nahita zatovo iray izay naneho fahalianana sy nangataka ahy hiverina ny herinandro nanaraka aho. Tamin’ny fiverenako dia nandray tsara izy ary nanasa ahy handroso an-trano. Akory ny hatairako nahita ny tenako voahodidin’ny andian-jiolahim-boto tanora izay naneso sy nanandrana nila ady tamiko! Niharatsy ilay tarehin-javatra, ary tsapako fa tsy ho ela dia hanafika ahy izy ireo. Nilazako ilay nampandroso an-trano ahy fa raha manino-maninona aho dia ho izy irery ihany no ho tompon’andraikitra, ary fantatry ny fianakaviako hoe taiza aho. Nangataka azy ireo mba hamela ahy handeha aho, ary dia nanaiky izy ireo. Talohan’ny nandehanako anefa, dia nilaza aho fa raha nisy tamin’izy ireo naniry ny hiresaka tamiko mitokana, dia vonona aho. Tatỳ aoriana dia fantatro fa hay izy ireo antokon’olona nirehidrehitra fatratra, naman’ilay pretra teo an-toerana izay nampirisika azy ireo handamina io fivoriana io. Faly aho fa tsy azon’izy ireo.

Tamin’ny voalohany dia mazava ho azy fa niadana sy saiky tsy tsikaritra ny fandrosoana teto Brezila. Teo amin’ny ambaratonga voalohany amin’ny “fambolena” izahay, ka tsy nisy fotoana firy “nanolokoloana” sy “nijinjana” ny vokatry ny asa mafy nataonay. Tadidinay mandrakariva ilay nosoratan’ny apostoly Paoly hoe: “Izaho namboly, Apolosy nandena, fa Andriamanitra no nampitombo. Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy.” (1 Korintiana 3:6, 7). Tamin’ny fahatongavan’ireo roa lahy voalohany nahazo diplaoman’i Gileada tamin’ny 1945, dia tsapanay fa tonga ny fotoana ho an’io fitomboana nandrasana hatry ny ela io.

Fahasahiana niatrika fanoherana

Tsy natao ho tonga tsy nisy fanoherana anefa ny fitomboana, indrindra fa taorian’ny nanombohan’ny Ady Lehibe Faharoa tany Eoropa. Nisy fanenjehana nivantana noho ny olona tamin’ny ankapobeny sy ny manam-pahefana sasany tsy nahatakatra ny toeram-pialanalanana notananay. Indray mandeha, tamin’ny 1940, raha teo am-piasana nitondra takelaka teny amin’ny arabe tao afovoan’i São Paulo izahay, dia nanatona ahy avy tany andamosina ny polisy iray ka nandriatra ilay takelaka niambozonako ary nihazona an-keriny ahy tamin’ny sandriko mba hitondra ahy tany amin’ny paositry ny polisy. Nitoditodika nitady an-draiko aho, fa tsy hita izy. Tsy fantatro akory, fa hay efa nentina tany amin’ilay paositry ny polisy izy sy ny rahalahy ary ny anabavy maromaro, anisan’izany ny Rahalahy Yuille izay nanara-maso ny asa teto Brezila. Araka ny asehon’ilay fehintsoratra fanokafana, dia tany no nahitako indray an’i Dada.

Koa satria aho mbola tsy ampy taona, dia tsy azo notanana, ary tsy ela aho dia nentin’ny polisy iray tany an-trano ka natolony ny reniko. Tamin’io takariva io ihany, dia navoaka koa ireo anabavy. Tatỳ aoriana ny polisy dia nanapa-kevitra ny hamoaka ireo rahalahy rehetra, niisa folo teo ho eo, afa-tsy ny Rahalahy Yuille. Nanizingizina toy izao anefa ireo rahalahy: “Na izahay rehetra no mandeha, na tsy misy aminay mandeha.” Tsy nilefitra ny polisy, koa dia niara-nandany ny alina tao amin’ny efitrano nangatsiaka iray, teo amin’ny gorodona simenitra izy rehetra. Ny ampitson’iny dia navoaka tsy nisy fepetra ny rehetra. Imbetsaka ireo rahalahy no voasambotra noho ny fanaovana fanambarana nitondra takelaka. Ireo sora-baventy dia nanambara lahateny ampahibemaso iray sy bokikely iray nitondra ny lohateny hoe Fasisma na Fahafahana, ary nisy manam-pahefana sasany nihevitra fa izy io dia nidika hoe nomba ny Fasisma izahay, ka nitarika ho amin’ny tsy fahazoan-kevitra.

Nahatonga zava-nanahirana ho an’ireo rahalahy tanora koa ny raharaha miaramila tsy maintsy natao. Tamin’ny 1948, dia izaho no voalohany natao am-ponja noho io raharaha io teto Brezila. Tsy nahafantatra tsotra izao izay tokony hatao tamiko ireo manam-pahefana. Nafindra tany amin’ireo tranon’ny tafika tany Caçapava aho, ary nasaina niasa tamin’ny fambolena sy ny fikarakarana ireo legioma tao amin’ny zaridaina, ary koa tamin’ny fanadiovana ilay efitrano nampiasain’ireo mpitondra fanjakana ho amin’ny fanaovana ady sabatra. Nanana fahafahana betsaka hanao fanambarana sy hametraka zavatra vita an-tsoratra tamin’ireo lehilahy aho. Ilay manamboninahitra mpiandraikitra no voalohany nanaiky bokin’ny Fikambanana iray hoe Enfants. Tatỳ aoriana aho dia voatendry mihitsy hampianatra momba ny fivavahana tamin’ny miaramila sahabo ho 30 na 40 izay tsy afaka nanao fampiasam-batana ka natokana tao amin’ny efitrano iray. Farany, rehefa afaka folo volana teo ho eo tany am-ponja, dia nentina teo amin’ny fitsarana aho ary navoaka. Velom-pisaorana an’i Jehovah izay nanome ahy tanjaka mba hifanandrinana tamin’ireo fandrahonana sy fanambaniana ary fanesoana azoko tamin’ny sasany tamin’ireo lehilahy, aho.

Mpanampy iray mahatoky sy tsy mivadika

Nanambady an’i Barbara aho tamin’ny 2 Jona 1951, ary hatramin’izay dia namana tsy nivadika sy nahatoky izy teo amin’ny fampianarana ireo zanakay sy tamin’ny fitaizana azy ireo tao amin’ny “lalàm-pifehezana sy ny fanabeazana ara-tsaina avy amin’i Jehovah”. (Efesiana 6:4, NW ). Tamin’ireo zanakay dimy, ny efatra dia manompo an’i Jehovah amim-pifaliana amin’ny anjara asa samy hafa. Ny fanantenanay dia ny hanohizan’izy ireo haharitra ao amin’ny fahamarinana sy handraisany anjara amin’ny fandrosoan’ny fandaminana sy ny asa atao, miaraka aminay. Mpanompon’i Jehovah nanolo-tena avokoa ireo anisan’ny fianakaviana izay eo amin’ilay sary miaraka amin’itỳ, afa-tsy ilay kely indrindra, ilay zazakely iray trotroina. Loholona ny efatra sady mpisava lalana maharitra koa ny roa amin’ireo loholona, ka izany dia manazava ny fahamarinan’ny Ohabolana 17:6 manao hoe: “Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; ary voninahitry ny zanaka ny rainy.”

Eo amin’izao faha-68 taonako izao, dia tsy dia mahafa-po loatra ny fahasalamako. Tamin’ny 1991, dia intelo nodidiana aho ho familiana lalan-dra tsentsina ary tatỳ aoriana dia natao angioplastie. Kanefa dia faly aho afaka manohy manompo amin’ny maha-mpiandraikitra prezidà ahy ao amin’ny kongregasiona iray eto São Bernardo do Campo, manaraka ny dian’ny raiko izay anisan’ireo voalohany nanomboka ny asa teto. Manokana tokoa ny taranaka misy antsika, manana fahafahana handray anjara amin’ilay tombontsoa tsy manam-paharoa hanambara ny fiorenan’ilay Fanjakana Mesianikan’i Jehovah. Koa tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana ny tenin’i Paoly tamin’i Timoty hoe: “Fa hianao kosa (...) ataovy ny asan’ny evanjelista, tanteraho [amin’ny fomba feno, NW ] ny fanompoanao.” — 2 Timoty 4:5.

[Sary, pejy 23]

Ny ray aman-dreniko: Estefano sy Juliana Maglovsky

[Sary, pejy 26]

José sy Barbara miaraka amin’ireo anisan’ny fianakaviany izay samy mpanompon’i Jehovah nanolo-tena

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara