FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w90 15/11 p. 4-7
  • Tokony hanapaka ny fiainanao ve ny anjara?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tokony hanapaka ny fiainanao ve ny anjara?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo vokatry ny finoana ny lahatra sy ireo toetra tsaran’Andriamanitra
  • Finoana ny anjara sy zava-misy
  • Vokatra mampidi-dozan’ny finoana ny lahatra
  • Moa ve manapaka ny fiainanao ny finoana ny anjara?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Mampianatra ny Finoana ny Anjara ve ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Anjara ve, sa Kisendrasendra?
    Mifohaza!—1999
  • Ireo Loza — Lahatra sa Zavatra Mpitranga?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
w90 15/11 p. 4-7

Tokony hanapaka ny fiainanao ve ny anjara?

EO AMIN’NY lisitra, ny hany olona tsy mba nino ny anjara dia i Jesosy Kristy. Ahoana ny fomba fiheviny?

Ny fitantarana momba ny fiainan’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany (ny bokin’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona ao amin’ny Baiboly) dia manoritra ny finoany fa mety hanan-kery eo amin’ny hoaviny ny tsirairay, izany hoe, eo amin’izay mitranga aminy.

Niteny, ohatra, i Jesosy fa Andriamanitra dia “hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy” ary ny olona izay “maharitra [miaritra, MN ] hatramin’ny farany no hovonjena.” Mitovy amin’izany, rehefa tsy niraharaha ny fampitandremana izay ho namonjy ny ain’izy ireo ny mponina tao Jerosalema dia tsy ny anjara no noheverin’i Jesosy ho nahatonga ny fihetsik’izy ireo. Hoy kosa izy: “Tsy nety hianareo.” — Matio 7:7-11; 23:37, 38; 24:13.

Azontsika fantarina koa ny fomba fijerin’i Jesosy, amin’izay nomarihiny ny amin’ny loza nahafaty nitranga tao Jerosalema, manao hoe: “Ireny valo ambin’ny folo ireny, izay nianjeran’ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny? Tsia, hoy Izaho aminareo.” (Lioka 13:4, 5) Mariho fa tsy nilaza ny anton’ny nahafatesan’ireo 18 ho noho ny anjara i Jesosy, na nilaza fa maty izy ireo satria ratsy nihoatra noho ny hafa. Tsy toy ireo fariseo tamin’ny androny, izay nanandrana nampifanaraka ny finoana ny lahatra tamin’ny finoana ny amin’ny safidy malalaky ny olombelona i Jesosy fa nampianatra kosa fa mety hiankina amin’ny olona iray ny hoaviny manokana.

Nampianatra toy izany koa ireo apostolin’i Jesosy fa safidy natao ho an’ny rehetra ny famonjena. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena.” Ary hoy ny apostoly Petera: “Tahaka ny zaza voa teraka dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin’izany ho amin’ny famonjena.” (2 Timoty 3:15; 1 Petera 2:2; jereo koa Asan’ny apostoly 10:34, 35; 17:26, 27.) Ny Encyclopoedia of Religion and Ethics nosoratan’i Hastings dia manamarika fa ireo mpanoratra tamin’ny taonjato faharoa sy fahatelo toa an-dry Justin, Origène, ary Irénée, dia ‘tsy nahalala na inona na inona momba izay lahatra kisendrasendra; ny safidy malalaka no nampianariny.’

Nefa, raha maro be no nino ireo endriky ny finoana ny lahatra, anisan’izany ireo Jiosy maro nanodidina azy, nahoana i Jesosy sy ny kristiana voalohany no tsy nino fa voatendry ny anjaran’ny olombelona? Ny antony iray dia noho ilay hevitra vesaran-java-manahirana. Raha roa no resahina dia: mifanohitra amin’ireo toetra tsaran’Andriamanitra ny anjara; toherin’ny zava-misy voaporofo izy io. Ambonin’izany, dia mety hampidi-doza ny fiainanao ankehitriny sy amin’ny hoavy izy io. Ny fijerena akaiky kokoa no hampiseho anao ny maha-toy izany azy.

Ireo vokatry ny finoana ny lahatra sy ireo toetra tsaran’Andriamanitra

Tany amin’ny taonjato fahatelo al. fan. ir. ilay filôzôfa natao hoe Zénon de Cittium dia nampianatra ireo mpianany tany Atena mba “hanaiky amin’ny fomba miafina ny lalan’ny Anjara ho toy ny tsara indrindra.” Indray andro, anefa, rehefa fantatr’i Zénon fa meloka ho nangalatra ny andevony dia nifoteran’ny vokatry ny filôzôfiany ihany izy. Ahoana izany? Rehefa nikapoka ilay mpangalatra izy dia namaly ilay andevo hoe: “Kanefa efa voalahatra fa tokony hangalatra aho.”

Marina ny nolazain’ilay andevon’i Zénon. Raha mino ianao fa efa voafetra mialoha ny fizotran’ny fiainan’ny olona tsirairay, ny fanamelohana olona iray noho izy nanjary mpangalatra dia tsy misy hafa amin’ny fanamelohana voam-boasary iray nanjary foto-boasary. Rehefa dinihina tokoa, dia mitombo fotsiny araka ny fandaharana iray ny olombelona sy ny voam-boasary. Inona anefa no vokatra faran’ny fanjohian-kevitra toy izany?

Mazava fa raha manaraka fotsiny ny anjarany ny mpanao heloka bevava, dia izay nanendry ny anjarany àry izany no tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataony. Iza izany? Araka ny voalazan’ireo mpino ny anjara dia Andriamanitra ihany. Raha halalinina kokoa ihany io fanjohian-kevitra io, dia Andriamanitra izany no Rangory fototry ny afo amin’ny heloka bevava, ny herisetra, ary ny fampahoriana rehetra nataon’ny olona hatramin’izay. Manaiky izany ve ianao?

Marihin’ny lahatsoratra iray ao amin’ny Nederlands Theologisch Tijdschrift (Gazety holanday momba ny Teôlôjia) fa ny fiheverana miorina amin’ny anjara toy izany dia “mampiseho endrik’Andriamanitra, izay tsy azo tohanana, ho an’ny kristiana fara faharatsiny.” Nahoana? Satria izy io mifanohitra amin’ny endrik’Andriamanitra asehon’ny mpanoratra ny Baiboly ara-tsindrimandry. Mariho, ohatra, ireto teny nalaina avy ao amin’ny bokin’ny Salamo ara-tsindrimandry ireto: “Tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao.” “Fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ny fanahiny.” “Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy [ny Mpanjaka mesianika voatendrin’Andriamanitra].” (Salamo 5:4; 11:5; 72:14) Miharihary fa ny vokatry ny anjara sy ireo toetran’Andriamanitra dia mifanipaka tanteraka.

Finoana ny anjara sy zava-misy

Nefa, ahoana ny amin’ireo loza araka ny natiora? Moa ve izy ireny tsy efa voalahatra hiseho ka noho izany dia tsy azo sakanana?

Inona no asehon’ny zava-misy voaporofo? Mariho ny vokatry ny famotopotorana momba ny antony mahatonga ny loza araka ny natiora, araka ny voalazan’ny gasety holanday NRC Handelsblad hoe: “Hatramin’izao, ireo horohorontany, tondra-drano, fihotsahan’ny tany, ary rivo-doza (. . .) dia heverina mandrakariva ho haitraitry ny natiora. Kanefa, ny fandinihana akaiky kokoa dia mampiseho fa ny fitsabahan’ny olombelona lalina ao amin’ny natiora dia tena nanimba ny fahafahan’ny tontolo iainana hiaro tena amin’ny loza lehibe. Vokatr’izany dia amoizana ain’olona bebe kokoa noho ny teo aloha ny loza araka ny natiora.” — Izahay no manipika.

Ny tondra-drano tany Bangladesy noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha dia ohatra ny amin’izany. Milaza izao ny mpahay siansa fa “ny fandripahana ny ala midadasika any Nepal sy India Avaratra ary Bangladesy dia antony lehibe nahatonga ny tondra-drano nampahory an’i Bangladesy tamin’ireo taona faramparany. (Gazety Voice) Milaza ny tatitra hafa iray fa mampitombo ny tahan’ny tondra-drano any Bangladesy izay iray isaky ny 50 taona ho iray isaky ny 4 taona ny fikapana ny ala. Ny fisalovanan’ny olombelona amin’ny natiora sahala amin’izany any amin’ny faritra hafa amin’ny tany dia nitarika vokatra nampidi-doza tahaka izany koa — haintany, doro ala, ary fihotsahan’ny tany. Eny, ny ataon’ny olombelona — fa tsy ny anjara mifono zava-miafina — no matetika miteraka na mampitombo ny loza araka ny natiora.

Raha izany no izy, dia tokony hahavita ny mifanohitra amin’izany koa ny ataon’ny olombelona: mampihena ny loza. Izany ve no izy? Izany tokoa. Hevero ireto zava-misy ireto: Mitantara ny UNICEF (United Nations Children’s Fund) fa nandritra ny taona maromaro dia an-jatony maro ny ankizy ao amin’ny faritr’i Bangladesy no nanjary jamba. Moa ve izany avy amin’ny anjara tsy azo ovana? Tsy izany mihitsy. Taorian’ny nampaneken’ny mpiasan’ny UNICEF ny renim-pianakaviana tany hamahana ny zanany, tsy amin’ny vary ihany fa main’ny voankazo sy legioma koa, dia nanomboka nisava ilay areti-maso. Hatramin’izao, izany fiovan-tsakafo izany dia namonjy ankizy an-jatony maro any Bangladesy tamin’ny fahajambana.

Sahala amin’izany koa, ny olona tsy mifoka dia miaina eo amin’ny telo ka hatramin’ny efatra taona amin’ny antsalany mihoatra noho ny olona mifoka. Ny mpandeha fiarakodia manao fehinkibon-tseza dia tsy mba voan’ny loza mahafaty firy toy ireo izay tsy manao izany. Miharihary fa izay ataonao fa tsy ny anjara no mifehy ny fiainanao.

Vokatra mampidi-dozan’ny finoana ny lahatra

Araka ny efa voalaza, dia mety hanafohy ny fiainanao koa ny finoana ny anjara. Ahoana izany? Milaza toy izao ny Encyclopedia of Religion raha miresaka ny amin’ny “ohatra momba ny finoana ny anjara mbola mahatsiravina kokoa”: “Avy amin’ny Ady lehibe faharoa no ahafantarantsika ny amin’ny famelezan’ny baomba famonoan-tena japone sy ny famonoan-tena tao amin’ny faritry ny SS (Schutzstaffel) nandritra ny fanapahan’i Hitler, noho ny fiheverana ny amin’ny lahatra (Schicksal), heverina ho ambony lavitra noho ny vidin’ny ain’ny olombelona tsirairay.” Ary vao haingana kokoa, hoy io boky io ihany, “ny famonoan-tena ampirisihin’ny fivavahana natao hamelezana lasibatra heverina fa ho fandrahonana ho an’ny Silamo (. . .) dia najary saika matoan-dahatsoratra miseho tsy tapaka ao amin’ny fitantaran’ireo gazety any Atsinanana Akaiky. An’arivony maro ireo miaramila tanora nandroso ho amin’ny ady, hoy ny fitantarana toy izany, satria nino mafy izy ireny fa “raha tsy voasoratra fa ho faty ny olona iray, dia tsy hiharan-doza izy.”

Nefa, na dia ny mpampianatra Silamo hajaina sasany aza dia manohitra ny fihetsika sahisahy ratsy toy izany. Nilaza toy izao, ohatra, ny filoha ara-pivavahana Silamo iray: “Izay ao anaty afo dia tokony hanaiky fotsiny ny sitrapon’Andriamanitra; nefa izay mbola tsy ao kosa dia tsy mila ny manipy tena any.” Mampalahelo fa miaramila maro dia maro no tsy manao zavatra araka ny torohevitr’ilay filoha ara-pivavahana Silamo. Nandritra ny valo taona nisian’ny ady teo ho eo, tany Iran dia notombanana ho 400 000 ny isan’ny maty — fahafatesana an’ady betsaka kokoa noho izay hitan’i Etazonia nandritra ny Ady lehibe faharoa! Mazava fa mety hanafohy ny fiainanao ny finoana ny anjara. Mety hahatandindomin-doza ny fiainanao ho avy aza izy io. Ahoana izany?

Koa satria ny olona iray mpino ny anjara mino fa tsy azo ovana ny hoavy sady efa voatendry mialoha, dia mety hamboly toetra mampidi-doza mora foana izy. Toetra inona? Mamaly toy izao ny Encyclopedia of Theology (Firaketana momba ny teôlôjia): “Ilay olona (. . .) dia mahatsapa ho tsy afa-manoatra, ho toy ny zavatra iray tsy dia manao ahoana sy azo soloana ao amin’ireo fisehoan-javatra toa tsy azo ihodivirana. Izany dia miteraka tsy fanaovana na inona na inona mifanaraka amin’ilay fanazavana miorina amin’ny finoanoam-poana hoe ny zavatra rehetra dia miankina amin’ny anjara iray mifono ankamantatra nefa ambony.

Inona no mahatonga ny tsy fanaovana na inona na inona hampidi-doza aoka izany? Mitarika ho amin’ny fihetsika mampiseho faharesena sahady tsy misy heviny izy io matetika. Izany dia mety hisakana ny mpino ny anjara tsy hanombo-javatra na tsy hamaly ity fanasana mahatalanjon’Andriamanitra ity mihitsy aza: “He! hianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ny rano! (. . .) Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko, — mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo.” (Isaia 55:1-3) Raha toa ny finoana ny anjara ka misakana tsy ‘ho any’ sy tsy ‘hihaino’ izany dia hahatonga azy tsy hahay hanararaotra ny fahafahana “ho velona” mandrakizay ao amin’ny paradisa ho avy haorina eto an-tany. Lafo loatra ny vidiny tsy maintsy aloa!

Aiza àry no misy anao? Raha toa ianao ka nitombo tao amin’ny fitambaran’olona, izay ny fiheverana ny amin’ny anjara no iorenan’ny fomba fihevitry ny olona, dia nety ho nanaiky ilay finoana tsy nisy fanadihadiana ianao. Kanefa, ireo fanoherana noresahina tato amin’ity lahatsoratra ity dia nety ho nanampy anao hahita amin’ny lafiny lehibe fa volavolain’izay ataon’ny tenanao ny fiainanao ankehitriny sy ho avy.

Araka ny hitanao teo, ny fandrindran-kevitra, ny zava-misy, ary ambonin’ny zavatra rehetra, ny Soratra masina, dia mampiseho fa tsy tokony hanaraka fihetsika mampiseho faharesena vokatry ny finoana ny anjara ianao, fa hanao araka ny nampirisihan’i Jesosy hoe: “Miadia mafy (. . .) mba hiditra amin’ny varavarana ety.” (Lioka 13:24, The Emphatic Diaglott, interlinear reading) Inona no tiany holazaina? Manazava toy izao ny mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly anankiray: “Ilay teny [miadia mafy] dia nalaina avy amin’ireo lalao grika. Teo amin’ny fihazakazahany (. . .) izy ireo dia nikatroka, na niady mafy, na nanao izay tratry ny heriny mba hahazoana fandresena.” Toy izay hanaiky ho resy eo amin’ny fiainana dia nampirisika anao i Jesosy mba tsy hiady afa-tsy ho an’ny fandresena.

Noho izany, dia ialao izay mety ho tsy fanaovana na inona na inona ateraky ny finoana ny anjara. Midira amin’ny fihazakazahana ho amin’ny fiainana araka ny ampirisihan’ny tenin’Andriamanitra, ary aza avela hampitaredretra anao ny finoana ny anjara. (Jereo 1 Korintiana 9:24-27.) Hafaingano ny dia amin’ny famaliana haingana ny fanasana ara-tsindrimandry manao hoe: “Mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao.” Ahoana ny hanaovanao izany safidy izany? “Dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy.” Hitondra ho amin’ny fandresena ny fanaovana toy izany, mba ho Jehovah no ho “fiainanao sy fahamaroan’ny andronao.” — Deoteronomia 30:19, 20.

[Sary, pejy 7]

Tsy nitory ny anjara i Mosesy fa nampirisika hoe: “Mifidiana ny fiainana mba ho velona hianao.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara