‘Areti-mandringana any Amin’ny Tany Samihafa’
IREO areti-mandringana miitatra tsy misy toy izany dia lafiny iray voambara mialoha ao amin’ny ‘famantarana ny fanatrehan’i Jesosy Kristy sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra.” (Matio 24:3). Manampy an’io antsipiriany tsy voaresaka ao amin’ny fitantaran’i Matio sy i Marka io i Lioka, mpanoratra Filazantsara. (Matio, toko faha-24 sy 25; Marka, toko faha-13). Hisy fielezan’areti-mifindra sy areti-mandringana hitranga “any amin’ny tany samy hafa” amin’ny andro farany. (Lioka 1:3; 21:11). Nety ho avy taiza ny aretina toy izany?
“Ireo mpahay siansa dia mahafantatra momba ny viriosy maromaro miotrika any amin’ireo trôpika, izay — raha atosiky ny herin’ny natiora kely fotsiny — dia mety hiteraka famoizana aina betsaka kokoa noho izay azo ampoizina hateraky ny valanaretina SIDA”, hoy ny ambaran’ny gazety Science News. “Na dia tsy miova aza ny lisitr’ireo viriosy eo amin’izao tontolo izao, hoy ireo mpikaroka, dia efa mitahiry viriosy ampy hery handringanana ampahany be dia be amin’ny mponina amin’ny tany ireo trôpika.”
Izay mahatonga ny antsika ho vanim-potoan’ny fetezan-kandairan’aretina mitombo, dia ny mponina eto an-tany mivangongo sy ny zavatra betsaka kokoa ilain’ny tontolo hipoka iray. “Asehon’ny tantara fa nisy foana ny fielezana viriosy mandrahona ny aina rehefa nifindra nankany amin’ny faritra vaovao ny olona na rehefa nihasimba tamin’ny fomba izay nitarika fisiana viriosy ny toe-piainana an-drenivohitra”, hoy ny Science News. Rehefa mankamin’ny faritra nisy viriosy izay tsy azo naleha teo aloha ny olona, dia matetika no misy areti-mandringana vaovao ateraky ny viriosy. Mitranga ny mitovy amin’izany rehefa manitatra ny faritra misy azy ireo bibikely amin’ny fotoana iovan’ny toetr’andro manerana ny bolantany. “Fanampin’izany”, hoy ilay gazety, “ireo teknôlôjia momba ny fitsaboana amin’ny andro ankehitriny, toy ny fampidiran-dra sy ny famindrana taova, dia nanome fitaovam-pitaterana vaovao ho an’ny viriosy hidirany amin’ny olona. Toy izany ny amin’ireo fiovana ara-tsosialy sy ara-pitondrantena isan-karazany, tafiditra amin’izany ny fandehanana mitety tany ataon’ireo mpanankarena sy olo-malaza ary ny fifandimbasana fampiasana fanjaitra itsindronana ataon’ireo mpidoroka zava-mahadomelina koa.”
“Ny tantara vao haingana dia manome ohatra velona ny amin’ny fifandonan’ny viriosy any amin’ireo faritra mitokana, izay mety ho fambara ny amin’ny fielezana miitatra kokoa amin’ny hoavy”, hoy ny nanampin’ilay lahatsoratra. Ohatra: ny viriosin’i Marburg tsy fantatra teo aloha, ny viriosy trôpikaly mahafaty iray izay nahavery hevitra mpahay siansa am-polony maro tany Alemaina Andrefana tamin’ny faramparan’ireo taona 1960; ny viriosy nahatonga ilay fanaviana atao hoe Rift Valley izay nahavoa olona an-tapitrisany maro ary nahafaty an’arivony maro tany Egypta tamin’ny 1977; ny viriosy trôpikaly atao hoe Ebola izay nahavoa olona maherin’ny arivo tany Zaïre sy Soudan tamin’ny 1976 ary nahafaty olona efa ho 500, ka ny maro tamin’ireo dia dokotera sy mpanampy azy nitsabo olona voan’izy io.
Mahalana ny famelezan’ny viriosy mandringana no azo tilina mialoha. “Tamin’ny 1918, ohatra, dia nisy karazana sery mpahazo ny olona, mifindra sady mahery indrindra, niely nanerana ny bolantany, ary nahafaty olona notombanana ho 20 tapitrisa”, hoy ny Science News. “Vao haingana kokoa izao ny fitrangan’ny viriosy iray azo ampoizina fa tsy nitoetra afa-tsy tao amin’ireo rajako tatsy Afrika ihany fahiny, tao amin’ny olombelona, dia namely tampoka an’izao tontolo izao indray. Ny viriosina SIDA ankehitriny dia mahavoa olona 5 tapitrisa ka hatramin’ny 10 tapitrisa any amin’ny tany 149, araka ny anombanan’ny OMS azy. Na dia eo aza io areti-mandringana vao haingana dia haingana manintona ny saina io, dia mbola misy zavatra mahatahotra kokoa miandry antsika, hoy ireo manam-pahaizana maro momba ny viriosy feno fanahiana.”
Na dia mahaketraka toy inona aza ireo areti-mandringana dia anisan’ilay famantarana misy lafiny maro momba ny fanatrehan’i Jesosy ao amin’ny voninahitry ny Fanjakany izy ireo, miaraka amin’ny lafiny hafa toy ny ady sy mosary ary horohorontany lehibe. (Marka 13:8; Lioka 21:10, 11). Ireo lafiny ireo koa dia antony tokony hahafaly satria nanampy ny tenin’i Jesosy toy izao i Lioka: “Ary raha vao miandoha izany zavatra izany, dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo, fa manakaiky ny fanavotana anareo.” — Lioka 21:28.