FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w93 15/2 p. 7
  • Mifalia Noho Ilay Tany Voadio ho Avy Tsy ho Ela!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mifalia Noho Ilay Tany Voadio ho Avy Tsy ho Ela!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • Paradisa sa Toerana Fanariam-pako — Iza Amin’ireo no Tianao Kokoa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Fanafoanana ny Fandotoana — Avy ao Am-po sy avy ao An-tsaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Tian’i Jehovah ny Olona Madio
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Inona Marina no Atao hoe Fahadiovana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
w93 15/2 p. 7

Mifalia Noho Ilay Tany Voadio ho Avy Tsy ho Ela!

EDRE ny hafaliantsika! I Jehovah, izay Andriamanitry ny filaminana sy ny fahadiovana, dia hanatanteraka ny fikasany tany am-boalohany hahatonga ny tany ho paradisa maneran-tany! (Isaia 11:6-9). Nampanantena toy izao izy: “Ny teniko izay aloaky ny vavako: [dia] tsy hiverina amiko foana (...) raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako”. ‘Tsy mahay mandainga Andriamanitra’, koa tsy teniteny foana akory ireo. — Isaia 55:11; Hebreo 6:18.

Afaka ny ho maivamaivana isika satria i Jehovah dia hisalovana amim-pitiavana alohan’ny hahatongavan’ny olombelona eo amin’ny lalana tsy azo iverenana intsony, alohan’ny tsy hahazoana mampijanona intsony ny firodanana tanteraka eo amin’ny tontolo iainana! — Apokalypsy 11:18.

Hanaisotra ireo mpandoto tsy azo fehezina sy tsy mibebaka ary ireo olona tsy miraharaha amim-pikomiana ny fotopoto-pitsipiny momba ny filaminana sy ny fahadiovana i Jehovah. Tsy hisy mihitsy olona homen-dalana hampisetra loza ilay Paradisa tafaorina indray. — Ohabolana 2:20-22.

Mandritra ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, eo ambany fitarihan’i Kristy Jesosy, ny olombelona dia hampianarina ny fomba hanafoanana izay mety ho antony mahatonga fandotoana ara-batana mbola tavela. Amin’izay — fa tsy amin’izao akory — ny mpanompon’Andriamanitra rehetra dia tsy maintsy hiditra amim-paharisihana ao amin’ilay fandaharana hataon’ny tena manokana na hiarahan’ny daholobe manao, izay handray anjara amin’ny fanadiovana maneran-tany mbola tsy nisy toy izany. — Ampitahao amin’ny Ezekiela 39:8-16.

Ireo ho tafita velona amin’ny faran’ity fandehan-javatra ratsy ity dia hanohana io fandaharam-panadiovana ara-batana io amim-pandavan-tena sy zotom-po toy izay entin’izy ireo mandray anjara amin’ilay asa fanadiovana ara-panahy amin’izao andro izao. — Salamo 110:3.

Azo antoka fa ho avy ny tany voadio iray izay hialohavan’ilay asa fanadiovana lehibe indrindra hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ho voaesotra izay soritra rehetra navelan’ny fandotoana. Tsy hisy soratsoratra eny amin’ny rindrina intsony na aiza na aiza. Tsy hisy intsony ny fakofakon-tavoahangy, fatin-kapoaka, harona plastika, fonon-tsiligaoma sy fonom-batomamy, gazety sy gazetiboky hameno fako ny torapasika na ny faritra manokana toy ny paradisa.

Mifalia noho ilay tany voadio ho avy tsy ho ela!

[Sary, pejy 7]

Handray anjara amin’ny fanadiovana maneran-tany hitranga tsy ho ela ve ianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara