Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Mahery Noho Ireo Fahavalony i Jehovah
NIEZAKA hatramin’ny ela ny hanakantsakana ny fitoriana ny vaovao tsara tamin’ny alalan’ny fivavahan-diso sy ny spiritisma ny Devoly sy ireo demoniany. Miresaka ny amin’ny fikasan-dratsin’i Satana ny Baiboly ao amin’ny 2 Korintiana 4:4, izay milaza fa ‘manajamba ny sain’ny tsy mino ny andriamanitr’izao tontolo izao, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, izay endrik’Andriamanitra’.
Kanefa mahery noho i Satana i Jehovah Andriamanitra. Tsy misy zavatra azon’ny fahavalon’i Jehovah atao mba hisakanana ny fahatanterahan’ny sitrapon’Andriamanitra, dia ny hoe “ny [karazan’olona, NW ] rehetra hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina”. (1 Timoty 2:4). Manasongadina izany ireto tatitra manaraka avy amin’ireo mpitory ilay Fanjakana any Aostralia ireto.
◻ Taorian’ny fisarahana tamin’ny fivavahana nandritra ny 20 taona, ny vehivavy iray dia nanomboka namaky indray ny Baiboly. Izany fahalianana tamin’ny Baiboly nohavaozina indray izany dia nahatonga azy hanana fanontaniana maro, koa nivavaka tamin’Andriamanitra izy mba hanampy azy hahita ireo valiny. Naniry ny hikaroka ny fahamarinana izy, kanefa fantany fa tsy handamina ny zava-nanahirana azy ny fiverenana tany amin’ny fivavahany taloha. Nanomboka ny fikarohany kosa izy tamin’ny fitsidihana fivarotana boky efa nampiasaina ary nanontany raha nanana boky momba ny fivavahana ry zareo.
Tadidin’ilay tompon’ny fivarotana fa nanana boky ara-pivavahana iray izy, tsy tao amin’ilay fivarotana, fa tany an-trano. Ny lohatenin’ilay boky dia hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa Eto An-tany, natontan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Namaky tamim-pahadodonana ilay boky ilay vehivavy ary nahita ny valin’ny maro tamin’ireo fanontaniany ara-baiboly. Taorian’ny nikarohany ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny annuaire-na telefaonina, dia nifandray tamin’izy ireo izy tamin’ny farany ary nanomboka nianatra ny Baiboly tsy tapaka.
◻ Nanofa ny asan’ny gazety iray teo an-toerana ny vehivavy tanora iray mba hanao dokam-barotra amin’ny fivarotana ody atao fiaro iray. Ilay dokam-barotra dia nanisy firesahana azy io ho ‘ody atao fiaro iray tamin’ny Moyen Age izay tena mahery’. Nahamarika ilay dokam-barotra ny Vavolombelon’i Jehovah iray. Nanapa-kevitra ny hiantso ilay nomeraon’ny telefaonina nomena izy ary niresaka tamin’ilay vehivavy momba ny loharanon’izay heverina fa herin’ilay ody atao fiaro. Nisy dinika momba ny fiheveran’ny Baiboly ny amin’ny asan’ny demonia nanaraka izany. Nampahafantarin’ilay vehivavy tanora nanana ilay ody atao fiaro fa iray andro monja talohan’izay, dia nivavaka tamin’Andriamanitra izy mba hanampy azy tamin’ny zava-nanahirana azy tamin’ireo demonia. Nanao fandaharana ilay Vavolombelona mba hanaovana dinika hafa amin’ny alalan’ny telefaonina.
Rehefa niantso izy, dia tsy tao an-trano ilay vehivavy tanora. Namaly tao amin’ny telefaonina ny reniny ary niteny hoe: “Tsy fantatro izay nolazainao tamin’ny zanako vavy, fa izay nitranga dia fahagagana!” Notantarainy fa taorian’ilay antso an-telefaonina voalohany, dia nanary ireo sariny sy bokiny satanika rehetra ny zanany vavy ary nanomboka namaky ny Baiboly.
Fotoana fohy taorian’izay, dia natao ny fandaharana mba hitsidihana manokana an’ilay vehivavy tanora. Nanaiky avy hatrany fianarana tsy tapaka ny Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nanomboka nifanerasera tamin’ny Vavolombelona koa izy tamin’ny fanatrehana ireo fivoriana kristiana nalamin’izy ireo. Tamin’izay indray, i Jehovah dia nandresy ireo demonia tamin’ny fanaovana izay hamirapiratan’ny fahalalana araka ny marina momba ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly.