Ny Troubadours — Tsy Mpihira Hiram-pitiavana Fotsiny
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY FRANTSA
TROUBADOUR sy mpihira nandehandeha — mampahatsiahy inona anao ireo teny ireo? Angamba hira mitory fitiavana mihaja na lehilahy mahay manaja. Tsy diso hevitra ianao, saingy tsy izany fotsiny no nataon’ny troubadours. Na dia fantatra tsara indrindra amin’ny canso d’amor, na hiram-pitiavana, aza, izy ireo — ary matetika indrindra, araka izany, no aseho an-tsary mitendry karazana mandôlina eo am-pikalokaloana takariva ho an’ny vehivavy iray — dia tsy ny fitiavana akory no hany zavatra nasiany fiheverana. Tafiditra tamin’ny raharaha sosialy sy ara-politika ary ara-pivavahana maro tamin’ny androny ny troubadours.
Nahatratra ny fara heriny ny troubadours nandritra ny taonjato faha-12 sy faha-13, nanerana ilay faritra atsimon’i Frantsa ankehitriny. Poety nahay mozika izy ireo, ary nanoratra tamin’ilay fiteny mihaja indrindra tamin’ny fitenim-paritra romance rehetra. Izy io dia nantsoina hoe langue d’oca — ny fitenim-paritra nampiasaina saika nanerana ny faritra atsimon’ny Ony Loire, teto Frantsa, sy tany amin’ireo faritra nanamorona an’i Italia sy i Espaina.
Iadian-kevitra be ny niavian’ny teny hoe “troubadour”, saingy toa avy amin’ny matoanteny occitan hoe trobar, izay midika hoe “mamoron-kira, mamorona, na mahita”, izy io. Araka izany, ny troubadours dia afaka nahita ny teny na ny rima nifanentana tamin’ny tononkalony kanto. Nasiana mozika sy nohiraina ny poeziany. Nitety tanàna ny troubadours, matetika no nisy mpilalao matihanina nantsoina hoe mpanao tanisa, niaraka taminy. Nampiasa harpa, lokangam-bazaha, sodina, karazana mandôlina, na gitara, izy ireo, rehefa nihira. Mazàna no anisan’ny fampialana voly ny filalaovana mozika, na tao an-tranon’ny mpanan-karena izany, na teny an-tsena, na tany amin’ny fifaninanana miady, tsenabe, lanonana, na fety.
Fiaviana samy hafa
Avy tamin’ny fiaviana maro samihafa ireo troubadours. Ny sasany teraka tao amin’ny fianakaviana nanan-daza; vitsivitsy no mpanjaka; ary ny hafa avy tamin’ny saranga ambany kokoa no nisondrotra ho troubadour. Ny sasany nanjary nalaza be. Maro taminy no nahita fianarana ambony sady nitety tany maro. Samy nahazo fampiofanana be dia be momba ireo fitsipika arahina raha ny amin’ny fahaiza-manaja vehivavy, ny fahalalam-pomba, ny poezia, sy ny mozika, izy rehetra. Lazain’ny loharanon-kevitra iray fa ny troubadour tsara iray dia nantenaina “hahafantatra tanteraka ny vaovao farany rehetra, hanao tsianjery ny thèses mendri-komarihina rehetra avy tany amin’ny oniversite, hahafantatra tsara ny raharaha nahafa-baraka momba ny ankohonan’ny mpanjaka, (...) ho afaka hamorona tononkalo ho an’ny andriandahy na andriambavy teo no ho eo, sy hahay hilalao zavamaneno roa, fara fahakeliny, izay tian’ny olona tao an-dapa tamin’izay fotoana izay”.
Nampanan-karena be ireo faritra atsimon’i Frantsa ny fandrosoan’ny varotra tamin’ny taonjato faha-12. Tonga niaraka tamin’ny firoboroboan-karena ny fialam-boly, ny fampianarana, sy ny fitiavan-javatra ambony momba ny zavakanto sy ny fomba fiaina nirenty. Ireo andriandahy sy andriambavy lehibe tany Languedoc sy Provence no fatra-panohana indrindra ny troubadours. Nohajaina fatratra ireo poety ka nanjary nanan-kery nitaona lehibe teo amin’ny fitiavan-javatra sy ny lamaody ary ny fomba amam-panaon’ny andriana. Izy ireo no namorona ny dihy iarahan’olon-droa tatỳ Eoropa. Milaza anefa ny The New Encyclopædia Britannica fa “ny zava-bitany lehibe indrindra, dia ny namoronany nanodidina ireo andriambavy tao an-dapa, rivo-piainana nanjakan’ny fitiavan-javatra mihaja sy ny fahalalam-pomba izay tsy nisy tahaka azy mihitsy hatramin’izay”.
Fanajana vaovao ny vehivavy
Rehefa manokatra varavarana ho an’ny vehivavy iray ny lehilahy iray, manampy azy hampiditra ny akanjo mafanany, na mampiseho ny iray amin’ireo endriny maro amin’ny fomba fanajana hoe “ny vehivavy aloha”, hita tatỳ Eoropa Andrefana hatramin’ny taonjato maro, dia manohy ilay fanao izay azo inoana fa natomboky ny troubadours izy.
Nanan-kery nitaona lehibe teo amin’ny fihetsiky ny olona tamin’ny Moyen Âge nanoloana ny vehivavy ireo fampianaran’ny eglizy, izay nihevitra ny vehivavy ho tompon’andraikitra tamin’ny nanotan’ny lehilahy sy ny nandroahana azy avy tao amin’ny Paradisa. Noheverina ho mpaka fanahy, fitaovana nampiasain’ny Devoly, mpampahory tsy azo nialana, ny vehivavy. Matetika no noheverina ho toe-piainana nietry ny fanambadiana. Namela ny hikapohan’ny lehilahy ny vadiny sy ny hisarahany taminy, ny lalàn’ny eglizy, izay nandray anjara tamin’ny fampietrena sy ny fanjakazakana tamin’ny vehivavy. Saika tamin’ny lafiny rehetra no niheverana ny vehivavy ho ambany noho ny lehilahy. Noho ny fahatongavan’ny troubadours anefa, dia nanomboka niova ny toe-tsain’ny lehilahy.
I William IX, Andriana tany Aquitaine, no troubadour fantatra voalohany indrindra. Ny poeziany no voalohany nirakitra ny fomba fiheverana tsy manam-paharoan’ny troubadour ny atao hoe fitiavana, izay nanjary nantsoina hoe fitiavana mihaja. Niantso azy io hoe verai’amors (fitiavana marina), na fin’amors (fitiavana tsara dia tsara), ireo poety tany Provence. Nitondra fivoarana izy io, satria tsy napetraka intsony teo amin’ny toerana ambany dia ambany noho ny lehilahy ny vehivavy, nanomboka hatreo.
Nanome fahamendrehana sy voninahitra ary fanajana lehibe ny vehivavy ny poezian’ny troubadour. Nanjary sary velon’ny toetra ambony sy tsara ny vehivavy. Nisy hira sasany naneho fitarainana noho ny tsy niraikan’ilay vehivavy tian’ilay mpihira izay nikalo ny fitalanjonany taminy. Fara faharatsiny, tamin’ny teôria, dia tokony hitoetra ho nadio ny fitiavan’ilay troubadour. Tsy ny hahazoana ilay vehivavy akory no zava-nokendreny voalohany indrindra, fa ny hananany fahatsaram-pitondran-tena noho ny fitiavany an’ilay vehivavy. Mba hahatonga ny tenany ho mendrika, ilay poety nikendry ny hahazo ilay vehivavy dia voatosika mafy hamboly fanetren-tena, fifehezan-tena, faharetana, tsy fivadihana, sy ireo toetra ambony rehetra nananan’izy io. Araka izany, na dia ny lehilahy tsy nahalala fomba indrindra aza dia azon’ny fitiavana novana.
Ninoan’ny troubadours fa ny fitiavana mihaja no loharanon’ny fahaiza-miaina sy ny fahatsaram-pitondran-tena, ary avy tamin’ny fitiavana no niandohan’ny fanehoam-panajana sy ny asa mitory fahambonian-toetra. Arakaraka ny niitaran’io hevitra io no nahatongavany ho fototry ny fehezam-pitsipika manontolo momba ny fitondran-tena, izay noraisin’ny sarangan’olon-tsotra, rehefa nandeha ny fotoana. Nanomboka ny fomba fiaina vaovao izay nifanohitra tamin’ny an’ny fitambaran’olona nofehezin’ny tompomenakely, dia fitambaran’olona tsy nahalala fomba sy nahery setra. Nantenain’ny vehivavy fa hahafoy tena sy haneho fiheverana ary ho tsara fanahy — ho lehilahy ambony toetra — izao ny lehilahy tia azy.
Tsy ela dia nanomboka nandray ny zavakanton’ny troubadours ny ankamaroan’ny tany tatỳ Eoropa. Nandray ny foto-kevitr’izy ireo i Espaina sy i Portogaly. Nanana ny antokom-poetiny nantsoina hoe trouvère ny tany avaratr’i Frantsa; ny tatsy Alemaina, minnesinger; ny tatsy Italia, trovatori. Niteraka karazana haisoratra nantsoina hoe romanceb ny foto-kevitry ny troubadours ny amin’ny fitiavana mihaja, rehefa nakambana tamin’ireo filamatry ny lehilahy mahay manaja. Ohatra, nampiditra ny fitiavana mihaja filamatra tao amin’ireo anganon’i Bretagne, nonenan’ny Celtes, ilay trouvère atao hoe Chrétien de Troyes. Tamin’izany no nanehoany tao amin’ireo tantaran’ny Mpanjaka Arthur sy ny Manamboninahitry ny Latabatra Boribory, ny modelin’ny hatsaran-toetra, toy ny fahalalahan-tanana sy ny fiarovana ny osa.
Ny herin’izy ireo teo amin’ny lafiny sosialy
Na dia nidera ny hatsaran’ny fitiavana mihaja aza ny ankamaroan’ny hiran’ny troubadours, ny hirany hafa kosa dia niresaka momba ny raharaha sosialy sy ara-politika tamin’izany andro izany. Nohazavain’i Martin Aurell, mpanoratra frantsay an’ilay hoe La vielle et l’épée (Lokangam-bazaha sy Sabatra), fa ireo troubadours dia ‘nandray anjara tamim-paharisihana tamin’ireo ady nampisara-bazana ny mpiara-belona taminy, ary tamin’ny alalan’ny hira noforoniny, dia nahatonga ny andaniny na ny ankilany hahomby mihitsy aza’.
Hoy i Robert Sabatier, rehefa nanao fanamarihana momba ny toerana niavaky ny troubadours teo amin’ny fitambaran’olona tamin’ny Moyen Âge: “Mbola tsy nisy mihitsy fotoana talohan’izay, nanomezam-boninahitra be toy izany ny poety; mbola tsy nisy mihitsy olona talohan’izay, nanana fahalalahana be toy izany haneho ny heviny. Nidera sy namelively izy ireo, nisolo vava ny vahoaka, nanan-kery nitaona teo amin’ny politika, ary nanjary fitaovana nampitana hevi-baovao.” — La Poésie du Moyen Age.
Mpampita vaovao tamin’ny androny
Azo lazaina tsara fa ela be talohan’ny namoronana ny milina fanontam-pirinty, ireo troubadours sy mpihira nandehandeha hafa dia mpampita vaovao tamin’ny androny. Nitety firenena maro ireo mpihira tamin’ny Moyen Âge. Nanerana ireo lapa rehetra tatỳ Eoropa — hatrany Chypre ka hatrany Ekosy, ary hatrany Portogaly ka hatrany Eoropa Atsinanana, na taiza na taiza nalehany — dia nanangom-baovao sy nifanakalo tantara sy tonon-kira ary hira izy ireo. Niely haingana ireo feon-kira nahaliana tamin’ny hiran’ny troubadours, tamin’ny alalan’ireo mpanao tanisa nifampitampita azy am-bava, ary dia nianaran’ny vahoaka, ka nanan-kery nitaona lehibe teo amin’ny fomba fiheveran’ny besinimaro ary nitarika ny valalabemandry hanohana hevitra nijoroana izao na izao.
Antsoina hoe sirvente, midika ara-bakiteny hoe “hiran’ny mpanampy”, ny iray tamin’ireo endriny poetika maro nampiasain’ny troubadours. Nanala sarona ny tsy rariny nataon’ny mpanapaka ny sasany tamin’izy ireny. Ny hafa nankalaza ny asa nitory herim-po, fahafoizan-tena, fahalalahan-tanana, sy famindram-po, sady nanakiana ny halozana izaitsizy, ny hakanosana, ny fihatsarambelatsihy, sy ny tsy fiheverana afa-tsy ny tombontsoan’ny tena. Manampy ny mpahay tantara hahafantatra ny rivo-piainana ara-politika sy ara-pivavahana tany Languedoc tamin’ny fotoan’ny fitsimbadihana lehibe, ireo sirventes teo am-piandohan’ny taonjato faha-13.
Fanakianana ny eglizy
Noho ny tsy nahombiazan’ny Kroazada, dia olona maro no nanomboka nisalasala ny amin’ny fahefana ara-panahy sy sivilin’ny Eglizy Katolika. Nihambo ho nisolo tena an’i Kristy ny klerjy, kanefa nifanohitra be tamin’ny an’i Kristy ny nataon’izy ireo. Nanjary fanta-poko fanta-pirenena ny fihatsarambelatsihiny sy ny fitiavan-karenany fatratra ary ny fahasimban’ny fitondran-tenany. Nitady hahazo harena sy fahefana politika bebe kokoa hatrany ireo eveka sy momperan’ny eglizy, hany ka nanome izay nirin’ny mpanan-karena. Tsy azo nihodivirana ny vokatry ny nanaovany tsirambina ny zavatra ara-panahy nilain’ny mahantra sy ny saranga anelanelany: tsy fanekena ny eglizy.
Tany Languedoc, dia olona maro avy tamin’ny saranga anelanelany, ary koa andriana, no nahita fianarana. Nomarihin’i H. R. Trevor-Roper, mpahay tantara, fa tsikaritry ny lahika nahay taratasy kokoa ny hoe ny eglizy tamin’ny taonjato faha-12, “dia tena hafa be noho ireo tamin’ny andro fahiny, izay nihamboany ho nalainy tahaka”. Nanampy teny izy fa olona maro no nanomboka nieritreritra toy izao: “Tena hafa kokoa mihitsy aza (...) ny Eglizy tsy naorina tamin’ny fomba ofisialy talohan’i Constantin, dia ny Eglizin’ny Apostoly, (...) tamin’ny fotoan’ny fanenjehana: Eglizy tsy nisy papa na eveka na fanomezana ara-bola be dia be na foto-pampianaran’ny mpanompo sampy na andininy vaovao natao hampitomboana ny harenany sy ny fahefany!”
Faritra nanjakan’ny fileferana i Languedoc. Namela ny vahoaka hanana fahalalahana ara-pivavahana ireo andriandahy tao Toulouse sy ireo mpanapaka hafa tany atsimo. Nandika ny Baiboly ho amin’ny fiteny langue d’oc ny Vaudois,c ary nitory azy io tamin-jotom-po, nandeha tsiroaroa nanerana ilay faritra. Nampiely ny foto-pinoany koa ny Cathares (nantsoina koa hoe Albigeois), ary nahazo olona maro avy teo anivon’ny andriana.
Maro tamin’ireo sirventes nataon’ny troubadours no nampiseho taratry ny fahadisoam-panantenana ary koa ny tsy fanajan’ny vahoaka sy ny fahatsapany rikoriko tamin’ny klerjy katolika. Nanameloka ny klerjy noho ny “nialany tamin’ny anjara asany lehibe indrindra”, mba hahazoana tombontsoa araka an’izao tontolo izao betsaka kokoa, ny iray tamin’izy ireny, nataon’i Gui de Cavaillon. Naniratsira ny afobe mirehitra, ny lakroa, ny konfesy, sy ny “rano voahasina”, ireo tonon-kiran’ny troubadours. Nihomehezany ny famotsoran-keloka sy ny relìka, ary nesoiny hoe “mpamadika, mpandainga, sy mpihatsaravelatsihy” ireo mompera naloto fitondran-tena sy ireo eveka ratsy fitondran-tena.
Ny adin’ny eglizy tamin’ny fahalalahana
Nihevi-tena ho nanam-pahefana tampony teo amin’ny empira sy fanjakana rehetra anefa ny Eglizy Romana. Nanjary fitaovana nanehoany ny fahefany ny ady. Nampanantena ny Papa Innocent III fa hanome ny harenan’i Languedoc rehetra ho an’ny tafika na iza na iza nandresy ireo andriana sy izay rehetra tsy nanaiky ny eglizy tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa. Iray tamin’ny fe-potoana nandatsahan-dra be indrindra ka nampijalijaliana sy namonoana olona teo amin’ny tantaran’i Frantsa ny fe-potoana nanaraka izany. Nanjary fantatra hoe Kroazada Albigeois (1209-1229) izy io.d
Nantsoin’ny troubadours hoe Kroazada Sandoka izy io. Naneho ny alahelony ireo hirany, noho ny halozana nampiharin’ny eglizy tamin’ireo tsy nanaiky azy sy ny nanoloran’ny papa famotsoran-keloka tamin’ny namonoana Frantsay tsy nanaiky ny eglizy, dia famotsoran-keloka nitovy ihany tamin’ny namonoana Silamo, noheverina ho tsy mpino. Nangoron-karena be ny eglizy nandritra ilay Kroazada Albigeois sy ny Inquisition nanaraka izany. Nisy fianakaviana tsy nanan-dova intsony, satria nesorina taminy ny taniny sy ny tranony.
Nampangaina ho heretika cathares ny ankamaroan’ny troubadours, ka nandositra nankany amin’ny faritra tsy dia nisy fankahalana firy. Nanamarika ny faran’ny sivilizasiona occitan, ny fomba fiainany, ny poeziany, io Kroazada io. Namoaka lalàna ny Inquisition hoe tsy azo natao ny nihira, na ny nisamonimonina akory aza, hiran’ny troubadour. Mbola velona ihany anefa ny lova napetrany. Eny tokoa, nanomana ho amin’ny Réforme ireo hirany nanohitra ny klerjy. Marina tokoa fa tsy ny hiram-pitiavany ihany no mety hahatsiarovana ny troubadours.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Teto Frantsa, dia nivoatra ho fitenim-paritra roa ny fiteny latina nolovana avy tamin’ireo tafika romana, nantsoina hoe fiteny romana: Nampiasa ny fiteny langue d’oc (fantatra koa hoe occitan, na provençal) ny tany atsimon’i Frantsa, fa ny tany avaratr’i Frantsa kosa nampiasa ny fiteny langue d’oïl (endriny iray tany am-boalohany nisehoan’ny fiteny frantsay, nantsoina indraindray hoe fiteny frantsay tranainy). Ny teny nampiasain’ireo fiteny roa ireo nilazana ny hoe eny, no tsy nampitovy azy ireo. Tany atsimo dia hoe oc (avy tamin’ny teny latina hoe hoc) ilay izy; tany avaratra dia hoe oïl (avy tamin’ny teny latina hoe hoc ille), izay nanjary ilay hoe oui, ampiasain’ny Frantsay ankehitriny.
b Nantsoina hoe roman ny asa soratra na inona na inona natao tamin’ny fitenim-paritra tavaratra na tatsimo. Koa satria maro tamin’ireny angano momba ny lehilahy mahay manaja ireny no niresaka momba ny fitiavana mihaja, dia nanjary ny fari-pitsipika ho an’izay noheverina hoe tantaram-pitiavana izy ireny.
c Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Febroary 1982, pejy faha-11-14, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
d Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Septambra 1995, pejy faha-27-30.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 22]
Printer’s Ornaments/by Carol Belanger Grafton/Dover Publications, Inc.
Bibliothèque Nationale, Paris
[Sary, pejy 23]
Sary hoso-doko avy tao amin’ny sora-tanana tamin’ny taonjato faha-12
[Sary nahazoan-dalana]
Bibliothèque Nationale, Paris