Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
“Nandroso ny Tenin’Andriamanitra”
NITOMBO vetivety foana taorian’ny niforonany ilay kongregasiona kristiana nisy mpikambana tokony ho 120 ka nihoatra ny 3 000. (Asan’ny Apostoly 1:15; 2:41). Manazava ny Baiboly fa “nandroso ny tenin’Andriamanitra; ary nihamaro indrindra ny isan’ny mpianatra tany Jerosalema”. (Asan’ny Apostoly 6:7). Taorian’ny taona vitsivitsy monja, ilay kongregasiona vao niforona dia nanjary fandaminana iray nisy Kristiana avy tany amin’ny kontinentan’i Afrika, sy i Azia, ary i Eoropa.
Mahita fitomboana haingana toy izany koa ny kongregasiona kristiana amin’izao andro izao. Any Meksika, ohatra, ny isan’ny mpitory ilay Fanjakana dia nanan-tombo 130 000 mahery ka nahatratra 443 640 tao anatin’ny dimy taona monja! Tamin’ny 1995, dia olona 1 tao anatin’ny 59 tany Meksika no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy izay nankalazain’ny Vavolombelon’i Jehovah. Kanefa mbola tsy vita ny fijinjana ara-panahy any amin’io tany io, araka ny asehon’ny fanandraman-javatra manaraka. — Matio 9:37, 38.
Tao amin’ny tanàna iray tao amin’ny fanjakan’i Chiapas, dia tsy nisy olona na dia iray aza nanaiky fampianarana Baiboly tany an-tokantrano niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, na dia rehefa avy nitory ny vaovao tsara nandritra ny 20 taona teo ho eo tao amin’io faritra io aza izy ireo. Miharihary fa maro tamin’ny mponina teo amin’ilay tanàna no nampitahorin’ny lehilahy iray malaza ho mahery setra. Natahotra izay ho fihetsiny izy ireo raha toa ka hitany fa nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelona izy ireo.
Nanapa-kevitra ny hiatrika ilay zava-manahirana ny Vavolombelona be herim-po roa izay honina teo amin’ilay faritra, tamin’ny fandehanana nivantana tany amin’ilay lehilahy resahina eto. Rehefa tonga tany an-tranony izy ireo, dia namoha ny varavarana ny vadiny ka nihaino tamim-pitandremana ny hafatra nentin’izy ireo. Nahaliana azy manokana izay lazain’ny Baiboly momba ny fiainana ao amin’ny paradisa eto an-tany. Niaiky anefa izy fa hanao izay tena hanasarotra ny toe-javatra ho azy ny vadiny raha toa ka nianatra Baiboly izy. Nohazavain’ireo Vavolombelona fa raha tsy nandinika tamim-pitandremana izay lazain’ny Baiboly izy, dia tsy hahafantatra na oviana na oviana ny fomba hanompoana an’Andriamanitra ka hifaliana amin’ny fiainana eto an-tany mandrakizay. Nanaiky fampianarana Baiboly izy.
Araka ny efa nampoizina, dia tsy faly tamin’ny fanapahan-keviny ny vadiny. Nandrara azy tsy hampiasa ny fiarakodiany mba hanatrehana fivoriana kristiana izy na dia afaka nampiasa azy io ho an’ny zavatra hafa aza izy. Na dia teo aza ny fanoherany, dia nandeha an-tongotra tsy tapaka nankany amin’ny Efitrano Fanjakana an’ny Vavolombelon’i Jehovah akaiky azy indrindra, izay folo kilaometatra avy teo aminy, ilay vehivavy. Tsy ela dia voamariky ny hafa teo an-tanàna ny herim-pony sy ny fahatapahan-keviny. Nanomboka nihaino ny olona rehefa nitsidika tany an-tranony ireo Vavolombelona. Ny sasany aza nanomboka niaraka tamin’ilay vehivavy tany amin’ny fivoriana. Taorian’ny fotoana fohy, dia nitarika fampianarana Baiboly tokony ho 20 ireo Vavolombelona tao amin’izany tanàna izany!
Nanapa-kevitra ny hianatra ny Baiboly koa ny naman’ilay vehivavy iray na dia teo aza ny fanoheran’ny vadiny. Nahagaga fa ny vadin’ilay vehivavy voalohany no nampirisika azy hianatra. Rehefa avy niresaka tamin’ny vadiny io, dia nitsahatra ny fanoherana. Toy izany àry, 20 taona tatỳ aoriana, no nitsimohan’ny voan’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly ihany tamin’ny farany, olona maherin’ny 15 no mianatra ny Baiboly sy manatrika fivoriana kristiana, anisan’izany ireo vehivavy ireo izay efa manambara ny vaovao tsara ankehitriny.