FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w96 1/9 p. 3-4
  • Fehezin’ny Anjara ve ny Fiainanao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fehezin’ny Anjara ve ny Fiainanao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Mampianatra ny Finoana ny Anjara ve ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
  • Moa ve manapaka ny fiainanao ny finoana ny anjara?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
  • Anjara ve, sa Kisendrasendra?
    Mifohaza!—1999
  • Eo Am-pitadiavana ny Anjaran’ny Olombelona
    Mifohaza!—1999
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1996
w96 1/9 p. 3-4

Fehezin’ny Anjara ve ny Fiainanao?

“ALA NÒ DON.” Amin’ny fiteny bambara any Mali, atsy Afrika Andrefana, io fitenenana io dia midika hoe: “Asan’Andriamanitra izany”. Tena fandre ny teny toy izany any amin’io tapany amin’izao tontolo izao io. Amin’ny fiteny wolof, ilay fitenenana dia hoe: “Yallah mo ko def” (Andriamanitra no nanao izany). Ary amin’ny fitenim-paritra dogon, dia milaza izy ireo hoe: “Ama biray” (Andriamanitra no nahatonga izany).

Manana ny mitovy aminy ireny fitenenana ireny any amin’ny tany hafa. Re matetika ny teny toy ny hoe “Tonga ny androny”, sy ny hoe “Izany no sitrapon’Andriamanitra”, na oviana na oviana misy fahafatesana na loza midona. Atsy Afrika Andrefana, ny teny toy ny hoe “Ny fikasana an’olombelona, fa ny lahatra an’Andriamanitra” dia matetika atao hoso-doko eo amin’ny fiara fitateram-bahoaka ary apetaka any amin’ny fivarotana ho toy ny soratra fampahafantarana. Ho an’ny maro, dia sarin-teny tsotra fotsiny izy ireny. Matetika anefa dia taratry ny finoana lalim-paka ny anjara izy ireny.

Inona marina moa no atao hoe finoana ny anjara? Ny The World Book Encyclopedia dia mamaritra azy io ho “ny finoana fa voatendrin’ny hery tsy azon’olombelona fehezina ireo fisehoan-javatra”. Inona izany “hery” izany? An’arivony taona maro lasa izay, dia nino ny Babyloniana fa nisy heriny lehibe teo amin’ny anjaran’ny olona iray ny firafitr’ireo kintana tamin’ny fotoana nahaterahany. (Ampitahao amin’ny Isaia 47:13.) Nino ny Grika fa ny anjara dia eo am-pelatanan’ny andriamanibavy telo mahery izay mamoly sy mandrefy ary manapaka ny kofehim-piainana. Kanefa, ireo teolojiana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no namosaka ilay hevitra hoe Andriamanitra mihitsy no manendry ny anjaran’ny olona iray!

I “Masindahy” Augustin, ohatra, dia nanda ilay “hevi-diso sy manimba” nananan’ny astrology. Tetsy an-danin’izany, dia nanjohy hevitra izy hoe: “Ny miaiky fa misy Andriamanitra, sady mandà fa mahalala mialoha ny zavatra ho avy Izy, no hadalana mibaribary indrindra.” Nilaza izy fa mba haha-tsitoha marina an’Andriamanitra, dia tsy maintsy “mahalala ny zavatra rehetra alohan’ny hitrangany” izy, ka tsy hamela “na inona na inona ho tsy voatendry mialoha”. Kanefa dia nanjohy hevitra tamin-kafanam-po i Augustin fa na dia fantatr’Andriamanitra mialoha aza ny zavatra rehetra hitranga, dia mbola manana safidy malalaka ihany ny olombelona. — The City of God, Boky V, Toko faha-7-9.

Taonjato maro tatỳ aoriana, i Jean Calvin, teolojiana protestanta, dia lasa lavitra kokoa, tamin’ny fanjohiana hevitra hoe: Raha “voatendrin[’Andriamanitra] mialoha ho zanaky ny fanjakan’ny lanitra sy mpandova azy io” ny sasany, dia voatendry mialoha ho “mpandray ny fahatezerany” kosa ny hafa!

Amin’izao andro izao, ny finoana ny anjara dia raisina ho zava-dehibe any amin’ny faritra maro eo amin’izao tontolo izao. Diniho ny zavatra niainan’i Ousmane, tovolahy iray atsy Afrika Andrefana. Iray tamin’ireo mpianatra nahay indrindra tao an-tsekoliny izy, kanefa rehefa nanala ny fanadinany farany izy dia tsy afaka! Izany dia nidika ho famerenana taom-pianarana iray, nefa koa fizakana fahatsapana ho saikatra teo anatrehan’ny fianakaviany sy ireo namany. Niezaka nampionona azy ny namana iray tamin’ny filazana fa izany no sitrapon’Andriamanitra. Mitovy amin’izany koa fa nanome tsiny ny anjara ny reniny, noho ny tsy nahafahan’i Ousmane.

Teo am-boalohany dia faly i Ousmane nanaiky ny fiezahan’izy ireo hiombom-pihetseham-po taminy. Rehefa dinihina tokoa mantsy, raha hoe tena sitrapon’Andriamanitra ny tsy nahafahany, dia tsy nisy na inona na inona ho azony natao mba hisakanana izany. Hafa noho izany anefa ny fahitan’ny rainy ilay raharaha. Nilaza tamin’i Ousmane izy fa fahadisoan’ny tenany ihany — fa tsy an’Andriamanitra — no tsy nahafa-panadinana azy. Tsy afaka i Ousmane satria fotsiny nanao tsirambina ny fianarany.

Nihozongozona ny finoan’i Ousmane ny anjara ka nanapa-kevitra ny hanadihady ilay raharaha ny tenany. Asainay ianao izao mba hanao toy izany koa, amin’ny fandinihana ny lahatsoratra manaraka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara