Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Torina Hatrany Ireo Fahamarinana Ara-baiboly, any Irlande
TAMIN’IREO taona faramparany, dia sehatry ny fisafotofotoana lehibe i Irlande, ilay tany misy toerana taza-maso voajanahary. Etsy an-danin’izany, ny vahoaka irlandey dia nandray tsara ny hafatra misy fanantenana ao amin’ny Baiboly izay nentin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’izy ireo. Manamarina izany ireto zavatra niainana manaraka avy tany Irlande ireto.
■ Tany Dublin, dia nandray anjara tamin’ny asa fitoriana isam-baravarana ny Vavolombelon’i Jehovah iray sy ny zanany vavikely. Izy ireo dia nihaona tamin’ny vehivavy iray atao hoe Cathy, izay tena be zavatra natao noho izy maro anaka. Nanontany ilay Vavolombelona raha afaka milaza hafatra fohy monja aminy ilay zanany vavy, izay vao nianatra nitory. Nanaiky i Cathy, ary dia nanao fomba fampiseho mazava sy mirindra tsara, ilay zazavavy kely. Nanaitra an’i Cathy ny fahatsorana sy ny fanajana niharihary nananan’ilay ankizy, ary dia nanaiky ilay fanolorana taratasy mivalona momba ny Baiboly izy.
Tatỳ aoriana i Cathy dia nieritreritra ny amin’ny fiomanana tsara sy fahalalam-pomban’ilay ankizy nitsidika azy. “Nanaitra ahy ny nahafahan’ny zazavavy kely iray nilaza hafatra nahaliana aoka izany, kanefa tsy nanintona ny saina ho amin’ny tenany”, hoy izy. “Nanapa-kevitra aho fa rehefa hitsidika amin’ny manaraka ny Vavolombelon’i Jehovah, dia hihaino azy ireo aho.”
Teo anelanelan’izany i Cathy dia nifindra tany amin’ny tanàna kely iray tany atsimo-andrefan’i Irlande, tany akaikin’ny sisin-tanin’ny zaran-tany Cork sy Kerry. Tsy ela tatỳ aoriana, dia nitsidika teo am-baravarany ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nampandroso azy ireo izy. Nanaiky fampianarana tsy tapaka ny Baiboly izy, ary izao dia manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona miaraka amin’ny maromaro amin’ireo zanany. Velom-pisaorana i Cathy noho ny faniriana marina nananan’ilay zazavavy kely hizara ny vaovao tsara taminy.
■ Tany amin’ny faritr’i Tullamore, ireo Vavolombelona dia nanao dinidinika momba ny Baiboly tamim-behivavy iray atao hoe Jean, nandritra ny fe-potoana naharitra fito taona. Indraindray izy dia naneho fahalianana sady nandray zavatra vita an-tsoratra, kanefa tamin’ny fotoana hafa, dia nihena ny fahalianany. Indray andro, rehefa nitsidika an’i Jean ny Vavolombelona iray atao hoe Frances sy ny namany, dia nahita azy tena kitokitoina. “Na inona na inona nolazainay”, hoy ilay Vavolombelona nitatitra, “dia vao mainka izy nanangam-bovona. Farany, dia nandroaka anay izy sady nanakaratoka ny varavarana.”
Nanontany tena i Frances raha toa ny fitsidihana fanampiny ka tsy hanao afa-tsy ny hampirisika fandraisana mitovy amin’izany ihany. ‘Angamba tsy mendrika hatao intsony ny fitsidihana azy raha tsy tena liana amin’ny hafatra izy’, hoy ny eritreritr’i Frances. Niresaka ilay raharaha tamin’i Thomas vadiny anefa i Frances, ary be fanantenana kokoa izy io. Tamin’ny fotoana naha-tao amin’ilay faritra azy ireo indray tamin’ny manaraka, dia notsidihina indray i Jean. Sariaka izy, ary nandray gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Nahafinaritra toy izany ireo fitsidihana fanampiny, ary dia nanomboka fampianarana Baiboly ao an-tokantrano niaraka taminy i Thomas sy i Frances.
Inona no anton’ilay fiovana? Nanazava i Jean fa tamin’ilay fotoana nisehoany ho tsy nahalala fomba aoka izany tamin’ny Vavolombelona, dia vao tera-bao izy, ary vao avy nivoaka ny hopitaly. Noho izy nampinono ilay zanany vao teraka sy namahana ilay zanany lehibe kokoa, dia tsy natory afa-tsy nandritra ny adiny iray sy sasany isan’alina izy. “Ny zavatra tsy niriko hatao indrindra”, hoy i Jean, “dia ny hiresaka momba ny fivavahana.”
Tao anatin’ny roa volana i Jean dia nanatrika ireo fivoriana rehetran’ny kongregasiona, ary tao anatin’ny efa-bolana dia nandray anjara tamin’ny fanompoana eny amin’ny saha, izy. Folo volana taorian’ilay fotoana nanombohany nianatra ny Baiboly, dia natao batisa izy. Ankehitriny dia manampy azy eo amin’ny fanompoana ny zavatra niainan’i Jean manokana. Mitantara toy izao izy: “Raha mihaona amin’olona izay tena tsy mahalala fomba aho, dia miezaka hahazo kokoa ny fiheviny aho. Miezaka mafy mba hanao izany mandrakariva aho. Angamba hiova ny tarehin-javatra amin’ny fotoana hiverenako; mety ho metimety kokoa ilay olona ka ho mora handray kokoa.”