Rashi — Mpivaofy Tenin’ny Baiboly Nanan-kery
INONA no iray amin’ireo boky voalohany natao pirinty tamin’ny fiteny hebreo? Ny famoaboasana iray momba ny Pentateuque (ireo boky dimin’i Mosesy). Navoaka tany Reggio Calabria, any Italia, izy io, tamin’ny 1475. Ny mpanoratra ve? Lehilahy iray fantatra tamin’ny hoe Rashi.
Nahoana ny famoaboasana iray no nomena io voninahitra manokana io? Tao amin’ilay bokiny hoe Rashi—The Man and His World, dia nilaza i Esra Shereshevsky fa ny famoaboasana nataon’i Rashi dia “nanjary ny soratra fototra tany amin’ny tokantrano jiosy sy tany amin’ny trano fianarana. Mbola tsy nisy mihitsy zava-bita hafa teo amin’ny asa soratra jiosy, nomena fankasitrahana toy izany (...). Famoaboasana fanampiny maherin’ny 200 no fantatra fa miresaka mivantana ny famoaboasana nataon’i Rashi momba ny Pentateuque”.
Teo amin’ny Jiosy ihany ve no nisy akony ny famoaboasana nataon’i Rashi? Na dia tsy tsikaritry ny maro aza izany, dia nanan-kery teo amin’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly nandritra ny taonjato maro ny famoaboasana nataon’i Rashi momba ny Soratra Hebreo. Fa iza moa i Rashi, ary ahoana no nahatonga azy hanan-kery lehibe toy izany?
Iza moa i Rashi?
Teraka tany Troyes, any Frantsa, tamin’ny taona 1040, i Rashi.a Fony izy tovolahy, dia nankany amin’ireo sekoly ambony ara-pivavahana jiosy tany Worms sy Mayence, any Rhénanie, izy. Tany izy no nianatra, ka ny sasany tamin’ireo manam-pahaizana fanta-daza indrindra tany Eoropa no nampianatra azy. Tokony ho teo amin’ny faha-25 taonany, dia nitaky ny hiverenany tany Troyes ny tarehin-javatra nisy azy manokana. Efa nekena ho manam-pahaizana niavaka i Rashi, ka vetivety dia tonga mpitarika ara-pivavahana teo amin’ireo Jiosy teo an-toerana, ary nanangana sekoly ambony ara-pivavahana an’ny tenany manokana izy. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary nanan-kery kokoa noho ny sekolin’ireo mpampianatra an’i Rashi tany Alemaina mihitsy aza io foibem-pampianarana jiosy vaovao io.
Tamin’izany fotoana izany, dia azo lazaina hoe nilamina sy nirindra ihany ny fiainan’ny Jiosy tany Frantsa, teo anivon’ireo mpiray tanàna taminy izay nilaza fa nanaraka ny Kristianisma, ka nahatonga an’i Rashi hanana fahalalahana lehibe kokoa hanao ny asany tamin’ny naha manam-pahaizana azy. Tsy manam-pahaizana izay nihatakataka tamin’ny hafa anefa izy. Na dia teo aza ny laza naha mpampianatra sy lohan’ny sekoly ambony azy, dia nanao divay no asa fiveloman’i Rashi. Izany fahalalany tsara ny asa fanaon’ny olona izany dia nahatonga azy ho afaka nifandray akaiky kokoa tamina Jiosy tsotsotra, ka nanampy azy hahatakatra ny tarehin-javatra nisy azy ireny, sy hiara-miory taminy. Anisan’ny nahatonga an’i Rashi hahatakatra hevi-dalina koa ny toerana nisy an’i Troyes. Tanàna nifamezivezen’ny olona avy tamin’ny vazan-tany efatra izy io, satria teo amin’ireo lalana falehan’ny mpivarotra no nisy azy, ary izany no nahatonga an’i Rashi hahafantatra tsara ireo fomba amam-panaon’ny firenen-tsamihafa.
Nahoana no nilaina ny famoaboasana iray?
Vahoakan’ilay boky no nahafantarana ireo Jiosy. Tamin’ny teny hebreo anefa “ilay boky”, izany hoe ny Baiboly, fa “ilay vahoaka” tamin’izay kosa dia niteny alemà, arabo, espaniola, frantsay, sy fiteny maro hafa. Na dia mbola nampianarina ihany ny teny hebreo aza ny ankamaroan’ny Jiosy hatramin’ny fahazazany, dia maro ny teny tao amin’ny Baiboly tsy azon’izy ireo mazava tsara. Fanampin’izany, nandritra ny taonjato maro, dia nahatonga ny olona tsy handinika ny hevitra ara-bakitenin’ny andinin-tenin’ny Baiboly ny fironana mahery tao amin’ny Jodaisman’ireo raby. Maro be ireo teny an’ohatra sy angano nifandray tamin’ireo teny sy andinin-teny ao amin’ny Baiboly. Maro amin’ireny fanazavana sy tantara ireny no voarakitra an-tsoratra ao anatina fitambaram-boky antsoina hoe Midrash.b
Manam-pahaizana momba ny Baiboly koa ny zafikelin’i Rashi, dia ny Raby Samuel ben Meir (Rashbam). Tao amin’ilay famoaboasany momba ny Genesisy 37:2, dia nilaza izy fa “ireo mpivaofy teny efa hatramin’ny ela kokoa [talohan’i Rashi] (...) dia nirona hanao toriteny (derashot), izay noheverin’izy ireo ho ny zava-kendrena lehibe indrindra, [fa] tsy zatra nikaroka tao amin’ny halalin’ny hevitra ara-bakitenin’ny andinin-tenin’ny Baiboly”. Nanoratra toy izao ny Pr. A. Cohen (lehiben’ny mpampanonta ny Soncino Books of the Bible), raha nanazava mikasika izany fironana izany: “Marina fa nametraka fitsipika ireo Raby hoe tsy azo ekena izay filazana hevi-teny tsy mifanaraka amin’ny peshat, na ilay heviny mazava ananan’ilay soratra; tsy niraharaha firy io fitsipika io anefa izy ireo rehefa tena niasa.” Tao anatin’ny rivo-piainana ara-pivavahana toy izany, dia tsy natoky tena ny Jiosy tsotsotra rehefa nijery andinin-teny tao amin’ny Baiboly, ary tsapany fa nila fitaovana fanazavana izy ireo.
Ny tanjon’i Rashi sy ny fomba fiasany
Ny tanjon’i Rashi nandritra ny androm-piainany, dia ny hanao izay hahatonga ny andinin-teny ao amin’ny Soratra Hebreo ho mora azon’ny Jiosy rehetra. Mba hanatanterahana izany, dia nanomboka nanangona ireo boky misy fanazavana teny sy andinin-teny voafaritra tsara izay noheveriny fa ho sarotra amin’ny mpamaky, izy. Ireo fanamarihana nataon’i Rashi dia misy firesahana ny fanazavan’ireo mpampianatra azy, sady notovozina avy tao amin’ilay fahalalana be nananany momba ny asa soratra rehetran’ireo Raby. Efa nandraman’i Rashi avokoa ireo loharanon-kevitra rehetra nisy, teo amin’ny fikarohana nataony momba ny fiteny. Nasiany fiheverana ireo teboka sy tsindrimpeo nataon’ny Masoreta izay nisy fiantraikany teo amin’ny fahatakarana ny hevitry ny teny. Mba hanazavana tsara ny hevitry ny teny iray, dia matetika no nanonona ny fandikan-teny aramianina (Targum an’i Onkelos), ilay famoaboasana nataony momba ny Pentateuque. Nahay nifanaraka tamin’ny toe-javatra vaovao i Rashi, no sady nahay namoron-kevitra teo am-pandinihana ireo lafin-javatra mbola tsy notrandrahina, teo amin’ny sehatry ny fanazavana teny mpampiankina sy teny mpampitohy, ny hevitry ny matoanteny sy ny lafiny hafa amin’ny fitsipi-pitenenana ary ny firafitry ny fehezanteny. Ny fanazavana toy izany dia anisan’ny nandray anjara lehibe teo amin’ny fahatakarana ny firafitry ny fehezanteny sy ny fitsipi-pitenenan’ny fiteny hebreo.
Nifanohitra tamin’ilay fironana nanjaka tao amin’ny Jodaisman’ireo raby no nataon’i Rashi, fa niezahany nantitranterina foana ny hevitra tsotra sy ara-bakitenin’ny andinin-teny iray. Tsy azo nodian-tsy hita anefa ny asa soratra maro be mahaforona ny Midrash izay fantatry ny Jiosy tsara tokoa. Lafiny iray manaitra amin’ny famoaboasana nataon’i Rashi ilay fomba nifandraisan’ny tenany tamin’ireo asa soratra mahaforona ny Midrash, satria izy ireny matetika no nanamaizina ny hevitra ara-bakitenin’ny andinin-tenin’ny Baiboly.
Hoy i Rashi tao amin’ny fanazavany momba ny Genesisy 3:8: “Misy midrashim [Midrash] maro mirakitra aggadahc. Ireo Olon-kendrintsika dia nandahatra tsara azy ireny tao amin’ny Bereshit Rabbah sy tao amina amboaran-dahatsoratra hafa momba ny Midrash. Ny hany ahiko kosa anefa, dia ny heviny mivantana (peshat) ananan’ilay andinin-teny, sy ny aggadot toy ny fanazavana ilay fitantarana ao amin’ny Soratra Masina araka ny teny manodidina.” Tsy nisy afa-tsy ireo midrashim izay noheveriny fa nanampy mba hanazavana ny hevitry ny andinin-teny iray na ny teny manodidina azy ihany, no nofantenan’i Rashi sy navoakany. Nailiny tamin’izany fomba izany kosa ireo midrashim izay nahatonga fifanoheran-kevitra sy fisafotofotoana. Noho izany asa soratra navoakany izany, dia nanjary nahalala tsara ireo zavatra tsara indrindra nofantenan’i Rashi tao amin’ny Midrash, ny ankabeazan’ireo taranaka maro nifandimby teo anivon’ny Jiosy.
Na dia tsy nitsitsy teny fanomezam-boninahitra an’ireo mpampianatra azy aza i Rashi, dia tsy nisalasala izy nanohitra ny hevitr’izy ireo rehefa noheveriny fa nifanohitra tamin’ny fanjohian-kevitra mazava momba ny andinin-teny iray ny fanazavan’izy ireo. Rehefa tsy azony ny hevitry ny andinin-teny iray, na nihevitra izy fa nanazava izany tamin’ny fomba diso teo aloha, dia vonona ny hiaiky izany izy, ka notononiny mihitsy aza ireo toe-javatra nanampian’ny mpianany azy hanitsy ny fahazoany hevi-javatra.
Nisy heriny teo aminy ny vanim-potoana niainany
Lehilahy tena naharaka ny toetr’andro tokoa i Rashi. Namintina izany toy izao ny mpanoratra iray: “Ny fanampiana lehibe [nentin’i Rashi] teo amin’ny fiainan’ny Jiosy, dia ny namerenany nilaza indray ny hevitr’ireo andinin-teny lehibe rehetra tamin’ny fitenin’ny olona tamin’izany andro izany, tamin’ny fiteny mazava sy mora azo tokoa, tamin-kafanam-po sy tamim-pangoraham-po tokoa, tamin’ny fomba feno hakingana sy fahaizana tsy fahita firy, ka nanjary nohajaina fatratra toy ny soratra masina ny famoaboasana nataony, no sady tiana toy ny haisoratra. Toy ny hoe teny frantsay no nanoratan’i Rashi ny teny hebreo, fa sady feno fahakingan-tsaina no kanto. Isaky ny tsy nanana teny hebreo voafaritra tsara izy, dia nampiasa teny frantsay iray ho solony, izay nosoratany tamin’ny litera hebreo.” Nampiasa maherin’ny 3 500 amin’ireny teny frantsay nosoratana tamin’ny literan’ny fiteny hebreo ireny i Rashi, ary nanjary loharanom-panazavana sarobidy izy ireny ho an’ireo mpianatra mandalina ny teny frantsay tranainy sy ny fomba fanonona azy io.
Na dia tao anatin’ny rivo-piainana somary nilamina ihany aza no nanombohan’ny fiainan’i Rashi, dia nahita ny fihenjanana nitombo teo amin’ny Jiosy sy ireo nilaza tena fa Kristianina izy, tamin’ireo taona faramparany niainany. Nanamontsana an’ireo Jiosy tany Rhénanie, ilay toerana nianaran’i Rashi, ny Kroazada Voalohany, tamin’ny 1096. Jiosy an’arivony maro no naripaka. Toa nisy akony teo amin’ny fahasalaman’i Rashi ny fandrenesana vaovao momba izany fandripahana izany (niharatsy hatrany ny fahasalamany mandra-pahafatiny tamin’ny 1105). Nanomboka tamin’izay, dia nisy fiovana lehibe teo amin’ny famoaboasana nataony momba ny Soratra Masina. Ohatra iray miavaka ny Isaia toko faha-53 izay miresaka ny amin’ny fijalian’ny mpanompon’i Jehovah. Teo aloha kokoa, dia nampiharin’i Rashi tamin’ny Mesia ireo andinin-teny ireo, toy ny ataon’ny Talmoda. Miharihary anefa fa, taorian’ny Kroazada, dia nihevitra izy fa nihatra tamin’ny vahoaka jiosy izay niatrika fijaliana tsy ara-drariny ireo andinin-teny ireo. Hita fa fotoam-piovana lehibe izany, teo amin’ny filazan’ny Jiosy ny hevitr’ireny andinin-teny ireny.d Araka izany, dia olona maro, anisan’izany ny Jiosy, no niala tamin’ny fahamarinana momba an’i Jesosy, noho ny fitondran-tena tsy kristianina nasehon’ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina. — Matio 7:16-20; 2 Petera 2:1, 2.
Ahoana no nananany hery teo amin’ny fandikana ny Baiboly?
Tsy ela dia tsapa tany ivelan’ny Jodaisma ny hery nananan’i Rashi. Nanonona matetika aoka izany ny fiheveran’ny “Raby Solomon [Rashi]” i Nicolas de Lyre (1270-1349), ilay Frantsay franciscain mpivaofy teny ao amin’ny Baiboly, hany ka nomena anaram-bosotra hoe “ilay Mpaka Tahaka an’i Solomon”. I Lyre kosa dia nanan-kery teo amin’ny mpivaofy teny sy mpandika teny maro, anisan’izany ireo mpialoha lalana an’ireo nandika ny Baiboly anglisy King James Version sy i Martin Luther mpitondra fanavaozana, izay nanova tanteraka ny fandikana ny Baiboly tany Alemaina. Niankina aoka izany tamin’i Lyre i Luther, hany ka nisy poezia tiam-bahoaka nanao hoe: “Raha tsy nitendry lyre [lokanga] i Lyre, dia tsy ho nandihy i Luther.”
Nisy heriny lalina teo amin’i Rashi ny fiheveran’ireo Raby izay tsy mifanaraka amin’ny fahamarinana kristianina. Nomen’i Rashi asa soratra manan-danja izay azo anaovana fampitahana, ny mpanao fikarohana sy mpandika tenin’ny Baiboly. Nanao izany i Rashi noho ny fahatakarany lalina ny voambolana sy ny firafitry ny fehezanteny mbamin’ny fitsipi-pitenenan’ny teny hebreo ampiasaina ao amin’ny Baiboly, ary noho ny ezaka tsy an-kijanona nataony mba hahitana ny hevitra mazava sy ara-bakitenin’ny andinin-teny.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny hoe “Rashi” dia fanafohezan-teny hebreo, nalaina avy tamin’ny litera voalohany amin’ny teny hoe “Rabbi Shlomo Yitzḥaqi [Raby Solomon ben Isaac]”.
b Ilay teny hoe “Midrash” dia avy amin’ny fototeny hebreo midika hoe “manontany, mandinika, mamotopototra”, ary raha itarina dia hoe “mitory”.
c Ny hoe Aggadah (aggadot rehefa milaza maro) dia midika ara-bakiteny hoe “fitantarana”, ary manondro ireo tapany tsy ara-dalàna ao amin’ny asa soratr’ireo raby, ka tafiditra amin’izany matetika ireo tantara noforonina tsy ara-baiboly mahakasika olona ao amin’ny Baiboly, na ireo angano mahakasika ireo raby.
d Mba hahazoana fanazavana fanampiny momba io andinin-teny ao amin’ny Soratra Masina io, dia jereo ilay faritra voafefy hoe “Ny Mpanompoko” — Iza Izy Io?, ao amin’ny pejy faha-28 amin’ilay bokikely hoe Hisy Tontolo Iray Tsy Hisian’ny Ady ve Indray Andro Any?, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]
Soratra: Per gentile concessione del Ministero dei Beni Culturali e Ambientali