Fanimbanimbana Zavatr’olona — Nahoana?
“TSY manan-javatra hambara aho.” Ireo teny ireo no voasoratra tamin’ny sora-baventy teo amin’ny rindrina iray vao nolokoana, tany amin’ny toerana iray mahafinaritra akaikin’i São Paulo. Fanimbanimbana zavatr’olona izany, hoy ny mety ho eritreritrao. Ary karazany iray monja amin’ny fanimbanimbana zavatr’olona ny soratsoratra na sarisary eny amin’ny rindrina.
Aoka hatao hoe nosimban’ny mpanimbanimba zavatr’olona tsy mahatsapa andraikitra ny fiarakodianao vaovao. Na mety ho nomarihinao fa nosimban’ny mpanimbanimba zavatr’olona na nopotehiny ny fananam-bahoaka izay mahasoa ny maro. Nahoana? Eny, nahoana? Efa mba nanontany tena ve ianao hoe nahoana no mitombo ny fanimbanimbana zavatr’olona? Any amin’ny toerana maro, dia toa mahita fahafinaretana amin’ny fanimbana na ny fanapotehana ireo tranokely fiantsoana an-telefaonina ireo mpanimbanimba zavatr’olona. Ary matetika ny fitateram-bahoaka, toy ny fiarandalamby na ny aotobisy no ataony lasibatra. Toa tsy miraharaha na inona na inona ireny mpanimbanimba zavatr’olona ireny. Fa inona no ao ambadiky ny ankamaroan’ny fanimbanimbana zavatr’olona hitantsika na mihatra amintsika?
Nanjary diso fanantenana i Marco,a tanora avy any Rio de Janeiro, rehefa resy tamin’ny lalao baolina kitra ny ekipany. Diso fanantenana aoka izany izy ka nanomboka nitora-bato ilay aotobisy feno an’ireo mpanohana ilay ekipa nandresy. Na hevero ny amin’i Claus. Rehefa tsy nahay izy tany an-tsekoly, dia nanjary romotra aoka izany ka nitora-bato ary namaky fitaratra. Tsy “sangisangy” intsony anefa ilay izy rehefa nasaina nanolo ny simba ny rainy. Ny tanora hafa iray, i Erwin, dia sady nianatra tany an-tsekoly no niasa. Noheverina ho tanora hendry izy mbamin’ireo namany nitovy taona taminy. Nanimbanimba zavatr’olona teny amin’ny manodidina anefa no fandaniam-potoanan’izy ireo. Tsy nahalala na inona na inona momba izany ny ray aman-drenin’i Erwin. Kamboty izay voatery nipetraka teny amin’ny araben’i São Paulo, i Valter. Andian-jiolahy mpanimbanimba zavatr’olona no namany akaiky, ary nanao ny fanaon’izy ireo izy ka nianatra arts martiaux koa. Ireo ohatra ireo dia mampiseho fa misy olona manohana ny fanimbanimbana zavatr’olona, ary miovaova ny toe-javatra manetsika hanao izany sy ny fihetseham-po tafiditra amin’izany.
“Ny fanimbanimbana zavatr’olona dia mety ho fanaovana valy faty, na fomba iray hanehoana hevitra ara-politika. Samy manao io heloka bevava io, na ny tanora na ny olon-dehibe indraindray, mba ‘hampifalifalian-tena’ fotsiny”, hoy ny The World Book Encyclopedia. Tsy fampifalifalian-tena fanaon’ny tanora fotsiny anefa ny fanimbanimbana zavatr’olona, fa mety hiteraka fandravana lehibe, eny fahafatesana mihitsy aza. Naniry “hampifalifaly tena kely” ny tanora nanao andiany iray, ka rehefa nahita lehilahy iray sondrian-tory izy ireo dia nandraraka ranon-javatra mora mirehitra teo aminy, ary nandoro azy. Maty tany amin’ny hopitaly, tatỳ aoriana, ilay niharan-doza izay Indianina brezilianina. Araka ny voalazan’ny tatitra iray, dia “nilaza, hono, ireo zatovolahy fa tsy noheverin’izy ireo hoe hisy olona hiraharaha ilay izy, satria mpangataka maromaro no efa nodorana teny amin’ny arabe, kanefa tsy nisy fanasazian’ny lalàna akory”. Na misy iharan-doza na tsia noho ny fanimbanimbana zavatr’olona, dia tsy hay tombanana ny vidiny ara-bola sy ara-pihetseham-po. Koa inona àry no afaka mifehy na mamarana ny fanimbanimbana zavatr’olona?
Iza no afaka mampitsahatra ny fanimbanimbana zavatr’olona?
Ny polisy sy ny sekoly ve afaka misakana ny fanimbanimbana zavatr’olona? Ny olana iray dia ity: Mety ho sahirana amin’ireo heloka bevava lehibe kokoa, toy ny fivarotana zava-mahadomelina an-tsokosoko na ny vonoan’olona, ireo manam-pahefana, ka tsy miraharaha firy an’ireo fandikan-dalàna “tsy isian’olona iharan-doza”. Araka ny nolazain’ny polisy iray, rehefa tratra ny tanora iray, dia “manome tsiny ireo ankizy iarahany, na ny sekoly, na ny polisy nahatratra azy” ny ray aman-dreniny. Mety hampihena ny fanimbanimbana zavatr’olona ny fanabeazana sy ny fampiharana ny lalàna; saingy ahoana raha tsy miova fihetsika ny ray aman-dreny? Hoy ny polisy vavy iray, tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny zaza maditra nahazo sazy mihantona: “Ny tsy fananan-javatra atao sy ny fifanandrifian-javatra no miteraka ny olana. Mijanona alina loatra any ivelany [ny ankizy], ary tsy manan-katao izy ireo. Azo inoana koa fa tsy voara-maso izy ireo, matoa any ivelany.”
Na dia olana lehibe aza ny fanimbanimbana zavatr’olona any amin’ny toerana maro, dia diniho ny fomba mety hampitsimbadihana ilay toe-javatra. Niova ireo tanora mpanimbanimba zavatr’olona voatonona terỳ am-piandohana; manalavitra tanteraka ny fitondran-tena manimba ny fiaraha-monina izy ireo ankehitriny. Inona no nahatonga ireo zaza naditra taloha ireo, hanova ny fomba fiainany? Afa-tsy izany, ho gaga ve ianao raha tsy vitan’ny hoe hihena fotsiny ny fanimbanimbana zavatr’olona fa hofoanana tanteraka koa izy io? Manasa anao izahay hamaky ny lahatsoratra manaraka.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ireo anarana.