Azo Foanana ny Fanimbanimbana Zavatr’olona
“NY FANIMBANIMBANA zavatr’olona ataon’ny zatovo dia noheverina foana ho fanehoana tsy fanajana sy fankahalana ny olon-dehibe sy ny fari-pitsipiny”, hoy ny nohazavain’ireo mpanoratra atao hoe Jane Norman sy Myron W. Harris. Na dia tanora maro aza no mino fa tsy misy azo atao mba hanovana ny toe-javatra, dia “tanora iray ao anatin’ny telo no mihevitra fa azo fehezina ny fanimbanimbana zavatr’olona ataon’ny zatovo, raha toa ny ray aman-dreny ka maneho fiheverana bebe kokoa an’ireo zanany, ary raha manan-katao foana ny zatovo”, hoy ny tatitra nataon’ireo mpanoratra ireo. Na dia mety hampihena ny fanimbanimbana zavatr’olona aza ny fanaovana izay hananan’ny tanora zavatra atao foana sy ny fanomezan’ny ray aman-dreny azy ireny fifehezana tsara kokoa, moa ve ho tonga hatrany amin’ny antony fototra raha izay fotsiny?
Rehefa irery ny tanora, dia maro aminy no tsy manakorontana, saingy rehefa manao andiany na mandeha tsiroaroa izy ireo, dia mety hanandrana hisarika ny saina, amin’ny fanaovan-javatra amin-kadalana sy amin-kasomparana. Toy izany ny amin’i Nelson, izay matetika no naneho ny hatezerany sy ny tsy fahafaham-pony tamin’ny fanimbanimbana zavatr’olona, rehefa teo ambany herin’ny zava-mahadomelina na ny zava-pisotro misy alkaola izy. Nentanin’ny toriteny tao amin’ny Eglizy Katolika momba ny fanavaozana ny fizakan-tany sy ny zon’ny mpiasa madinika i José, ka nihevitra fa tokony handray anjara tamin’ny fitokonana ny tenany, ary nandamina fanimbanimbana zavatr’olona izy ho toy ny fomba hanehoana fanoherana. Samy nahita zavatra tsara lavitra noho ny rotaka na ny fanimbanimbana zavatr’olona anefa i Nelson sy i José.
Antony sasany lalina kokoa mahatonga fanimbanimbana zavatr’olona
Andeha hodinihintsika akaiky kokoa ny antony mahatonga ny tanora sasany hanimbanimba zavatr’olona. Zatovo maro no mikorontan-tsaina ary “milazalaza ity tontolo ity ho toeran’ny fisafotofotoana sy ny hadalana, feno olona adaladala”. Na izany aza, ary mifanohitra amin’izay inoan’ny sasany, dia nilaza toy izao ny tatitra iray: “Tena manahy ny amin’ny fitarihana ny fiainany ireo zatovo. Manana fanahiana bebe kokoa ny amin’ity tontolo ity tsy araka ny iheveran’ny olon-dehibe azy, izy ireny.” Na ataony fanahy iniana na tsia, ny tanora iray manimbanimba zavatr’olona dia mety haneho, amin’izany fomba izany, ny fahadisoam-panantenany latsa-paka, na ny olana tsy voavahany, na ireo zavatra ilainy nefa tsy nahazoany fahafaham-po. Araka ilay famotopotorana voalaza etsy am-piandohana, dia “tsy nisy tamin[’ireo] nofotopotorana niaro, na nanamarina ny fanimbanimbana zavatr’olona, eny fa na dia ireo [efa] nanao izany aza”.
Mety ho mahalana ny tanora iray vao mba mandre teny fankasitrahana na fankaherezana. Mety hahatsiaro ho tsy ampy herim-po izy satria manjary zava-dehibe kokoa hatrany ny fianarana, ary asa maro kokoa no itakiana diplaoma ambony momba ny fahalalana manokana na fahaizana ara-teknika. Ankoatra izany, ny ray aman-dreny, ny mpampianatra, na ireo mitovy taona aminy dia mety ho tena be fanakianana, sy hitaky zavatra be loatra. Amin’izay dia ny zava-bitan’ilay tanora no antitranterin’izy ireny, fa tsy ilay tanora amin’ny maha izy azy. Maro no mikomy na manimbanimba zavatr’olona satria diso fanantenana amin’ny tenany fotsiny. Moa ve tsy hampihena be dia be izany fahorian-tsaina izany ny fitiavana sy ny fanehoam-piheveran’ny ray aman-dreny?
Hitanao angamba fa toa nampitsahatra ny fiezahany hisakana ny fanaovana soratsoratra sy sarisary eny amin’ny rindrina sy ny karazana fandikan-dalàna hafa, ny manam-pahefana sasantsasany. Na izany aza, dia mbola manantena ny hisakanan’ny mpampianatra sy ny tompon’andraikitra an-tsekoly ny fanimbanimbana zavatr’olona foana ireo olom-pirenena be fiahiana, amin’ny ankapobeny. Milaza toy izao ny The World Book Encyclopedia, mahakasika ny fampiharana ny lalàna: “Azo sazina amin’ny lamandy na ny fampidirana am-ponja izay manimbanimba zavatr’olona. Ny fanjakana sasany dia manana lalàna izay mihevitra ny ray aman-dreny ho tompon’andraikitra amin’ny fanimbanimbana zavatr’olona ataon’ireo zanany. Tsy voasazy anefa ny ankamaroan’ireo manimbanimba zavatr’olona. Sarotra mantsy ny hampiharana ny lalàna amin’ny tarehin-javatra toy ireny, ary tsy dia lafo ny vidin’ny ankamaroan’ireo zavatra simba, ka hoe mendrika ny hoentina any amin’ny fitsarana ilay raharaha.” Nasehon’ny tatitra iray fa 3 isan-jaton’ny mpandika lalàna monja no mba voasambotra.
Azo inoana ny hanekenao fa ny fanabeazana sahaza ataon’ny ray aman-dreny dia mety ho ny fomba tsara indrindra hiadiana amin’ny antony fototra iray mahatonga ditra. Rehefa miharatsy anefa ny fiainam-pianakaviana, dia mitondra faisana ny fiaraha-monina. Nomarihin’ny Profesora Ana Luisa Vieira de Mattos, ao amin’ny Oniversiten’i São Paulo, any Brezila, fa anisan’ny antony miteraka olana eo amin’ny tanora ‘ny tsy fahampian’ny fanaraha-mason’ny ray aman-dreny, ny tsy fisian’ny fitsipika sy ny fifampiresahana, ny fanaovana tsirambina, ny tsy firaikana, na ny tsy firaharahana’.
Azo antoka fa hitantsika amin’izao androntsika izao, ny fahatanterahan’ireto tenin’i Jesosy ireto: “Noho ny haben’ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro.” (Matio 24:12). Ary iza no handa ny fahamarinan’ireo teny voarakitra ao amin’ny 2 Timoty 3:1-4? Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly: “Aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona, miteny ratsy, tsy manoa ray sy reny, tsy misaotra, tsy manaja izay masina, tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara, mpamadika, kirina, mpieboebo, tia ny fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an’Andriamanitra”. Izao no zava-misy: Ny miaina eo anivon’ny olona manana ireo toetra ireo fotsiny dia mahatonga ho maditra. Tsy tokony hanary toky anefa isika. Tsy nahavita nanafoana ny fanimbanimbana zavatr’olona ny fiaraha-monina, amin’ny ankapobeny, kanefa afaka mahita olona nahomby teo amin’ny fanovana ny fomba fiainany isika. Nialan’izy ireny ny tsy fahalalam-pomba sy ny tsy firaharahana. Raha ny aminy, dia efa nitsahatra ny fanimbanimbana zavatr’olona.
Tari-dalana tsara ho an’ny tanora
Inona no nanampy ireo mpanimbanimba zavatr’olona sy ny hafa koa hanova ny toetrany? Na dia mety ho toa sarotra inoana ho an’ny mpanabe sy ny ray aman-dreny sasany aza ilay izy, dia ny Baiboly no manome tari-dalana tsara dia tsara sy araka ny toetr’andro. Tamin’ny fanarahana izany tari-dalana izany, dia voatosika hankato izao lalàn’Andriamanitra voafaritra tsara izao ny mpanimbanimba zavatr’olona taloha sasany: “Aza manaraka ny maro hanao ratsy”. (Eksodosy 23:2). Maro no voasintona ho amin’ny fahamarinana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra momba ny zavatra inoana sy ny foto-pampianarana izay tsy takatr’izy ireo mihitsy teo aloha. Ary nisy fiantraikany tsara teo aminy izay nianarany. Diniho ny zavatra niainan’i José, tanora iray any São Paulo. Nobeazina mba hino ny ilana ampiasana sary eo amin’ny fanompoam-pivavahana izy. Rehefa nianarany fa manana anarana hoe Jehovah, Andriamanitra, ary tsy ankasitrahan’i Jehovah ny fivavahana amin’ny sary, dia niova i José mba hanaovana izay ankasitrahana eo imason’Andriamanitra. — Eksodosy 20:4, 5; Salamo 83:18; 1 Jaona 5:21; Apokalypsy 4:11.
I Nelson dia tsy nifidy ny hanaraka fiainana nahakivy foana hatrany, teo amin’ireo andian-jiolahy sy ny rotaka feno herisetra. Nahita tena fanantenana ho amin’ny hoavy kosa izy, ary nitondra fanamaivanana lehibe ho azy izany. Hoy izy: “Tsy ailiky ny fianakaviako noho ny fiarahana amin’ny naman-dratsy sy ny fidorohana zava-mahadomelina intsony aho, fa izaho indray ankehitriny no hajaina indrindra ato an-trano. Matetika no asain’ny raiko manome torohevitra an’ireo zokiko lahy aho. Hatramin’ny nanombohako niara-nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nahita fifaliana aho satria manan-java-kendrena eo amin’ny fiainana ankehitriny.” Ary ho an’ny tanora mponina an-tanàn-dehibe toa an’i Marco, izay zatra niaina tao amin’ny tontolo iray feno herisetra, dia tena nankahery tokoa ny nahafantatra fa hanova ny tany ho paradisa ny Fanjakan’Andriamanitra. — Apokalypsy 21:3, 4.
Diniho koa ny amin’ny mpikambana iray tao amin’ny andian-jiolahy, mpiady an-dalam-be sy mpanimbanimba zavatr’olona. Noho izy kamboty ka nanana fahazazana tena nampalahelo, dia tohina mafy ny fon’i Valter, nahita fa, hay, Andriamanitra manana vahoaka eo anivon’ny fandehan-javatra iray ratsy fitondran-tena sy ratsy fanahy. Izy ireo dia miezaka amim-pahatsorana hampihatra ireo foto-pitsipika ara-baiboly eo amin’ny fiainany, ka maneho fangoraham-po sy fiheverana ary hatsaram-panahy. Nanazava toy izao i Valter: “Mifanaraka amin’ny fampanantenan’i Jesosy, dia manana fianakaviambe iray aho ankehitriny, dia ‘rahalahy sy anabavy sy reny ary ray’. Mahakasika ny hoavy, dia tsy andriko ny fotoana hiainan’ny olona ao anatin’ny fahasambarana sy ny firaisan-kina eo ambanin’ny fitondram-panjakana marin’Andriamanitra.” — Marka 10:29, 30; Salamo 37:10, 11, 29.
Zavatra tsara kokoa noho ny fihetsiketsehana ho fanoherana
Ho fanampin’ny fanehoam-piheverana sy ny fanehoam-pitiavana amin’ireo mpiara-belona aminy, dia nianatra ‘nankahala ny ratsy’ koa ireo mpanimbanimba zavatr’olona taloha ireo. (Salamo 97:10; Matio 7:12). Ahoana ny aminao? Na dia olona mijaly fotsiny noho ny vokatry ny fanimbanimbana zavatr’olona miely patrana aza ianao, ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra dia hahatonga an’i Jehovah ho tena misy aminao, ho toy ny Ray be fitiavana any an-danitra izay maniry hiahy anao. (1 Petera 5:6, 7). Afaka manampy anao hitombo eo amin’ny lafiny ara-panahy Andriamanitra, na dia eo aza ny fahalemenao manokana, na ny fahantranao. Na izany fotsiny aza dia efa zavatra mahatalanjona!
Tena maniry marina ny hananan’ny karazan’olona rehetra fahafahana hianatra ny fahamarinana ara-baiboly, i Jehovah sy i Jesosy Kristy Zanany. Afaka manao mihoatra noho ny manampy olona hitsahatra tsy ho mpanimbanimba zavatr’olona ny Tenin’Andriamanitra, dieny izao. Afaka manosika azy ireo hanao ezaka fanampiny eo amin’ny fampiharana ireo foto-pitsipik’Andriamanitra izy io. Ho vokatr’izany, izy ireo dia tonga anisan’ny fianakavian’ny mpirahalahy iraisam-pirenena, fantatra noho ny fahadiovany sy ny fahalalam-pombany, izany hoe ny kôngregasiôna maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mifanaraka amin’ny Efesiana 4:24, ireny Kristianina tso-po ireny dia ‘nitafy ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana’. Ho feno olona toy izany ny tany tsy ho ela, satria izy ireo no hany ho tafita velona ka hiaina mandrakizay. — Ampitahao amin’ny Lioka 23:43, NW.
Hisy ny tontolo vaovao iray ho afaka amin’ny fanimbanimbana zavatr’olona
Mino ve ianao fa tena azo fongorana ny fanimbanimbana zavatr’olona? Raha eny, ahoana no hahatanteraka ny fiovana lehibe toy izany? Tsy ho ela, ny Fanjakan’Andriamanitra dia hanafoana ity fandehan-javatra ratsy ity. Hoheverina ho tompon’andraikitra amin’izay mety ho fandikana an-tsitrapo ny lalàna marin’Andriamanitra ireo izay monina eto an-tany. (Ampitahao amin’ny Isaia 24:5, 6.) “Ny mpanota haringana avokoa”, fa ireo tia ny fahitsiana kosa hovonjena. ‘I Jehovah hamonjy azy sy hanafaka azy; eny, hanafaka azy amin’ny ratsy fanahy izy ka hamonjy azy, satria nialoka taminy izy.’ — Salamo 37:38-40.
Eny tokoa, hofoanana tanteraka hatramin’ny fakany ny fanimbanimbana zavatr’olona. Ary ho toy izany koa ny heloka bevava sy ny fampahoriana sy ny fijaliana ary ny faharatsiana rehetra. Hampiavaka ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao kosa ny fiadanana, ny tena fahitsiana sy ny filaminana ary ny fandriampahalemana. Lazalazain’ny Isaia 32:18 toy izao izay ho tanteraka ara-bakiteny: “Ny oloko hitoetra ao amin’ny fonenana mandry fahizay sy ao amin’ny fitoerana mahatoky ary ao amin’ny fialan-tsasatra feno fiadanam-po”. Eny, hisy paradisa kanto iray haneran-tany honenan’ny olona maneho fitiavana sy fiheverana ny hafa.
Efa manana fifandraisana akaiky sahady amin’i Jehovah Andriamanitra ireo mpanimbanimba zavatr’olona taloha, miaraka amin’ny olon-kafa an-tapitrisany maro. Tsy mandray anjara intsony amin’izay mety ho fanimbanimbana zavatr’olona izy ireny. Hamela ny Tenin’Andriamanitra hitarika anao ho amin’ny fiainana ao amin’ilay tontolony vaovao koa ve ianao? Nahoana raha manao tahaka ilay mpanao salamo fahiny, izay nandrakitra an-tsoratra ny fanambaran’i Jehovah, manao hoe: “Hanome saina anao sy hampianatra anao izay làlan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.” — Salamo 32:8.
[Sary, pejy 7]
Miaro ny tanora ny fanehoam-piheverana sy ny fitiavan’ny ray aman-dreny