FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w99 1/10 p. 28-31
  • Mahazo Hery Hilazana hoe Tsia Raha ny Amin’ny Fanaovan-dratsy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahazo Hery Hilazana hoe Tsia Raha ny Amin’ny Fanaovan-dratsy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tena zava-dehibe ny hilazana hoe tsia amin’izao andro izao
  • Fianarana avy amin’ny tovolahy iray nilaza hoe tsia
  • Filazana hoe tsia amin’ny fitaoman’ny hafa
  • Ny filazana hoe tsia — Raharaha iankinan’ny aina
  • “Hataoko Ahoana ny Hanao Izany Ratsy Lehibe Izany?”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Fomba Fijery Araka An’Andriamanitra Momba ny Fahadiovam-pitondran-tena
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
  • Ny ady atao mba hanaovana izay marina
    Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-Tany
  • Aza mandray anjara amin’ny fahotan’ny hafa
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1986
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
w99 1/10 p. 28-31

Mahazo Hery Hilazana hoe Tsia Raha ny Amin’ny Fanaovan-dratsy

“FONY aho mbola zatovo sy niasa tao amin’ny fivarotana enta-madinika iray”, hoy ny nohazavain’i Timothy, “dia nanasa ahy ho any an-tranony ny mpiara-miasa iray. Nilaza izy fa tsy ho ao ny ray aman-dreniny, ary hisy tovovavy ao, ka hisy fahafahana hanao firaisana.” Tanora maro amin’izao andro izao no ho mailaka hilaza hoe eny, amin’ny fanasana toy izany. Ahoana anefa no fihetsik’i Timothy? “Nilaza taminy avy hatrany aho fa tsy ho avy, ary noho ny feon’ny fieritreretako kristianina, hoy aho, dia tsy naniry hanao firaisana tamin’ny olona tsy vadiko aho.”

Raha mbola nanazava ny fandavany i Timothy, dia tsy fantany fa nihaino mangingina ny resany ny mpiasa vavy tanora iray. Nahasarika azy io ny fahadiovam-pitondran-tenan’i Timothy, ary tsy ela i Timothy dia voatery nilaza taminy koa hoe tsia — imbetsaka, araka ny ho hitantsika any aoriana.

Mazava ho azy fa tsy lafiny mampiavaka ny androntsika ihany akory ny fisian’ny fakam-panahy be dia be. Izao no nosoratan’i Solomona Mpanjaka, 3 000 taona lasa teo ho eo izay: “Anaka, raha taomin’ny mpanota hianao, aza manaiky. (...) Arovy ny tongotrao tsy hankamin’ny alehany”. (Ohabolana 1:10, 15). I Jehovah mihitsy no nandidy ny firenen’ny Isiraely hoe: “Aza manaraka ny maro hanao ratsy”. (Eksodosy 23:2). Eny, indraindray dia tsy maintsy milaza hoe tsia isika, ka manohitra ny fakam-panahy hanao ratsy, na dia mety ho tsy fanaom-bahoaka aza izany.

Tena zava-dehibe ny hilazana hoe tsia amin’izao andro izao

Tsy mora na oviana na oviana ny nilaza hoe tsia raha ny amin’ny fanaovan-dratsy, ary tena sarotra ny milaza izany ankehitriny, satria miaina ao amin’izay antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany” ho an’ity fandehan-javatra ity isika. Mifanaraka amin’izay voalazan’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, ny ankapoben’olona dia nanjary tia fahafinaretana sy herisetra, sady tsy manam-pitiavana ny zavatra ara-panahy no tsy manana fitsipi-pitondran-tena. (2 Timoty 3:1-5, NW ). Nanambara toy izao ny talen’ny oniversite zezoita iray: “Isika dia nanana fitambarana fari-pitsipika efa nahazatra, izay nanjary niadian-kevitra sy nahitana tsininy na tsy araka ny toetr’andro intsony. Izao dia toa tsy misy sori-dalana ara-pitondran-tena mihitsy.” Nilaza hevitra mitovy amin’izany ny mpitsara iray ao amin’ny fitsarana ambony iray, ka nanao hoe: “Tsy misy hoe tsara sy ratsy intsony, fa eo anelanelany ny zavatra rehetra. (...) Mihavitsy ny olona mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Ny ho tratra no fahotana ankehitriny, fa tsy ny fandikan-dalàna.”

Izao no nosoratan’ny apostoly Paoly mahakasika ny olona manana toe-tsaina toy izany: “Efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ny fiainan’Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ao anatiny, noho ny hamafin’ny fony, dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ny fieremana”. (Efesiana 4:18, 19). Misy loza mananontanona azy ireny anefa. Hoy ny nambaran’i Isaia: “Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy! Izay manao ny maizina ho mazava ary ny mazava ho maizina!” (Isaia 5:20). Tsy vitan’ny hoe mijinja izay afafiny ireny olona ireny ankehitriny, fa tsy ho ela koa dia hiharan’ilay ‘loza’ lehibe indrindra, dia ny fanamelohan’i Jehovah. — Galatiana 6:7.

“Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay”, hoy ny Salamo 92:7. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe tsy hitohy tsy hisy farany akory izany faharatsiana mandrobona be izany, ka hahatonga ny fiainana ho tsy tantin’ny rehetra. Raha ny marina, dia nilaza i Jesosy fa ilay “taranaka” manohana izany faharatsiana izany mihitsy no hovonoin’Andriamanitra ao amin’ny “fahoriana lehibe” iray. (Matio 24:3, 21, 34). Koa raha irintsika àry ny ho voatsimbina mandritra izany fahoriana izany, dia mila mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy, araka ny fari-pitsipik’Andriamanitra isika; ary mazava ho azy fa mila manana ilay herim-po hilazana hoe tsia koa isika, raha ny amin’ny fanaovan-dratsy amin’ny endriny rehetra. Na dia tsy mora aza izany, dia nanome antsika ohatra sasany mampahery i Jehovah, tamin’ny andron’ny Baiboly sy amin’izao andro izao.

Fianarana avy amin’ny tovolahy iray nilaza hoe tsia

Toa tena sarotra ny milaza hoe tsia raha ny amin’ny fijangajangana sy ny fanitsakitsaham-bady, eny fa na dia ho an’ny sasany ao amin’ny kôngregasiôna kristianina aza. I Timothy, voatonona ao amin’ny fehintsoratra fanokafana, dia nandray am-po ny ohatr’ilay tovolahy atao hoe Josefa, voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Soratra Masina, ao amin’ny Genesisy 39:1-12. Nampiseho herim-po i Josefa rehefa nanasa azy imbetsaka hanao firaisana taminy ny vadin’i Potifara, tandapa ejipsianina. ‘Nanda’ i Josefa, hoy ilay fitantarana, ‘ka nanao hoe: Hataoko ahoana no hanao izany ratsy lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?’

Ahoana no nahatonga an’i Josefa hanana ilay herim-po hilazana hoe tsia tamin’ny vadin’i Potifara, isan’andro isan’andro? Voalohany aloha, dia nihevitra ny fifandraisany tamin’i Jehovah ho sarobidy lavitra noho ny fahafinaretana mihelina izy. Fanampin’izany, dia takany mazava ny hevitra fonosin’ireo foto-pitsipika ara-pitondran-tena, na dia tsy teo ambanin’ny fehezan-dalàna iray avy tamin’Andriamanitra aza izy (mbola tsy nisy ny Lalàn’i Mosesy). Fantany fa ny fijangajangana tamin’ny vadin’i Potifara matimaty taminy, dia tsy vitan’ny hoe fanotana tamin’i Potifara, fa fanotana tamin’Andriamanitra koa. — Genesisy 39:8, 9.

Miharihary fa takatr’i Josefa ny maha zava-dehibe ny tsy handrehetana akory ny faniriana izay mety hahatonga afo midedadeda tsy hay vonoina, dia ny filan’ny nofo. Fahendrena ho an’ny Kristianina ny manaraka ny ohatr’i Josefa. Milaza toy izao Ny Tilikambo Fiambenana (anglisy) tamin’ny 1 Jolay 1957: “Tsy maintsy miaiky ny amin’ny fahalemen’ny nofony izy, ka tsy hihevitra fa afaka manaraka ny fanirian’ny nofo hatramin’ny fetra amelan’ny Soratra Masina ny tenany, ary dia mijanona hatreo. Na dia mety hahavita hanao izany aza izy mandritra ny fotoana kelikely, dia ho voasarika hihoatra izany fetra izany izy amin’ny farany, ka hanota. Azo antoka ny hitrangan’izany, satria ny filan-dratsin’ny nofo izay voakolokolo dia mitombo hery ka hangeja kokoa ny olona iray. Hampananosarotra azy kokoa amin’izay ny hanaisotra azy io ao an-tsainy. Ny manohitra azy io hatrany am-boalohany no fiarovana tsara indrindra ho azy.”

Ho mora kokoa ny manohitra hatrany am-boalohany, rehefa mampitombo fitiavana izay tsara sy fankahalana izay ratsy, isika. (Salamo 37:27). Mila mitozo sy maneho fikirizana anefa isika. Raha manao izany isika, omban’ny fanampian’i Jehovah, dia hihamafy ny fitiavantsika ny tsara sy ny fahatsapantsika rikoriko amin’ny ratsy. Etsy an-danin’izany, dia mazava ho azy fa tsy maintsy mitoetra ho mailo isika, araka ny toromarik’i Jesosy, ka hivavaka hatrany mba hitsimbinana antsika tsy voan’ny fakam-panahy sy mba hanafahana antsika amin’ilay ratsy. — Matio 6:13; 1 Tesaloniana 5:17.

Filazana hoe tsia amin’ny fitaoman’ny hafa

Ny lafin-javatra hafa iray mitarika hanao ratsy, dia ny fitaoman’ny hafa. Niaiky toy izao ny tanora iray: “Manana fiainana roa sosona aho: ny iray any am-pianarana, ary ny iray ao an-trano. Any am-pianarana aho dia miaraka amin’ny ankizy, izay saiky miteny ratsy foana isaky ny manokatra ny vavany. Ary dia lasa sahala amin’izy ireny aho. Inona no tokony hataoko?” Ny ilaina dia ny hananana ilay herim-po hisehoana ho hafa, ary ny fomba iray hahazoana azy io dia amin’ny alalan’ny famakiana sy ny fisaintsainana ny fitantarana ao amin’ny Baiboly, izay milaza amintsika momba ireo mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika, toa an’i Josefa. Ny ohatra tsara dia tsara hafa dia i Daniela sy i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego — tovolahy efatra izay nanana ilay herim-po hisehoana ho hafa.

Raha mbola nampianarina niaraka tamin’ireo tovolahy hafa tao an-dapan’i Babylona ireo tovolahy isiraelita efatra ireo, dia nasaina nihinana “izay anjara (...) isan’andro, amin’ny hanin’ny mpanjaka”. Tsy ta handika ny tapany tamin’ny Lalàn’i Mosesy mahakasika ny sakafo izy ireo, ka nilaza hoe tsia, raha ny amin’io sakafo io. Nitaky herim-po izany — ary vao mainka izany no izy, satria azo inoana fa tena nampilendalenda ireo sakafo ireo, noho ilay izy “hanin’ny mpanjaka”. Ohatra tsara dia tsara tokoa no navelan’ireo tovolahy ireo ho an’ny Kristianina amin’izao andro izao, izay mety halaim-panahy, eny, mety hoterena mihitsy aza, hanaram-po amin’ny zava-pisotro misy alkaola na hidoroka zava-mahadomelina sy hifoka sigara! — Daniely 1:3-17, Fandikan-teny Katolika.

I Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego, dia nampiseho koa ny fahamarinan’izay nolazain’i Jesosy Kristy tatỳ aoriana, manao hoe: “Izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be”. (Lioka 16:10). Somary kely ny raharaha momba ny sakafo, kanefa ny fijoroan’izy ireo tamin-kerim-po tamin’izy io, sy ny vokany tsara dia tsara avy tamin’i Jehovah, dia tsy isalasalana fa nanatanjaka azy ireo hiatrika fitsapana lehibe kokoa, tatỳ aoriana. (Daniela 1:18-20). Nitranga izany fitsapana izany rehefa nodidiana handray anjara tamin’ny fanompoan-tsampy izy ireo. Ho voaheloka ho faty tamin’ny alalan’ny afo izy ireo, raha tsy nanao izany. Nampiseho herim-po ireo tovolahy telo ireo ka tapa-kevitra hatrany ny tsy hivavaka afa-tsy tamin’i Jehovah, ary natoky azy tanteraka na inona na inona ho vokany. Teo indray koa, dia nitahy azy ireo noho ny finoany sy ny herim-pony i Jehovah, ka tamin’io indray mandeha io, dia niaro azy ireo tamin’ny fomba mahagaga tamin’ny lelafo, rehefa natsipy tao anatin’ny lafaoro natao faran’izay nahamay izy ireo. — Daniela 3:1-30.

Ny Tenin’Andriamanitra dia mirakitra ohatra maro hafa navelan’ireo izay nilaza hoe tsia raha ny amin’ny fanaovan-dratsy. I Mosesy dia nilaza hoe tsia raha ny amin’ny ‘hanaovana azy hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao’, na dia ho nanome azy fahafahana be dia be hanaram-po ‘tamin’ny fifaliana vetivety tamin’ny fahotana’ tao Ejipta aza izany. (Hebreo 11:24-26). Nanda tsy hanampatra ny fahefany i Samoela mpaminany ka tsy nety nandray kolikoly. (1 Samoela 12:3, 4). Namaly tamim-pahasahiana hoe tsia ny apostolin’i Jesosy Kristy rehefa nodidiana hampitsahatra ny fitoriana. (Asan’ny Apostoly 5:27-29). Ny tenan’i Jesosy dia nilaza tamin’ny fomba hentitra hoe tsia raha ny amin’ny fanaovan-dratsy rehetra — hatramin’ny fotoana farany niainany, fony nisy miaramila nanolotra azy “divay miharo miora”. Ny fanekeny azy io mantsy dia nety ho nampihena ny fahatapahan-keviny tamin’io fotoan-tsarotra io. — Marka 15:23; Matio 4:1-10.

Ny filazana hoe tsia — Raharaha iankinan’ny aina

Hoy i Jesosy: “Midira amin’ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.” — Matio 7:13, 14.

Tiam-bahoaka ilay lalana malalaka, satria mora andehanana. Ireo mpandeha eo amin’izy io dia mampanaram-po ny tenany, mirona ho amin’ny fisainana sy ny fomba araka ny nofo, ary tsy maniry ho hafa fa maniry kosa hitovy amin’ny tontolon’i Satana. Mahatsiaro ho voafehifehin’ny lalàn’Andriamanitra sy ny foto-pitsipiny izy ireo eo amin’ny fitondran-tena. (Efesiana 4:17-19). Nilaza mazava anefa i Jesosy fa mankany “amin’ny fahaverezana” na fandringanana, ilay lalana malalaka.

Nahoana anefa i Jesosy no nilaza fa vitsivitsy monja no mifidy ny handeha amin’ilay lalana tery? Voalohany indrindra, dia satria olom-bitsy ihany no maniry ny hifehezan’ny lalàn’Andriamanitra sy ny foto-pitsipiny ny fiainany sy ny hanampian’izany azy hanohitra ireo fakam-panahy sy fahafahana maro hanao ratsy, manodidina azy. Ankoatra izany, dia somary vitsivitsy ihany no miomana hiady amin’ny faniriana tsy ara-dalàna, sy ny fitaoman’ny hafa, ary ny tahotra ny hoharabina, izay mety hahazo azy noho ilay lalana nofidiny. — 1 Petera 3:16; 4:4.

Takatr’ireny olona ireny tsara hoe nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Paoly fony izy nilazalaza ilay ady nataony mba hilazana hoe tsia raha ny amin’ny fahotana. Tahaka ny tontolo amin’izao andro izao, ny tontolo romanina sy grika tamin’ny andron’i Paoly, dia nampisy lalana malalaka nahafahana nanaram-po tamin’ny fanaovan-dratsy. Nohazavain’i Paoly fa ny sainy, izay nahafantatra izay tsara, dia tsy nitsahatra ‘niady’ tamin’ny nofony nirona ho amin’ny fanaovan-dratsy. (Romana 7:21-24). Eny, fantatr’i Paoly fa ny vatany dia mpanompo tsara, saingy tompo ratsy, koa nianatra nilaza hoe tsia tamin’izy io izy. “Asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko”, hoy no nosoratany. (1 Korintiana 9:27). Ahoana no nahavitany nifehy tena toy izany? Tsy noho ny herin’ny tenany akory, satria atody niady tamim-bato izy, fa noho ny fanampian’ny fanahin’Andriamanitra kosa. — Romana 8:9-11.

Vokatr’izany, dia nihazona ny tsy fivadihany tamin’i Jehovah hatramin’ny farany i Paoly, na dia tsy lavorary aza. Taloha kelin’ny nahafatesany, dia afaka nanoratra toy izao izy: “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahako aho; nitahiry ny finoana aho; hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana”. — 2 Timoty 4:7, 8.

Eo am-piadiantsika amin’ny tsy fahalavorariantsika, dia manana ohatra mampahery isika, tsy ny ohatr’i Paoly ihany, fa ny an’ireo ohatra ho an’i Paoly koa, dia ny ohatr’i Josefa, i Mosesy, i Daniela, i Sadraka, i Mesaka, i Abednego, ary ny maro hafa. Na dia olombelona tsy lavorary aza ireny lehilahy nanam-pinoana ireny, dia samy nilaza hoe tsia raha ny amin’ny fanaovan-dratsy, tsy noho izy ireo be di-doha na be kiry akory, fa noho ny herim-po nateraky ny fanahin’i Jehovah kosa. (Galatiana 5:22, 23). Lehilahy araka ny fanahy izy ireo. Nangetaheta ny teny rehetra naloakan’ny vavan’i Jehovah izy ireo. (Deoteronomia 8:3). Nidika ho fiainana ho azy ireo ny tenin’i Jehovah. (Deoteronomia 32:47). Ambonin’ny zavatra rehetra, dia tia an’i Jehovah sy natahotra azy izy ireo, ary noho ny fanampiany, dia namboly tamim-paharetana fankahalana ny fanaovan-dratsy izy ireo. — Salamo 97:10; Ohabolana 1:7.

Enga anie isika ho sahala amin’izy ireo. Eny tokoa, mba haharetana amin’ny filazana hoe tsia raha ny amin’ny fanaovan-dratsy amin’ny endriny rehetra, dia mila ny fanahin’i Jehovah sahala amin’izy ireo isika. Manome antsika amim-pahalalahan-tanana ny fanahiny i Jehovah raha mangataka azy io amim-pahatsorana sy mianatra ny Teniny ary manatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristianina isika. — Salamo 119:105; Lioka 11:13; Hebreo 10:24, 25.

I Timothy, voatonona tetsy am-piandohana, dia faly fa tsy nanao tsirambina ny zavatra ilainy ara-panahy. Ilay mpiasa vavy tanora, izay sendra nandre ny resaka nifanaovany tamin’ilay mpiara-miasa taminy, ka voasintona tsy araka ny tokony ho izy noho ny fahadiovan’ny fitondran-tenan’i Timothy, dia nanasa mangingina an’i Timothy ho any an-tranony tamin’ny fotoana tsy naha tao ny vadiny. Nanda i Timothy. Tsy nampitakemotra mora foana an’ilay vehivavy anefa izany, fa nanasa azy imbetsaka izy, tahaka ny vadin’ny Potifara. Nilaza tamin’ny fomba hentitra nefa tamin-katsaram-panahy hoe tsia i Timothy, isaky ny nasainy. Nanaovany fanambarana tsara dia tsara avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra mihitsy aza io vehivavy io. Velom-pankasitrahana lalina an’i Jehovah i Timothy, noho ny nanomezany azy ny herin-tsaina hilazana hoe tsia, satria sambatra ny tenany ankehitriny manambady Kristianina iray tena mahafinaritra. Eny tokoa, i Jehovah dia hitahy sy hanatanjaka an’ireo rehetra maniry hihazona ny tsy fivadihany kristianina, amin’ny filazana hoe tsia raha ny amin’ny fanaovan-dratsy. — Salamo 1:1-3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara