Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana
Mitondra Vokatra Mahafa-po ny Faharetana sy Fikirizana
EFA nilaza i Jesosy Kristy fa “hihamangatsiaka ny fitiavan’ny maro”, amin’ny andro farany. Tsy miraharaha ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana àry ny ankamaroan’ny olona any amin’ny faritra maro maneran-tany. Mankahala ny fivavahana mihitsy aza ny sasany.—Matio 24:12, 14.
Mahavita mandresy izany zava-tsarotra izany anefa ny mpitory ilay Fanjakana, noho izy ireo manana finoana sy faharetana, araka ny asehon’ity fitantarana avy any amin’ny Repoblika Tseky ity.
Tsy nety namoha ny varavarany ny vehivavy iray, rehefa niresaka taminy ny Vavolombelona roa, ka tao ambadik’ilay varavarana izy ireo no niteny. Novohany kely fotsiny ilay varavarana nony afaka kelikely, navoakany ny tanany, ary nalainy ireo gazety Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! natolotr’ireo Vavolombelona. Niteny izy hoe: “Misaotra”, ary nakatony ny varavarana. Nifanontany ireo Vavolombelona hoe: “Tokony hiverina hitsidika azy ve isika?” Tapa-kevitra ny hiverina ny iray tamin’izy ireo, izay mpisava lalana, na mpitory manontolo andro. Tsy niova anefa ny fihetsik’ilay vehivavy, ary nitohy nandritra ny herintaona izany.
Tapa-kevitra ny hanova ny tari-dresaka nampiasainy ilay mpisava lalana, ka nivavaka mba hahazo ny fanampian’i Jehovah. Rehefa nanolotra gazety tamin’ilay vehivavy indray izy, dia nanontany tamin-katsaram-panahy hoe: “Manao ahoana ny fahasalamanao? Tianao ve ireo gazety?” Tsy namaly ilay vehivavy tamin’ny voalohany, nefa lasa tsara fanahy kokoa izy, rehefa niverina nitsidika azy imbetsaka ilay mpisava lalana. Novohany nidanadana ny varavarana indray mandeha, nefa fohy ihany ny resak’izy ireo.
Hitan’ilay mpisava lalana fa tsy te hiresaka teo am-baravarana ilay vehivavy, ka tapa-kevitra ny hanoratra taminy izy, mba hanazava ny antony nitsidihany azy ary hanolotra fampianarana Baiboly. Rehefa avy niezaka sy naneho faharetana nandritra ny herintaona sy tapany ilay mpisava lalana, dia nanaiky hianatra Baiboly ilay vehivavy. Gaga ilay mpisava lalana rehefa niteny ilay vehivavy tatỳ aoriana hoe: “Tamin’ny fotoana nanateranao gazety tatỳ amiko vao nanomboka nino an’Andriamanitra aho.” Nampahery an’ilay mpisava lalana izany.
Afaka mitondra vokatra mahafa-po tokoa ny faharetana sy fikirizana, eo am-panaovana ny asa fitoriana momba ilay Fanjakana sy fanaovana mpianatra.—Matio 28:19, 20.