FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/03 p. 3
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2000
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Fandaharana Momba ny Toeram-pivavahana
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 1/03 p. 3

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Inona avy no andraikitry ny mpikarakara ny mpanatrika mandritra ny fivorian’ny fiangonana?

Tokony handray amim-pitiavana izay rehetra mamonjy fivoriana ny mpikarakara ny mpanatrika. Anisan’ny andraikitr’izy ireo ny manome toerana ho an’ny tara, manisa ny mpanatrika, mitandro ny filaminana ary manao izay hahatonga ny Efitrano Fanjakana ho tafiditry ny rivotra tsara. Tokony ho sariaka ny mpikarakara ny mpanatrika. Tokony ho rahalahy mahay mandray andraikitra izy, ary tsy mila hampahatsiahivina vao hanatanteraka izany.—om-MG p. 63-64.

Tokony ho mailaka hanampy ireo vaovao ny mpikarakara ny mpanatrika, ka handray tsara azy ireo sy hanome toerana ho azy. Tokony hiarahaba sy handray tsara an’ireo vaovao ny mpikambana rehetra eo anivon’ny fiangonana. Tsy tokony hanelingelina ireo efa mipetraka ny mpikarakara ny mpanatrika rehefa manome toerana ho an’ny tara. Izy ireo indraindray no manome gazety hianaran’ny olona vaovao.

Tena ilaina ny hihazonana ny filaminana, mandritra ny fivoriana. Ampirisihina hitondra ny zanany any am-pivoriana ny ray aman-dreny ka mety hanelingelina izy ireny indraindray. Rehefa mipelipelika sy mitabataba foana anefa ny ankizy, dia tokony hanome fanampiana amin-katsaram-panahy ny mpikarakara ny mpanatrika. Mety hasainy hitondra ilay zaza hivoaka kely ny ray aman-dreniny. Tsy hanelingelina ny hafa ny ray aman-dreny mitaiza kely, rehefa tsy maintsy mitondra ilay zaza any ivelany, raha mipetraka tsy lavitra ny varavarana.

Tokony hotendrena hiaro amin’ny fanimbanimbana zavatr’olona, na ny fanakorontanan’ny mpanohitra ny mpikarakara ny mpanatrika, any amin’ny toerana misy korontana. Tokony hasaina hivoaka ny olona mitady hanakorontana ny fivoriana. Afaka miantso ny mpitandro filaminana ny anti-panahy raha tsy mety izy, fa mikiry manakorontana ihany. (Manana toro lalana fanampiny hiatrehana ny toe-javatra toy izany ny anti-panahy.) Mila manara-maso ny parking mandritra ny fivoriana angamba ny rahalahy voatendry, any amin’ny toerana sasany.

Tokony hisaina ny olon-dehibe rehetra, rehefa manisa ny mpanatrika izy ireo. Tokony hisainy koa ny ankizy raha efa afaka mihaino sy mandray soa, na dia kely fotsiny aza.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara