Fomba fampiseho ny vaovao tsara—Amin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly
1 Teto Madagasikara, nandritra ny taom-piasana farany, dia fampianarana Baiboly 8710 teo ho eo no natao isam-bolana. Toa saiky nanam-pifaliana nitarika iray na maromaro tamin’izany àry ny mpitory sasantsasany teto. Miharihary fa, raha tsy nahakasika afa-tsy ny mpitory sasantsasany teo ho eo fotsiny izany, dia tsoahina avy amin’izany fa ny hafa dia tsy nitarika fampianarana Baiboly. Ahoana no hahafahantsika ho maromaro kokoa hahita fahafahampo manokana hampianatra ny fahamarinana amin’olona?
2 Koa satria tia an’Andriamanitra sy ny namantsika isika, dia irintsika ny hizara ny fahamarinana amin’ny hafa. Mila ny fanampian’i Jehovah anefa isika eo amin’ny fanompoantsika (1 Kor. 3:6, 7). Noho izany, tsy ho tsara ve ny hiresahantsika amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka sy ny hangatahantsika aminy mba hanampy antsika hanomboka fampianarana Baiboly iray any an-tokantrano (1 Jaona 5:14, 15)? Manaraka izany, dia tokony hanao zavatra mifanaraka amin’ny hataka nataontsika isika ary hitory matetika araka ny amelan’ny toerana misy antsika, amin’ny fanolorana fampianarana Baiboly iray any an-tokantrano isaky ny manana fahafahana hanao izany isika.
Maro ny fahafahana hanao mpianatra
3 Tao anatin’ireo taona faramparany, isika dia nizara boky sy bokikely an-tapitrisany maro. Nanana ny toerany tao amin’ny tokantranon’olona an’arivony maro tsy Vavolombelon’i Jehovah ny boky Hiaina mandrakizay sy Fiadanana ary Fahamarinana, ankoatra ny zavatra hafa. Izany dia mampiseho fahafahana tsy misy toy izany hanomboka fampianarana Baiboly.
4 Rehefa mamaly antsika ilay olona fa tena fantany tsara ny asantsika na efa manana anankiray amin’ireo zavatra vita an-tsoratra navoakantsika izy, dia ho azontsika atao ny hiteny aminy fa faly isika amin’izany (jereo Comment raisonner, pejy faha-20). Raha manana zavatra vita an-tsoratra iray izy, dia azontsika atao amim-pitiavana ny manipy hevitra aminy haka izany sy hamela antsika hampiseho aminy hevitra mahaliana vitsivitsy izay mety hitondra zavatra ho azy, ary koa ho an’ny fianakaviany. Raha mampiseho fahalianana izy, dia aoka isika hanolotra ho azy fampianarana Baiboly any an-tokantrano.
5 Ny zavatra ho azo atao hafa iray koa dia ny manomboka manontany an’ilay olona raha manana anankiray amin’ireo zavatra nosoratantsika izy. Mety handaitra indrindra izany ao amin’ny faritany iray izay nizarantsika zavatra vita an-tsoratra betsaka. Aorian’ny fampidiran-dresaka amim-pisakaizana, dia azontsika atao ny milaza fa noho ny fandalovantsika matetika dia olona be dia be ao amin’ilay faritanàna no manana sasantsasany amin’ireo zavatra vita an-tsoratra navoakantsika, sy manampy fa ny faniriantsika dia ny hahita azy ireny mandray soa amin’ny fanazavana raketin’ireny zavatra voasoratra ireny. Avy eo isika dia afaka manontany an’ilay olona raha manana anankiray amin’ny zavatra vita an-tsoratra navoakantsika izy. Raha eny, dia afaka manipy hevitra aminy amim-pitiavana isika mba hampiseho izany amintsika, ary manolo-kevitra aminy mba hanoro azy ny fomba fianarana azy io. Mety hiafara amin’ny fampianarana Baiboly iray any an-tokantrano ny fampisehoana fohy iray. Raha toa, mifanohitra amin’izany, ka tsy manana zavatra vita an-tsoratra mihitsy ilay olona iresahantsika, dia afaka mampiseho azy ny zavatra atolotra amin’ny volana isika na manontany azy mivantana raha ho tian’ny fianakaviany ny handray soa amin’ny fianarana ny Baiboly maimaimpoana ao an-tokantranony.
Aoka isika hanana fahaiza-manavaka
6 Rehefa heverina fa sahirana ny olona, dia fahendrena ny hananana fahaiza-manavaka sy ny tsy hanararaotana ny fahaizany mampiantrano vahiny. Tokony tsy hihoatra ny fahefatr’adiny ireo fianarana voalohandohany. Raha fantatr’ilay olona fa tsy hakana be ny fotoanany, dia angamba izy ho tapa-kevitra handray ny fitsidihantsika tsy tapaka. Raha vao ho tafaorina ny fianarana ary hitombo ny fahalianan’ilay olona, dia ho azontsika halavaina ny fianarana. Mazava ho azy fa ny hafa dia haniry hianatra maharitra kokoa raha vao eo am-piandohana.
7 Mbola misy ihany ao amin’ny faritany olona azo ampitahaina amin’ny ondry izay mila ny fanampiantsika, ary maro be amin’izy ireny no manana sasantsasany amin’ireo zavatra vita an-tsoratra navoakantsika. Tsy isalasalana fa misento sy mitaraina ny sasany noho ny zava-dratsy atao eto an-tany ankehitriny (Ezek. 9:4). Anjarantsika, tsy ny mizara zavatra vita an-tsoratra momba ilay Fanjakana izay hitondra fanafodin’ny fahoriana rehetra eo amin’izao tontolo izao ihany, fa ny mampita ny fahamarinana amin’ny olona tso-po koa, ary izany dia amin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly.—Matio 28:19, 20.