Fomba fampiseho ny vaovao tsara—mitondra vokany tsara kokoa ny fihainoana
1 Mba hahitantsika vokatra tsara eo amin’ny fanompoana dia tokony hekena fa tsy misy olona roa mitovy. Samy manana fanandram-javatra samy hafa eo amin’ny fiainana ny tsirairay avy, tahaka ny fananany zavatra mahaliana sy faniriana samy hafa koa. Ny fihaikana eto dia ny fampifanarahana ny hafatra momba ilay fanjakana amin’ilay olona, izany hoe amin’ny fampisehoana amin’ilay olona iresahantsika ny hevitr’izany ho azy, amin’ny maha-olona azy miavaka. Mba hanaovana izany amin’ny fomba mandaitra, dia tokony hihaino amim-pitandremana isika.
2 Mpitory maro no mampiasa fanontaniana amim-pahaiza-mandanjalanja eo amin’ny fampidiran-dresaka ataony, ka izany dia manampy azy hampiditra an’ilay olona ao anatin’ny resaka. Matetika no mandaitra koa ny fanontaniana tsy mahasaikatra atao hahalalana ny fiheviny. Rehefa miteny anefa ilay tompon-trano, dia zava-dehibe mihitsy ny hihainoantsika izay lazainy. Fanehoana fitiava-namana sy fanajana ny fihainoana, ary amin’ny fanaovana izany, dia hamantatra ny fisainan’ilay olona isika. Ny fahafantarantsika ny tarehin-javatra misy an’ilay olona, dia mamela antsika hahatsapa ny fihetsehampony, ka hahafahantsika mipetraka eo amin’ny toerany. Avy eo, dia afaka mizara aminy ny fampiononana sy fanantenana avy ao amin’ny Baiboly isika.
MAHAIZA MAMPIFANARA-JAVATRA
3 Nananatra ny apostoly Paoly hoe: “Ianaro ny fomba tsara indrindra hamaliana tsara izay olona mifanena aminareo”. (New English Bible) Na dia tsy fantatsika mazava mialoha aza izay mety holazain’ny olona iray, dia mifankazatra amin’ireo zava-manahirana atrehin’ny olona maro amin’izao andro izao kosa isika. Noho izany, dia azontsika atao ny ‘mianatra’ sy ny ho voaomana ara-tsaina mba hamaly amin’ireo tarehin-javatra isan-karazany.
4 Ohatra, mety ho efa niomana isika mba hiresaka ny amin’ny foto-kevitra hoe fiadanana maneran-tany, nefa milaza ilay tompon-trano fa namoy ny asany izy. Hiniantsika tsy hofantarina ve ve izany teniny izany? Tsy isalasalana fa mitana ny sainy sy ny fony ny famelomana ny ankohonany. Ahoana no azontsika amaliana izany zavatra ilainy izany? Tokony hiray fihetsehampo aminy isika, amin’ny fanehoana fiahiana marina ny amin’ny tarehin-javatra mahazo azy. Avy eo, dia tarihintsika amim-pitiavana ny sainy ho amin’ny Soratra masina, izay mampiseho ny fomba hanomezan’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra antsika, asa mahafa-po sy izay zavatra ilaintsika rehetra.—Isaia 65:17, 21, 22, 24.
5 Angamba rentsika fa niharam-pahavoazana noho ny heloka bevava vao haingana na nijaly noho ny tsy rariny ny olona iray na ny iray amin’ny mpianakaviny. Ny fiaraha-miory noho izay nahazo azy sy ny fiahiantsika azy manokana amin’ireny tarehin-javatra ireny, dia mety hanalefaka ny fony, ka hahatonga ho azo atao ny fampisehoana aminy fa Jehovah Andriamanitra dia mahalala tsara tokoa an’ireny zava-manahirana mitondra fanaintainana ireny sady hanao zavatra tsy ho ela mba hanafoanana ny faharatsiana rehetra.—Jereo ny boky Comment raisonner à partir des Ecritures, pejy faha-10, 12, 229 ka hatramin’ny faha-231.
6 Ny antony mahatonga ny faharatsian’ny fifandraisana eo amin’ny olona dia matetika avy amin’ny tsy fahaizana mifampiresaka tsara. Rehefa miteny ny andaniny iray, ny ankilany kosa tsy dia mihaino loatra amin’ny fony sy ny sainy. Izany tsy fahampian’ny fahazarana mihaino izany dia mety hiteraka fifandisoan-dresaka na tsy fahaizana manararaotra ny fahafahana miseho mba hanampiana olona. Amin’ny fambolena fahazarana tsara mihaino amim-panajana, dia afaka mampiseho amin’ny fomba mandaitra kokoa ny vaovao tsara isika, ka hanome amin’izany taratry ny fiheveran’i Jehovah ny hafa tsy misy fitiavan-tena, ary hanampy ny hafa hampitombo fifandraisana tsara amin’ilay Mpamorona antsika be fitiavana sy ny vahoakany. — Jak. 1:19; gf 3875 pp.21 ka hatramin’ny 23.