Ampirisiho ny hafa hamaky Ny Tilikambo Fiambenana
1 Mandritra ny volana Aprily sy May dia ho tiantsika ny hampirisika ireo tia ny fahamarinana mba hamaky Ny Tilikambo Fiambenana tsy tapaka. Ny fanandraman-javatra hitan’ny tenantsika manokana dia nampiaiky antsika fa amin’ireo gazety rehetra avoaka amin’izao andro izao, dia izy io irery no manome ny sakafo ara-panahy iankinan’ny aina ilain’ireo izay misento sy mitaraina noho ny toe-piainana mampahonena manjaka eto ambonin’ny tany.—Ezek. 9:4.
2 Nanampy antsika Ny Tilikambo Fiambenana hahatakatra ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, izay manaporofo fa miaina amin’ny fotoan’ny farany isika ka tsy ho ela ny Fanjakan’Andriamanitra dia hitondra fiadanana eto an-tany. Ny fiahiantsika marina ny fiainan’ny hafa dia manosika antsika hizara izany fanantenana mahatalanjona izany amin’izy ireny. Ary mampirisika antsika ny fahitana olona tso-po maro voangona ho amin’ny famonjena.—Jaona 10:16.
3 “Tratra aoriana tsy araka ny iheveranao azy ve izao?”, io no anankiray amin’ireo lohateny mampisaintsaina ao amin’ny nomeraon’ny Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1991. Ny nomeraon’ny 15 Jolay dia miavaka noho ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Rahoviana no ho avy tokoa ny fiadanana?” Azo ampifandraisina tsara amin’ny foto-dresaka ampiasaina ankehitriny izy io, dia ny hoe “Ny fiadanana haneran-tany, antomotra ve izany?” Mba hamantarana raha liana amim-pahatsorana amin’ny vaovao tsara ilay tompon-trano, dia tariho ho ao anatin’ny resadresaka momba ny Baiboly mafana sy mampiseho fisakaizana izy. Mitaky fiomanana mialoha izany, sy fahavononana hampiseho ny fomba azon’ireo lahatsoratra ao amin’ilay gazety anampiana ilay tompon-trano mba hanitarany ny fahatakarany an’ilay foto-kevitra resahina.
4 Tsy mahaliana antsika ny mandefa gazety amin’ny alalan’ny paositra ho an’ny olona izay nanome antsika ny adiresiny fotsiny. Tadidio fa ny nanendrena antsika dia ny hitory sy hanao mpianatra. (Matio 24:14; 28:19, 20) Raha toa ilay olona ka iray amin’izay faly mamaky lahatsoratra sasany indraindray fotsiny, dia ho tsara ny hitahirizana ny anarany amin’ny lalana fizarantsika gazety sy ny hitsidihana manokana azy tsy tapaka. Ny fifampikasohana tsy tapaka ataonao amin’ny olona tsirairay dia hamela anao hanolokolo ny fahalianana ka hamantatra amin’ny farany hoe rahoviana no mety ny hikarakarana ny handraisany Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny alalan’ny paositra.
5 Ny volana Aprily sy May dia manolotra fahafahana hanelezana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’i Jehovah isan-trano sy amin’ny resadresaka tsy ara-potoana ataontsika amin’ny olona mifanena amintsika. Afaka matoky isika fa i Jehovah dia hanohy hitahy ny fiezahana amim-paharisihana ataontsika mba hahitana sy hanomezana ny sakafo ara-panahy ilain’ireo olona malemy fanahy ao amin’ny faritanintsika.