Aoka ianao hanao ny fanompoana amin’ny fanahinao rehetra
Fizarana 1: Ny hasarobidin’ny fahatsapana fankasitrahana an’i Jehovah
1 Ny fanaovana ny fanompoana amin’ny fanahintsika rehetra dia avy amin’ny fahatsapana fankasitrahana lalina an’i Jehovah sy izay rehetra nataony ho antsika. (2 Sam. 22:2, 3). Ny fiheverana amim-pahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa ny toe-javatra mampahonena misy ny taranak’olombelona rehetra izay tafasaraka amin’Andriamanitra dia tokony hanosika antsika hiezaka mafy eo amin’ny fanompoana. (Matio 9:36; 2 Kor. 5:14, 15). Arakaraka ny ifikirantsika amin’i Jehovah sy iahiantsika ny amin’ny hafa, no vao mainka hananantsika antony manosika handraisana anjara amim-paharisihana amin’ny fanompoana. (Matio 22:37-39). Manjary rakitra heverina ho sarobidy indrindra amin’izay ny fanompoantsika. (2 Kor. 4:7). Amin’ny fomba ahoana anefa no hahafahantsika mamboly fankasitrahana ny fanompoana toy izany?
IREO FOMBA MITARIKA HO AMIN’NY FAMBOLENA FANKASITRAHANA
2 Ny fianarana ny Baiboly manokana sy miaraka amin’ny kongregasiona ampiarahina amin’ny fisaintsainana atao amim-bavaka dia manampy antsika hampitombo fifandraisana manokana amin’i Jehovah. Manjary mahita mazava ny hakanton’ireo toetrany tsara sy ny maha-izy azy isika. Manaraka fandaharana hamakiana ny Baiboly isan-kerinandro ve ianao? Manokana fotoana tsy tapaka hianarana ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana ve ianao? Manomana sy manatrika ireo fivorian’ny kongregasiona rehetra ary mandray anjara amin’izy ireny ve ianao? (Heb. 10:24, 25). Mandritra sy aorian’ny fotoana anaovantsika ny fianarana manokana tsirairay, raha misaintsaina amin’ny fananana zava-kendrena isika, dia hitombo ny fankasitrahan’ny fontsika ny maha-tsara ilay Andriamanitsika feno hatsaram-po sy ireo fandaharana nataony ho an’ny fanompoam-pivavahana marina. — Sal. 27:4.
3 Ny fomba iray hafa hahafahantsika hampitombo ny halehiben’ny fankasitrahantsika dia ny fandinihana akaiky ny ohatr’ireo mpanompon’Andriamanitra hafa nanao fanompoana tamin’ny fomba tsy nizarazara. I Jeremia mpaminany dia nentanin’ny hafanam-po tanteraka ho an’ilay asa nankinina taminy. (Jer. 20:9). I Jesosy dia namela ohatra tamin’ny fanehoana toe-tsaina feno fankasitrahana ary zotom-po. (Jaona 4:34). Tamin’ireo asa mafy nataony teo amin’ny fanompoana, ny apostoly Paoly dia nampiseho ny fankasitrahany noho ny famindrampo nasehon’Andriamanitra taminy. (1 Tim. 1:12, 13). Eo am-pieritreretantsika ireny ohatra ireny, ary koa ny ohatra maro amin’izao andro ankehitriny izao, dia afaka mampitombo fankasitrahana izay hahatonga antsika hanao ny fanompoana amin’ny fanahintsika rehetra, isika.
4 Rehefa mianatra momba ny famirapiratana feno voninahitry ny fahamendrehan’i Jehovah isika ka mihevitra ny amin’ireo asany mahatalanjona, dia voatosika hanambara ny fahalehibeazany ary hihiaka amim-pifaliana ho fiderana azy. (Sal. 145:5-7, MN). Asehontsika fa mankamamy ireo fahafahantsika hanao fanambarana momba ny anaran’Andriamanitra isika, amin’ny fanaovan-javatra mba hitadiavana fomba hampielezana ny hafatra momba ilay Fanjakana. — Lioka 6:45.
5 Mbola misy zavatra hafa ve afaka hanosika antsika handray anjara amin’ny fanompoana amin’ny fanahintsika rehetra? Raha izany no izy, inona avy izy ireo? Ahoana no hahafahan’ireo loholona, mpikarakara momba ny asa, mpitory maharitra ary mpitory ilay Fanjakana za-draharaha hafa mitondra ny fanampiany? Inona no anjara asan’ireo zava-kendrena eo amin’ny fambolena faharisihana? Vokatsoa inona avy no azo antenaina? Ireo fanontaniana ireo sy ny maro hafa dia hovaliana amin’ity fitohitohizana lahatsoratra dimy ity, izay hotohizina ao amin’ireo “Fanompoantsika ilay Fanjakana” manaraka.