Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany
1 Rehefa nahazo io boky vaovao io isika, dia gaga noho ny lohateniny hoe Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany. Ny lehilahy iray hofidina ho ilay niavaka indrindra dia hidika fa lasa ambonin’ireo olona an’arivo tapitrisany maro rehetra niaina teto an-tany izy. Ny hoe “miavaka” dia hoe “manana toetra manokana tsy itoviany amin’ny hafa” na hoe “ambony noho ny hafa amin’ny toetra”. Ilay lehilahy mahafeno ny fepetra ho mendrika izany filazalazana izany dia tsy maintsy miavaka tokoa!
2 Mendrika tanteraka ny hekena ho toy izany i Jesosy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra. Ny zavatra notanterahiny teto an-tany dia tsy nisy ifandraisana velively tamin’ny harena, ny zava-bita ivelan’ny fivavahana na ny fanapahana ara-politika. Avy tamin’ny fiaviana tsotsotra izy ary tsy dia fantatra firy ny ankamaroan’ny fiainany. Rehefa 30 taona anefa izy dia nanomboka nitarika sy nisarika ny sain’ny rehetra tany Palestina noho izay nolazainy sy nataony. Nampiharihary ny maha-izy an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany tamin’ny fomba izay mbola tsy hitan’ny olombelona hatramin’izay mihitsy izy. Nanatanteraka ny asa fitoriana lehibe indrindra vitan’ny olona iray izy, nanao fahagagana niavaka ary nametraka ny fototra ho an’ny fitambaran’olona ao amin’ny tontolo vaovao iray.
3 Nahoana no ilaina io boky io: Nampirisika antsika mba ‘handinika tsara’ an’i Jesosy ho toy ny ohatra sy môdely hotahafina i Paoly. (Heb. 12:2, MN). Nanomboka tamin’ny 1985 ka hatramin’ny 1991, ny Fikambanana dia namoaka tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana lahatsoratra 149 nifampitohy momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany. Ireny lahatsoratra ireny dia nahatonga antsika hahatakatra tamin’ny fomba mazava kokoa izay nolazain’i Jesosy sy nataony ho antsika. Nanantitrantitra ny ilàntsika hanahaka ny ohatra nomeny izy ireny. Nakambana avokoa ireny fanazavana rehetra ireny ary natao ho azontsika ao anatin’ny boky iray ihany. Fitaovana tsara dia tsara re izany ho fanampiana ny hafa koa handinika tsara an’i Jesosy sy ho tonga olom-pehezin’ilay nataon’i Jehovah “ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana”! — Efes. 1:21.
4 Ireo toetra mampiavaka ilay boky: Rehefa manolotra ilay boky ianao dia mety hanontany hoe: “Inona no nahatonga an’i Jesosy ho ilay lehilahy niavaka indrindra teo amin’izao tontolo izao?” Afaka mamaly izany ianao amin’ny fampisehoana ny sasantsasany amin’ireo toko 133 izay mifantoka amin’ny fiainany, ny toetrany, ny fampianarany sy ny asany. Ny toko faha-24 dia manazava ny fikasany tamin’ny nahatongavany teto an-tany. Ny toko faha-35 dia mandinika indray ny Toriteniny malaza teny an-tendrombohitra. Ny toko faha-43 dia manasongadina ny fahaizana niavaka nananan’i Jesosy nampianatra ny hafa tamin’ny alalan’ny fanoharana. Ny toko faha-133 dia manopy maso amin’ireo fitahiana ho hitan’ny taranak’olombelona rehefa ho tanterany ny asany. Mety ho hitanao fa hahasoa anao ny fampiasana ireo fanontaniana amin’ny faran’ny toko tsirairay mba hamelombelomana ny resadresaka; ireo andinin-teny voalaza dia mampiseho hoe aiza no hahitana ilay fitantarana ao amin’ny Baiboly. Azonao atao ny manintona ny saina ho amin’ireo sary manaitra izay mampiharihary ny herin’ny toetran’i Jesosy, ny halalin’ny fangorahany ny hafa ary ny zotom-pony tsy nety lefy teo amin’ny fitoriana. — Mariho ny toko faha-44, 95, 117 ary 123.
5 Hanolotra io boky vaovao io isika mandritra ny volana Desambra. Ireo toetra tsy manam-paharoa mampiavaka azy io dia manome antsika antony tsara maro tokony hanolorana azy amin-kafanam-po lehibe amin’ny hafa. Izay rehetra maniry fiainana mandrakizay dia tsy maintsy mandray fahalalana momba an’i Jesosy Kristy. (Jaona 17:3, MN). Ny ezaka feno zotom-po ataontsika mba hizarana io boky io dia mety hahatonga ny fiainan’ny olona tso-po maro ho voatohina noho ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany.