Fomba fampiseho ny Vaovao Tsara — Amin’ny fampiasana ny boky Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany
1 Nandritra ireo taona maro lasa, saika ny tsirairay avy tamin’ireo zavatra vita an-tsoratra navoakantsika dia nahakasika ny fiainan’i Jesosy Kristy sy ny fanompoany. Tena mety indrindra izany, satria “tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.” (Asan’ny apostoly 4:12). Tsy manan-tsahala io boky vaovao io satria vao voalohany izao ny iray amin’ireo bokintsika no natokana ho an’ny fiainan’i Jesosy ranofotsiny.
2 Aoka isika hanolotra azy io amin’ny hafa: Inona avy ny sasantsasany amin’ireo toetra mahaliana mampiavaka io zavatra vita an-tsoratra io ka azontsika asongadina? Ny toko faha-5 dia mampipoitra fanontaniana mifanentana amin’izao vanin-taona izao ka manao hoe: “Ny nahaterahan’i Jesosy — Taiza ary oviana?” Mety hisarika ny fahalianan’ny tanora iray ianao amin’ilay fitantarana mampientana ao amin’ny toko faha-44 manao hoe “Fampitsaharana tafiodrivotra nahatahotra iray”. Ny olona iray voan’ny aretina ara-batana na kilema dia azo antoka fa hahazo fampiononana avy amin’ny toko faha-57 manao hoe “Fampisehoana fangoraham-po tamin’ireo ory”. Ny toko faha-90 hoe “Ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty” dia tokony hanintona izay rehetra namoy olon-tiana. Ny firesahana momba ireo toe-piainana mampahory eo amin’izao tontolo izao dia afaka mitarika ho amin’ny toko faha-111 manao hoe “Famantarana ny andro farany”.
3 Mety hilaza toy izao ianao ao amin’ny trano iray: “Inona no antenain’Andriamanitra amintsika kristiana? Manoro antsika mba hanahaka ny ohatra navelan’ilay lehilahy niavaka indrindra teo amin’izao tontolo izao, dia i Jesosy Kristy, ny Baiboly. [Vakio 1 Petera 2:21.] Nampianatra ireo mpanara-dia azy mba ho tia ny namany izy, hitoetra ho madio ara-pitondrantena ary hivavaka ho amin’ny fahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Miankina amin’ny fanekentsika an’i Jesosy ho Mpamonjy antsika sy ny fankatoavantsika azy ny famonjena antsika. [Vakio Jaona 14:6.] Tsy olona tsotra toy ny rehetra akory i Jesosy. Ity boky ity dia milazalaza azy ho ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany. Manamafy izany ny toko faha-59, ka mampahafantatra azy ho ‘ny Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona’. Koa satria miankina aminy isika mba hahazoana famonjena, tsy mihevitra ve ianao fa ilaintsika ny mianatra betsaka araka izay azontsika atao momba ny asany sy izay nampianariny? Nomanina indrindra ho amin’izany ity boky ity, ary ho faly aho hanao izay hahazoanao azy.”
4 Azo inoana fa hahita olona tso-po maro izay hanaiky haka sy hamaky io boky io ianao. Ataovy azo antoka fa hanohy hitsidika izay rehetra naka ilay boky ianao. Misy fotoana mety hanapahanao hevitra hampiasa io boky vaovao io mba hanombohana fampianarana Baiboly vaovao. Ho tsara indrindra izy io hanaovana fianaram-pianakaviana sy hitarihana fampianarana amin’ny tanora. Ny fizarana ny boky Ilay lehilahy niavaka indrindra teto an-tany amin’ny hafa dia afaka ny hanampy azy ireo hahita ny lalana ho amin’ny fiainana mandrakizay.