Omeo Fandrisihana ny Hafa mba Handinika Tsara an’i Jesosy
1 Tena boky miavaka tokoa ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany. Ireo toko 133 raketiny dia afaka mandrisika ny mpamaky azy handinika tsara an’i Jesosy ary hanosika azy ireo hanahaka ny ohatra navelany. Tena marina ilay filazana fa ny mpanjaka rehetra nanapaka hatramin’izay, raha atambatra, dia tsy nisy heriny teo amin’ny fiainan’ny olombelona teto an-tany tamin’ny fomba nahery toa an’i Jesosy. Tena handray soa tokoa ireo izay mandinika tsara an’i Jesosy.
2 Nampianatra an’ireo mpianany momba ny Rainy i Jesosy ary nampiseho teo amin’ny fiainany ireo toetra sarobidin’Andriamanitra. Voatohina ny fontsika rehefa mandinika ny fahaizan’i Jesosy nampianatra tsy nisy toy izany isika, ny fahaizany nitarika tsy tamin-tahotra ary ny famindram-pony feno fitiavana. Ary rehefa mahatsiaro ny fijaliany fony izy nanolotra ny ainy ho fanavotana antsika isika, dia velom-pankasitrahana aoka izany! Ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany dia afaka manampy ny olona hahita an’i Jesosy amin’izany fomba izany koa.
3 Manaova fanomanana lalina: Aoka ianao hiomana tsara mba hahafahanao hanomboka resaka ara-baiboly izay handrisika ny hafa handinika tsara an’i Jesosy. Afaka manao fanazaran-tena miaraka ireo mpianakavy sy ny hafa koa. Miezaha mafy hanaitra ny fahalianan’ny olona sy hanome azy antony manosika hamaky ny boky Lehilahy Niavaka. Mety hila fifampiresahana mihoatra ny indray mandeha amin’ny olona iray vao ho tanteraka izany. Raha tsy mandray ilay boky izy, dia azontsika atao ny mamela taratasy mivalona iray na manolotra bokikely na gazety iray angamba.
4 Ireo resaka hataontsika isan-trano mandritra ny volana Desambra dia hifantoka amin’i Jesosy ary hampirisika ny olona hahafantatra azy tsaratsara kokoa. Raha manasongadina ireo hevitra voambara ao amin’ny boky Lehilahy Niavaka isika, dia afaka manampy ny olona hahita an’i Jesosy, tsy ho toy ny olona ara-tantara fotsiny, fa ho toy ny Zanak’Andriamanitra sady Mpanjakan’ilay fitondram-panjakana izay handamina ireo zava-manahirana ny olombelona.
5 Araka ny nohantitranterina tao amin’ny Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana tamin’ny volana lasa, dia maniry hampiasa ireo bokintsika amim-pahendrena isika. Ahoana no ahafahantsika mamantatra raha tena liana marina ny olona iray? Raha mihaino amim-pitandremana izy, manao fanontaniana na mampifantoka manokana ny sainy amin’izay vakintsika ao amin’ny Baiboly, izany dia mety ho marika iray ny amin’ny fahalianany amim-pahatsorana. Indraindray koa ilay tompon-trano dia maneho ny fankasitrahany ny fitsidihantsika na milaza fa tiany ny namaky ireo zavatra vita an-tsoratra avoakantsika. Raha mampiseho ilay boky isika ka mandinika azy avy hatrany izy na manontany ny fomba mety hahazoany iray aminy, izany koa dia famantarana ny amin’ny fahalianana marina.
6 Ny olona iray izay tsy tia loatra ny mamaky teny dia naneho ny fankasitrahany noho ilay boky Lehilahy Niavaka. Nilaza izy fa nahatonga ny famakian-teny ho fahafinaretana manokana isaky ny faran’ny andro izy io. Aoka isika hanampy ny hafa hanana izany fihetseham-po izany koa, amin’ny fanaovana izay rehetra azontsika atao mba hanomezana fandrisihana azy ireo mba handinika tsara an’i Jesosy amin’ny famakiana amim-pahalianana marina ny boky Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany.