Inona no azoko lazaina mba hanairana fahalianana bebe kokoa?
1 Ny tapany lehibe iray amin’ny zava-kendrentsika rehefa mitory ny vaovao tsara isika, dia ny hanao mpianatra, fa tsy hametraka zavatra vita an-tsoratra fotsiny. Noho izany, rehefa nisy fahalianana hita, dia mila ny manolokolo sy mamelona tsy tapaka ireo voa nafafy isika, ka hanao ny anjarantsika mba hisian’ny faritra hahafahan’i Jehovah hanampy ilay olona hitombo eo amin’ny ara-panahy. (1 Kor. 3:6). Inona no azonao lazaina ho tohin’ireo fomba fampiseho ampiasaina amin’ny fitsidihana voalohany voasoritra etsy ambony? Ireto misy fanoloran-kevitra sasantsasany ho an’ny tarehin-javatra samihafa mety hatrehinao.
2 Fanolokoloana ny fahalianana hita: “Fony isika niresaka vetivety tamin’ny voalohany, dia sahirana be ianao, kanefa naka fotoana mba hanehoana ny fiahianao ny amin’ny hoavy. Raha tsaroanao, dia namaky tao amin’ny Apokalypsy 1:3, ao amin’ny Baiboly, isika fa ‘antomotra ny andro’. Izany dia misy fifandraisana mivantana amin’ny hoavintsika rehetra. Mariho izay lazain’ity boky ity momba izany vanim-potoana izany. [Vakio manomboka amin’ny fehintsoratra faha-4 eo amin’ny pejy faha-188 amin’ny boky Ny fahatanoranao.] Ity boky ity dia mampiseho hoe amin’ny fomba ahoana no hahafahan’ny tenantsika sy ny zanatsika handray soa avy amin’izany hoavy izany. Hahaliana anao ve ny hianatra bebe kokoa momba izany?”
3 Fampiasana ny boky Ny fahatanoranao mba hanombohana fampianarana Baiboly: “Mahafaly ahy ny mahita anao indray. Misy hevitra fanampiny tiako hozaraina aminao izay hita ao amin’ilay boky napetrako taminao iny, ary tena mampahery tokoa ilay izy.” Sokafy ao amin’ny pejy faha-16 ny boky Ny fahatanoranao. Vakio ny fehintsoratra faha-24 ka hatramin’ny faha-28, ary avy eo dia lazao ireo fanontaniana mifandray amin’ireo fehintsoratra ireo. Rehefa avy nandinika ireo fehintsoratra ireo ianareo, dia manolora ny hiverina hitsidika azy ary hanohy ilay fiaraha-midinika.
4 Fampiasana zavatra vita an-tsoratra hafa iray mba hanombohana fampianarana Baiboly: “Faly aho mahita anao ato an-trano androany. Fony isika niresaka tamin’ny farany, dia niara-namaky ny fampanantenan’ny Baiboly ao amin’ny Apokalypsy 1:3 isika. [Vakio indray.] Mariho fa tsy tonga ho azy ilay fahasambarana resahina eto. Misy zavatra roa takina amin’izany: Tsy maintsy mamaky izay voalazan’ny Baiboly isika ary avy eo dia mitandrina, na mampihatra, izay voasoratra. Ity bokikely hoe ‘Indro, Havaoziko ny zavatra rehetra!’ ity dia hahatonga ny famakianao ilay boky napetrako taminao tamin’ny heriny, hahafinaritra kokoa, satria manazava amin’ny fomba tsotra izy ity hoe inona avy ireo fepetra takin’Andriamanitra. Eo amin’ny pejy faha-30, dia misy fanontaniana 12, izay ataon’ny olona maro. Iza amin’izy ireo no ho tianao hahazo valiny?” Rehefa avy namaly ilay tompon-trano, dia azonao atao ny manokatra ilay bokikely eo amin’ilay pejy amaliana ilay fanontaniana ary manomboka fianarana ny Baiboly iray.
5 Ampiasao ireo sary mba hanairana fahalianana: Ny boky Les Jeunes s’interrogent dia misy sary mahaliana maro be. Azo asongadina mba hanairana fahalianana izy ireo. Ohatra, rehefa manao fiverenana mitsidika isika, dia afaka manokatra ilay boky ao amin’ny pejy faha-304 sy faha-307. Azo atao ny mampifandray ireo sary ireo amin’ny lazain’ny olona eo amin’izao tontolo izao sy amin’ny ampanantenain’ny Mpamorona, araka ny fanazavana hita ao amin’ny toko faha-38.
6 Any amin’ireo fiverenana mitsidika isika dia tokony hampiasa ilay fanorenana natao nandritra ny fitsidihana voalohany. Ny fampisehoana fiheverana amim-pitandremana an’io lafiny amin’ny fanompoantsika io dia hitondra fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah ho antsika nefa ho an’ireo izay mihaino antsika koa. — 1 Tim. 4:16.