Ambarao Ilay Hafatra Mampientam-po ao Amin’ny Apokalypsy
1 Ny boky Fanambarana dia nanampy antsika hahatakatra ny hevitr’ilay hafatra mampientam-po voarakitra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Ampio ny hafa hahatakatra tsara hoe amin’ny ahoana no mahakasika azy izany hafatra izany, amin’ny fanasongadinana io boky io eny amin’ny fanompoana, mandritra ny volana Martsa. Mety ho hitanao fa manampy eo amin’ny fanomanana ny fomba fampiseho hampiasainao ireto fanipazan-kevitra manaraka ireto.
2 Aorian’ny fiarahabana mifanentana, dia mety hilaza zavatra sahala amin’izao ianao:
◼ “Moa ve ianao efa mba nandre firesahana ny amin’ireo mpitaingin-tsoavaly efatra ao amin’ny Apokalypsy? [Avelao izy hamaly.] Misy fanazavana samy hafa nomena mikasika izay asehon’ireo mpitaingin-tsoavaly ireo. Nefa fantatrao ve fa ny fihazakazak’izy ireo ara-panoharana dia tena anisan’ny faminaniana iray ao amin’ny Baiboly tokoa, izay manambara mialoha ireo fisehoan-javatra mitranga amin’izao androntsika izao, ary koa fa isika rehetra dia samy voakasik’izany amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa? [Avelao izy hamaly.] Hahaliana anao ve ny hahatakatra ny amin’io faminaniana io sy ny hevitry ny fahatanterahan’izy io ho antsika?” Asehoy ireo sary eo amin’ny toko faha-16 amin’ny boky Fanambarana ary ampifandraiso amin’ny sasany amin’ireo andinin-teny amin’ny sora-matavy ao anatin’ny fehintsoratra. Na azonao atao ny manazava lafiny sasany amin’ilay fahitana, amin’ny fampiasana ilay taratasy mivalona hoe Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity? Atolory amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 3 000 FMG ilay boky ary manaova fandaharana ny hiverina mba hiara-mandinika misimisy kokoa momba ilay fahitana sy ny heviny.
3 Na angamba ho tianao ny hanandrana tari-dresaka sahala amin’izao:
◼ “Efa mba nandre ilay teny hoe ‘Haramagedona’ ve ianao? [Avelao izy hamaly.] Maro be no mihevitra fa izy io dia manondro ady niokleary handrava iray amin’izao androntsika izao. Raha ny marina, dia zavatra hafa tanteraka ny Haramagedona. Araka ny Baiboly, izy io dia hidika ho fiovana lehibe ho amin’ny tsaratsara kokoa, hiafara amin’ny tontolo iray hanjakan’ny fiadanana maharitra.” Arakaraka izay ho fihetsik’ilay olona, dia azonao atao ny manondro andinin-teny toy ny ao amin’ny Apokalypsy 16:16 na ny Salamo 37:10, 11, ary avy eo dia tariho ny sainy ho amin’ny toko faha-39 amin’ny boky Fanambarana. Atolory amin’ny fandraisana anjara an-tsitrapo 3 000 FMG ilay boky. Raha tsy izany dia mety hifidy ny handinika hevitra mifanentana ao amin’ilay taratasy mivalona hoe Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity? ianao.
4 Mety ho afaka hampipoitra fahalianana ianao amin’ny fampiasana izao fanoloran-kevitra izao:
◼ “Amin’izao vanim-potoana amin’ny taona izao, dia olona maro be maneran-tany no mieritreritra ny amin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’i Jesosy Kristy. Efa mba nanontany tena ve ianao hoe inona no nataony hatramin’ny nitsanganany tamin’ny maty? Fisehoan-javatra mampientam-po maro be amin’izao androntsika izao no mifandray amin’ny anjara asan’i Jesosy amin’izao fotoana izao ao amin’ny fikasan’Andriamanitra. Lazalazaina ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ny sasany amin’izy ireny. Ho tianao ve ny hianatra misimisy kokoa momba ny fikasan’Andriamanitra tamin’ny nanirahany ny Zanany ho etỳ an-tany sy izay hevitr’izany ho anao mbamin’ireo olo-malalanao?” Mety ho azonao atao ny hanintona ny sainy ho amin’ny fehintsoratra voalohany sy faha-2 amin’ny toko faha-41 amin’ny boky Fanambarana, na hanasongadina hevitra mifanentana avy amin’ireo nomerao farany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana na ny Mifohaza! Na koa mety ho tianao ny hampiasa ilay taratasy mivalona hoe Fiainam-piadanana ao Amin’izao Tontolo Izao Vaovao mba hanairana fahalianana bebe kokoa.
5 Ataovy azo antoka fa nasaina mba hanatrika ny Fahatsiarovana izay rehetra naneho fahalianana. Noho ny fitahian’i Jehovah, dia mety ho azonao atao ny hanampy olona ‘hihaino ny tenin’ity faminaniana ity ka hitandrina izay voasoratra ato anatiny’. — Apok. 1:3.