FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/96 p. 4
  • Ampio Izy Ireo Hahazo Hevi-javatra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio Izy Ireo Hahazo Hevi-javatra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanambarana ‘ny Tenin’ny Faminaniana’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Ampio ny Hafa ‘Hitandrina Izay Voasoratra’
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Apokalypsy — Fanalahidy Iray ho Amin’ny Fahasambarana Marina
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Inona no azoko lazaina mba hanairana fahalianana bebe kokoa?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
km 2/96 p. 4

Ampio Izy Ireo Hahazo Hevi-javatra

1 Niaiky ny apostoly Petera fa ny zavatra sasany voalaza ao amin’ny Baiboly dia “saro-pantarina”. (2 Pet. 3:16). Maro no nahatsapa izany ny amin’ny bokin’ny Apokalypsy. Kanefa, ny heviny dia natao mazava toy ny vato kristaly tao amin’ny boky Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! Ahoana no ahafahantsika manampy ireo olona liana hampiasa azy io amin’ny fomba tsara indrindra?

2 Raha nandinika ny Apokalypsy 1:3 ianao tamin’ny fitsidihanao voalohany, itỳ hevitra itỳ dia mety hanaitra fahalianana nohavaozina:

◼ “Teo aloha isika dia nandinika ny fomba ahafahan’ny fahazoana ny hevitry ny bokin’ny Apokalypsy hitondra fahasambarana. Kanefa, ny fahasambarana toy izany dia tsy tongatonga ho azy. Fara fahakeliny dia zavatra roa no takina amintsika: Tsy maintsy mianatra ny Baiboly isika ary tsy maintsy mampihatra izay ianarantsika isika.” Vakio sy velabelaro ny Jakoba 1:25. Avadiho ho eo amin’ny fehintsoratra faha-9 ao amin’ny pejy faha-8 ilay boky, ary hazavao ny fomba ahafahan’ny fahazoana ny hevitry ny bokin’ny Apokalypsy manampy antsika hianatra ny fomba hahafahantsika hahita fahasambarana eo amin’ny tontolo vaovao iray zary paradisa.

3 Raha nandinika ny Jaona 17:3 ianao tamin’ny fitsidihanao voalohany, dia ho afaka hanantitrantitra ny ilana handraisana fahalalana ny Baiboly misimisy kokoa amin’ny filazana hoe:

◼ “Tamin’ny fotoana farany naha-teto ahy, dia namaky tao amin’ny Jaona 17:3 isika fa, ny fandraisana fahalalana an’Andriamanitra dia afaka mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. Nefa haniry hiaina mandrakizay eo amin’ilay karazana tontolo izay iainantsika amin’izao andro izao ve ianao? [Avelao ilay olona hamaly.] Ny ankamaroan’ny olona dia tsy haniry izany. Noho izany antony izany, dia afaka mifaly isika rehefa mandre izay nampanantenain’Andriamanitra.” Avadiho ho eo amin’ny fehintsoratra faha-6 ao amin’ny pejy faha-303 ilay boky, dia vakio ny Apokalypsy 21:4, ary avy eo dia lazalazao hoe ho toy inona itỳ tontolo itỳ rehefa “lasa ny zavatra taloha”. Milazà fa hiverina indray ianao mba hanao dinidinika fanampiny.

4 Raha nampiasa ilay sary teo amin’ny pejy faha-302 ianao mba hampisehoana fa hamarana ny fahoriana ny Fanjakan’Andriamanitra, dia afaka manokatra ilay boky eo amin’io pejy io indray ianao ary hilaza hoe:

◼ “Nandinika ny fitahiana aseho eto isika, fitahiana izay hifalian’ny olona eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Inona no heverinao fa tsy maintsy ataontsika raha maniry hiaina eo ambanin’izany Fanjakana izany isika? [Avelao ilay olona hamaly.] Namela ohatra faran’izay tsara hotahafintsika ny olona sasany tamin’ny andron’ny Baiboly.” Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:11, ka antitrantero ny ilana ‘handinihana ny Soratra Masina isan’andro’. Hazavao fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia manampy ireo olona tso-po eo amin’ny fiaraha-monina mba hianatra ny Tenin’Andriamanitra sy hahazo ny heviny tsaratsara kokoa.

5 Raha nametraka ilay taratasy mivalona hoe “Ho Tafita Velona ve itỳ Tontolo itỳ?” tamin’ny tompon-trano iray izay be atao loatra ka tsy afaka niresaka ianao, dia ho afaka hampiasa itỳ tari-dresaka itỳ:

◼ “Rehefa nitsidika anao aho vao haingana, dia tena be zavatra natao ianao. Nametraka taminao taratasy mivalona iray izay nampipoitra fanontaniana momba ny hahatafita velona na tsia an’itỳ tontolo itỳ avy amin’izao fotoam-pikorontanana izao, aho. Namaky ny Apokalypsy 21:4 izay voatonona eto amin’itỳ boky Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! itỳ isika. [Vakio avy eo amin’ny fehintsoratra faha-6 ao amin’ny pejy faha-303 izy io.] Itỳ sary [ao amin’ny pejy faha-302] itỳ dia manome anao sary an-tsaina ny amin’ny hoe hanao ahoana ny fiainana rehefa ‘hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika Andriamanitra’. Itỳ boky itỳ dia manolotra porofo mampiaiky fa io fampanantenana io dia ho tanteraka amin’ny hoavy tsy ho ela. Raha tianao ny hamaky azy itỳ, dia intỳ ny bokinao.”

6 Raha mahita fahalianana ianao, dia hirinao amin’ny farany ny hitarika ny saina ho amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay ary hampiasa azy io mba hanombohana fampianarana iray. Azo antoka fa hahita fifaliana be dia be ianao amin’ny fanampiana “ireo tsy ampy fanandraman-javatra hahazo hevi-javatra”. — Sal. 119:130, NW.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara