Manaova ny Asan’ny Mpisava Lalana Mpanampy Amin’ny Desambra
1 Tsara ny hanontaniantsika rehetra tena hoe: ‘Ho tonga hatraiza ny fitondrako fahazavana mandritra ny volana Desambra? Afaka ny ho mpisava lalana mpanampy ve aho?’ — Matio 5:14, 16.
2 Ireo tanora vita batisa mazàna dia mahazo fotoana fialan-tsasatra fanampiny mandritra ny vanin-taonan’ny fety. Mety ho afaka ny hiaraka amin’izy ireny ny ray aman-dreny sasany sy ny olon-dehibe hafa mba hanitarana ny asa fanompoany mandritra io volana io. Maro amin’ireo miasa manontolo andro koa no mahazo fotoana fanampiny azony atokana ho amin’io fanompoana famonjena aina io.
3 Ny lafin-javatra fototra mba hahafahantsika hanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy dia ny fahavononantsika hanao ilay ezaka fanampiny takina amin’izany. (Lioka 13:24). Raha mandamina amim-pitandremana ny raharahantsika isika, anisan’izany ny ao amin’ny fianakaviana sy ny any amin’ny kongregasiona, dia azo atao ny manana fotoana azo ampiasaina mba hanandramantsika ny fifaliana manompo amin’ny maha-mpisava lalana mpanampy.
4 Afaka ny hanitatra ny fanompoanao ve ianao mandritra ny volana Desambra? Ny fanaovana izany dia afaka manampy anao hatoky tena kokoa eny am-baravarana ary hahitanao fanandraman-javatra mampahery. Afaka ny hahazo fahasambarana lehibe kokoa ianao noho izany. — Asan’ny Apostoly 20:35.