Tombontsoam-panompoana Tsara dia Tsara
1 Nilaza ny mpamaky iray fa nianatra zavatra tena sarobidy betsaka lavitra izy tamin’ny famakiana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! noho ny tamin’ny fandehanana tany amin’ny oniversite nandritra ny enin-taona. Matetika ny mpamaky tso-po no manao tenim-pankasitrahana manafana ny fo toy izany rehefa avy namaky ireo gazety ireo nandritra ny fotoana fohy monja. Tombontsoa toy inona moa ny antsika mizara tsy tapaka ireo gazetintsika amin’ireo izay tena mihevitra azy ireo ho sarobidy marina!
2 Olona maro, izay liana ihany amin’ny fahamarinana, no tsy nandroso ka hoe nanaiky fampianarana Baiboly any an-tokantranony. Azo atao anefa ny manolokolo ny fahalianan’izy ireny, raha tsidihina tsy tapaka izy ireny ka itondrana ny nomerao vaovao tsirairay amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Eny tokoa, ny fitondrana ireo gazety tsy tapaka any amin’ny lalana fizarana gazety dia nanampy olona maro tamin’ny farany hanaiky fampianarana Baiboly tsy tapaka.
3 Mandray soa manokana ny tenantsika amin’ny fananana lalana fizarana gazety raha mamaky ireo gazety aloha ka manamarika hevitra voafaritra tsara izay hahaliana manokana ny olona tsirairay avy hitondrantsika azy ireo.
4 Raha mandray ireo gazety ilay olona, dia mety ho azonao hazavaina fa misy lahatsoratra miavaka mivoaka isan-tapa-bolana ao amin’ireo gazetintsika ka ho faly ianao hitondra izany any aminy. Ataovy azo antoka ny hanolokolo izany tsy tapaka, amin’ny fanararaotana ny fahafahana hiresaka amin’ilay tompon-trano momba ny foto-kevitra ara-baiboly. Fantatray fa hankafy io tombontsoam-panompoana tsara dia tsara io ianao.