Aza Mitsahatra Manao hoe: “Avia”
1 Fandaharana mahatalanjona toy inona moa no nataon’i Jehovah tamin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy! Izy io no fototra ho an’izay ilaina rehetra mba hahasambatra marina ny olona. (Jaona 3:16). Mampalahelo anefa fa vitsy dia vitsy ireo izay tena mahafantatra sy mino mafy io fahamarinana io. Na dia izany aza, noho ny fiahiany feno fitiavana ny taranak’olombelona, dia nataon’i Jehovah izay hampahafantarana io vaovao tsara io amin’ny olona any amin’ny faritra rehetra amin’ny tany. Tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany, dia nanolotra ho an’ny rehetra ny fahafahana hahita fahasambarana sy ny fanantenana fiainana mandrakizay, izy. — Jaona 17:3.
2 Nandritra ny an’arivony taona maro, dia tsy fantatra Ilay hanavotra ny taranak’olombelona amin’ny ota sy ny fahafatesana. Nitoetra ho ‘zava-miafina’ izany mandra-pahatongan’i Kristy Jesosy izay ‘nampiseho mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay’. (Rom. 16:25; 2 Tim. 1:10). Notohizin’ireo mpanara-dia an’i Jesosy ny asa fanambarana io vaovao tsara io tamin’ny taonjato voalohany; ankehitriny, isika izay miaina amin’izao andro maoderina izao, dia manana ny tombontsoa feno voninahitra hanambara io vaovao tsara io koa. Rehefa mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana isika, dia miara-miasa amin’i Jehovah Andriamanitra sy i Jesosy Kristy ary ireo rahalahin’i Kristy, izay manasa ny olona avy amin’ny fari-piainana rehetra toy izao: “Avia (...) hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” — Apok. 22:17.
3 Mazava ho azy fa tsy hihaino io vaovao tsara io akory ny rehetra. Vitsy dia vitsy ireo izay tena mampifantoka ny sainy amin’izy io. Ny sasany mandà amin-kerisetra ireo mpanompon’Andriamanitra, izay manasa azy ireo handray soa avy amin’ireo ranon’ny fahamarinana manome fiainana. Na dia eo aza izany, noho ny hery avy amin’i Jehovah, dia maharitra amin’io asa io isika. Fantatsika fa ny fahavononantsika hiresaka momba ny fahamarinana sy hanampy izay rehetra maniry hihaino izany, dia mahafaly an’i Jehovah ary mahazo ny fitahiany.
4 Amin’ny fanompoana hataontsika amin’ny volana Martsa, isika dia hampirisika ireo izay mitady ny fahamarinana mba hamaky ny boky Fanambarana ka hifaly noho ny fanantenana atolotra ao anatiny. Hijinja fitahiana maro izy ireo rehefa manao izany. Rehefa dinihina tokoa, ny bokin’ny Fanambarana (na Apokalypsy) dia momba ny hoavy — ny hoavin’izy ireo sy ny antsika. Ny sasany amin’ireo mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena ankehitriny dia nanjary liana tamin’ny fahamarinana tamin’ny voalohany rehefa avy namaky ireo fanazavana momba ny bokin’ny Apokalypsy tao amin’ny iray amin’ireo bokin’ny Fikambanana. Rehefa mahita olona tso-po mangetaheta ny fahamarinana isika eo amin’ny fanompoantsika, dia hiezaka hanasongadina hevi-dehibe iray na roa ao amin’ny boky Fanambarana mba hampisehoana amin’izy ireny ny hasarobidin’izy io. Anisan’ny zavatra azontsika aseho ireo fanazavany mazava momba ireo faminanian’ny Baiboly izay efa tanteraka tamin’izao taonjato faha-20 izao. Ohatra ny amin’izany ny fandroso miavak’ireo mpitaingin-tsoavaly ara-panoharana voalazalaza ao amin’ny toko fahenina amin’ny Apokalypsy.
5 Tena mety indrindra ny hiresahantsika momba ireo fandaharana feno fitiavana nataon’i Jehovah ho an’ny taranak’olombelona amin’izao fiomanantsika hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy amin’ny 6 Aprily izao. Na mifidy ny hihaino ny olona na tsia, isika kosa dia maharitra eo amin’ny asa nanendren’Andriamanitra antsika ka hampita amin’izay rehetra maniry izany, ilay fanasana mampahery manao hoe: “Avia (...) hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.”