Ampio Izy Ireo Hanao Zavatra Mifanaraka Amin’ilay Hafatra
1 Ny asa fitoriana ataontsika dia manome ho an’ny olona fahafahana ‘hihaino ny tenin’ny faminanian’ny Apokalypsy’. (Apok. 1:3). Raha tian’izy ireny anefa ny ho tafita velona amin’ny “fahoriana lehibe”, dia tsy maintsy manao zavatra mifanaraka amin’izany koa izy. (Apok. 7:14). Aina maro be no voakasika! Koa ataovy azo antoka àry ny hiverina hitsidika ireo izay teo am-boalohany dia naneho fahalianana tamin’ny iray tamin’ireo fomba fampiseho nampiasainao tamin’itỳ volana itỳ.
2 Raha nametraka ny boky “Fanambarana” ianao, dia mety hilaza ianao hoe:
◼ “Mahafinaritra ny mahita anao indray. Tamin’ny fotoana farany niresahantsika dia niresaka momba ny iray amin’ireo faminaniana ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy isika, ary nametraka taminao boky iray manazava azy io aho. Angamba voamarikao fa na dia lalina tokoa aza ny bokin’ny Apokalypsy, dia azo atao ny mahatakatra ny heviny amin’ny fandinihana ireo zava-mitranga amin’ny andro ankehitriny, amin’ny alalan’ny fampiharana fahamarinana fototra maromaro ao amin’ny Baiboly. Ho tiako ny haka minitra vitsivitsy hanasongadinana zavatra vitsivitsy lazain’ny Baiboly amintsika mikasika izao androntsika izao.” Avy eo dia manokafa zavatra vita an-tsoratra mifanentana izay ho azonao anombohana fampianarana Baiboly any an-tokantrano.
3 Raha nametraka ny taratasy mivalona “Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity?” ianao, tamin’ny fitsidihana voalohany, dia ho afaka hilaza zavatra sahala amin’izao ianao:
◼ “Faly erỳ aho nahatratra anao tato an-trano androany. Fony aho nitsidika anao vao haingana, dia niresaka momba ireo fisehoan-javatra mahaforona famantarana iray izay hitranga alohan’ny fahataperan’izao tontolo izao indrindra, isika. [Mijere indray lafiny mifanentana amin’ilay famantarana ao amin’ny Matio 24:3-14.] Moa ve ianao nahamarika fisehoan-javatra nitranga tato ho ato maneran-tany na teo amin’ny fiaraha-monina misy anao, izay eritreretinao fa mety ho fahatanterahan’ny tapany amin’io famantarana io?” Amin’ny fampiasana ireo sary ao amin’ny toko faha-16 amin’ny boky Fanambarana, dia hazavao ny fahatanterahan’ny sasany amin’izany faminanian’ny Baiboly izany. Amin’ny fifaranan’ilay fitsidihana, dia lazao ny lohatenin’ny lahateny ampahibemaso amin’io herinandro io, ary asao izy hiaraka aminao any amin’ny Efitrano Fanjakana.
4 Raha nanasa ilay tompon-trano ho any amin’ny Fahatsiarovana ianao, dia milazà hoe:
◼ “Fony aho nitsidika anao farany, dia niresaka isika hoe amin’ny ahoana no zava-dehibe ho an’ny taranak’olombelona ny fahafatesan’i Jesosy. Nanasa anao koa aho tamin’izay mba hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesany, izay hotandreman’ny Kristiana maneran-tany amin’ny 26 Martsa izao. Tonga aho androany mba hampahatsiahy anao fa asaina ho amin’izany fisehoan-javatra tena lehibe izany ianao. [Lazao ny ora sy ny toerana hanaovana ilay fankalazana.] Izany dia mety hanampy anao hahatakatra tsara ny dikan’ilay fisehoan-javatra raha mamerina mijery ny sasany amin’ireo fitahiana azontsika dieny izao ho vokatr’izay nataon’i Jesosy ho an’ny taranak’olombelona isika, ary koa ireo fitahiana mbola ho avy.” Avy eo dia miezaha hiara-mandinika hevitra mifanentana avy ao amin’ny iray amin’ireo gazety farany na avy ao amin’ny toko faha-41 amin’ny boky Fanambarana. Mety hanasongadina ireo sary ao amin’ny pejy faha-294 sy faha-299 ary faha-308 koa ianao. Raha azo atao, dia manaova fandaharana mba hanampy ilay olona liana hanatrika ny Fahatsiarovana.
5 Raha mpihaino tsara fotsiny ilay olona, dia mety handaitra izao:
◼ “Tena nahafinaritra ahy tokoa ilay resadresaka momba ny Baiboly nataontsika vao haingana iny. Niverina aho satria ho tiako ny hahita anao mahazo izay nampanantenain’Andriamanitra ho an’ireo maniry hianatra misimisy kokoa momba azy.” Vakio ny Jaona 17:3, avy eo dia makà fanazavana ao amin’ilay taratasy mivalona hoe Fiainam-piadanana ao Amin’izao Tontolo Izao Vaovao.
6 Enga anie ny fitiavanao ny fiainana sy ny fankasitrahanao ny avotra hanosika anao hanao fiverenana mitsidika an’ireo olona liana. Ampio izy ireny hanao zavatra mifanaraka amin’ilay hafatra mampientam-po ao amin’ny Apokalypsy. Tadidio fa “akaiky ny fotoana voatondro”! — Apok. 1:3, NW.