FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/97 p. 1
  • ‘Ampioreno ny Ankohonanao’

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • ‘Ampioreno ny Ankohonanao’
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Misy Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana Ve?
    Ny Tsiambarantelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
  • Fizarana Amin’ny Hafa ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Mikatsaha Fiadanana Araka An’Andriamanitra ao Amin’ny Fiainam-pianakaviana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Fanampiana Ireo Fianakaviana Hahazo Antoka fa Hanana Hoavy Maharitra Izy Ireo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
km 3/97 p. 1

‘Ampioreno ny Ankohonanao’

1 Tsy iadian-kevitra fa, eo anivon’ny kolontsaina rehetra maneran-tany, dia miharava ny fiainam-pianakaviana. Milomano ao anatin’ny fitaka sy ny fahalotoam-pitondran-tena ny tontolon’i Satana. (1 Jaona 5:19). Izany dia mampiseho tsara fa tena ilaina maika ny ‘hampiorenantsika ny ankohonantsika’ sy ny hampianarantsika ny hafa ny fomba hampiorenany ny azy koa. — Ohab. 24:3, 27, NW.

2 Fiarovana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly: Ny tsiambaratelon’ny tena fahasambaram-pianakaviana dia ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly. Ireo fahamarinana mahery ireo dia mahasoa ny mpikambana rehetra ao amin’ny ankohonana, eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana. Ho sambatra ny fianakaviana izay mampihatra azy ireo, ary hahazo fiadanana araka an’Andriamanitra. — Ampitahao amin’ny Isaia 32:17, 18.

3 Voafintina ao amin’ilay boky vaovao hoe Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana ireo fotopoto-pitsipika afaka manampy antsika hampiorina ny ankohonantsika. Ny toko tsirairay dia mifarana amin’ny faritra voafefy iray, izay manantitrantitra fotopoto-pitsipika ilain’ny mpianakavy hotadidina. Ny ankamaroan’ireo faritra voafefy ireo dia manomboka amin’ilay fanontaniana hoe: “Ahoana no ahafahan’ireto fotopoto-pitsipiky ny Baiboly ireto manampy (...)?” Izany dia misarika ny saina ho amin’ny hevitr’Andriamanitra, mba hahazoantsika ny fomba fisainany momba ilay foto-kevitra dinihina. — Isaia 48:17.

4 Fantaro tsara ilay boky. Mianara mamantatra ireo fotopoto-pitsipika izay afaka manampy amin’ireo zava-manahirana maro samihafa mipoitra. Miresaka momba ny raharaha toy ireto ilay boky: izay tokony hotadiavinao rehefa mandinika olona iray mety ho vadinao, (toko 2), ireo fanalahidy lehibe mitarika ho amin’ny fahasambaram-panambadiana maharitra, (toko 3), ny fomba ahafahan’ny ray aman-dreny mitaiza ny zanany zatovo mba ho olon-dehibe mandray andraikitra sy matahotra an’Andriamanitra, (toko 6), ny fomba iarovana ny fianakaviana amin’ny fitaomana mandrava, (toko 8), ireo fotopoto-pitsipika manampy ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny, hahomby, (toko 9), fanampiana ara-panahy ho an’ny fianakaviana voakorontan’ny alkaolisma sy ny herisetra, (toko 12), izay tokony hatao rehefa madiva ho rava ny fatoram-panambadiana, (toko 13), izay azo atao mba hanajana ireo ray aman-dreny efa zokiolona, (toko 15), ary ny fomba ahazoana antoka fa hanana hoavy maharitra ny fianakavianao, (toko 16).

5 Ampiasao amin’ny fomba feno ilay boky vaovao: Raha mbola tsy nanao izany ianareo, nahoana moa raha miara-mianatra ny boky Fahasambaram-pianakaviana amin’ny fianakavianao? Afa-tsy izany koa, isaky ny tojo zava-manahirana na zava-tsarotra vaovao ny fianakavianao, dia jereo indray ireo toko ao amin’ilay boky izay miresaka momba azy ireo, ary diniho amim-bavaka ny fomba fampiharana ilay torohevitra. Fanampin’izany, mandritra ny Martsa, dia manokàna fotoana betsaka ho amin’ny fanompoana, mba hahafahanao hiezaka hametraka Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana eny am-pelatanan’ny olona betsaka araka izay azo atao.

6 Ireo fianakaviana maneho fifikirana amin’Andriamanitra dia hahazo tanjaka ara-panahy, sy ho tafaray, ary ho voaomana tsara hiatrika ireo fanafihan’i Satana. (1 Tim. 4:7, 8, NW; 1 Pet. 5:8, 9). Velom-pisaorana toy inona moa isika, noho isika manana fampianarana araka an’Andriamanitra avy amin’ilay Loharanon’ny fianakaviana!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara