Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Septambra
Herinandron’ny 7 Septambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Diniho ilay faritra voafefy hoe “Fanoloran-kevitra”.
15 min: “Afaka Manao Asa Lehibe Noho Izany Isika”. Fanontaniana sy valiny. Ampirisiho ny rehetra mba hametra tanjona araka ny antoniny ho amin’ny taom-panompoana vaovao ka hiezaka mafy hanatratra izany. — Jereo ny boky Ny Fanompoantsika pejy 116-118.
20 min: “Manampy ny Hafa Ireo Mpisava Lalana”. Manazava ny loholona iray fa ho fanampin’ny fampiofanana omena ao amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika, dia nisy fandaharana natao mba hanampian’ny mpisava lalana ny hafa manokana, eny amin’ny fanompoana. Mametraka fanontaniana miorina amin’ilay lahatsoratra izy, ary mangataka valin-teny avy amin’ny mpanatrika, indrindra fa avy amin’ireo mpisava lalana sy ireo mpitory izay tafiditra ao amin’ilay fandaharana. Diniho ny fomba hahazoana vokatra faran’izay tsara avy amin’izy io. Afaka mitantara ny fifaliana hitany sy ny soa noraisiny avy tamin’ny fanampiana ny hafa ireo mpisava lalana. Afaka milaza ny fankasitrahany an’io fandaharana feno fitiavana io ireo mpitory izay nampiana, ary milaza ireo lafin-javatra izay nanampy azy hahita fahombiazana sy fifaliana bebe kokoa teny amin’ny fanompoana.
Herinandron’ny 14 Septambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? Lahateny iray. Hanomboka hianatra io bokikely io isika amin’ny herinandro manaraka, any amin’ny fianarana ny boky. Ampirisiho ny rehetra hanomana sy hanatrika ny fotoam-pivoriana rehetra mba hahafantatra tsara ilay bokikely sy hianatra ny fomba hiaraha-mianatra azy io amin’ny hafa. Vakio ilay fehintsoratra eo ambanin’ny hoe “Ny Fomba Fampiasa Itỳ Bokikely Itỳ”. Mampiasà fanazavana avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 1997, pejy 16, 17, mba hanantitranterana ny mahazava-dehibe ny fampianarana izay ampiasana ireo fanontaniana sy andinin-teny ary sary ao amin’ilay bokikely. Ny mpitarika ny fianarana ny boky no tokony hanome ohatra tsara ho an’ireo izay mitarika fampianarana Baiboly any an-tokantrano, amin’ny tsy fitenenana be loatra sy tsy fampidirana tsipiriany amboniny. — Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1996, pejy faha-3, fehintsoratra faha-5.
20 min: Nanao Ahoana Isika Tamin’ny Taon-dasa? Mandinika indray ny tatitra momba ny fanompoan’ny kôngregasiôna sy ny isan’ny mpanatrika fivoriana tamin’ny taon-dasa ny mpitan-tsoratra sy ny mpiandraikitra ny fanompoana. Manamarika ireo lafiny mampahery amin’ilay tatitra izy ireo ary mifantoka amin’izay azo anaovana fanatsarana. Nisy 100 isan-jato ve ny fandraisana anjara tamin’ny fanompoana nandritra ny Aogositra? Sorito hoe tanjona inona avy no hifantohan’ny loholona amin’ireo volana ho avy, anisan’izany ny fanampiana ny rehetra mba ho tonga mpitory tsy tapatapaka. Milazà lafin-javatra mifanentana avy amin’ny tatitra farany nataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany.
Herinandron’ny 21 Septambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Vaovao Teôkratika.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
20 min: “Ataovy Izay Hahafantarana Ireo Rahalahinao”. Fanontaniana sy valiny. Mampidira fanazavana avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1989, pejy 10, 11. Ampirisiho ny rehetra hanao ny dingana voalohany mba hifankahalalana tsara kokoa.
Herinandron’ny 28 Septambra
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana tamin’ny Septambra. Ampirisiho ny rehetra hanao fandaharana mialoha hitory isan-trano bebe kokoa amin’ny Oktobra, mba hampitomboana ny fanelezana gazety. Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 1996, pejy faha-8, mba hahitana fanoloran-kevitra ny amin’ny fomba hanomanana ny fomba fampiseho. Manaova fampisehoana ny amin’ny fanolorana ireo gazety farany. Makà tahirin-gazety hampiasaina amin’ny asa amin’ny faran’ny herinandro.
20 min: “Mpiandraikitra Mitari-dalana — ny Mpiandraikitra ny Fanompoana”. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Rehefa avy mandinika indray ny andraikiny izy, dia manazava hoe amin’ny fomba voafaritra tsara inona avy no azon’ny kôngregasiôna hampisehoana fiaraha-miasa mba hampitomboana ny fahitam-bokatra amin’ny fanompoana eo an-toerana.
13 min: Inona no Ilaina mba ho Mpitorin’ny Kôngregasiôna Mahay? Lahateny misy fandraisan’ny mpanatrika anjara. Tsy tena ilaina ny fananana fahaizana ambony na talenta, fa irina indrindra kosa ny hananantsika rehetra toe-tsaina feno fahavononana izay mampiseho taratry ny fitiavana, ny fanetren-tena, sy ny zotom-po, ary ny fankasitrahana. Asao ny mpanatrika hilaza hoe nahoana no faniry izao manaraka izao: 1) toe-tsaina falifaly, 2) fanatrehana tsy tapaka ireo fivoriana sy fandraisana anjara amin’izany, 3) fahavononana hanaiky sy hanatanteraka ireo anjara, 4) fiaraha-miasa amin’ny loholona sy ny fandaharana natao ho an’ny kôngregasiôna, 5) fahalianana amim-pahatsorana ny hanampy ny hafa ary 6) fandraisana anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana eny amin’ny saha sy fanaovana tatitra haingana isam-bolana.