Afaka Manolotra Fanampiana ve Ianao?
1 Nananatra ny mpikambana tao amin’ny kôngregasiôna mba “hifampiahy” ny apostoly Paoly. (1 Kor. 12:25). Noho izany, dia tokony hifaneho fiheverana manokana sy ho vonona hanolotra fanampiana feno fitiavana isika, rehefa ilaina izany. Ho ohatra, ny anabavy ara-panahy sasany eo anivontsika dia mitaiza irery ny zanany ao amin’ny fahamarinana. Miantsoroka ny andraikitra mavesatra rehetra ho fampiofanana ara-panahy ny zanany ireny anabavy ireny. Tena mendrika ny fampaherezana feno hatsaram-panahy sy ny fanampiana azo tsapain-tanana avy amintsika “araka izay ilainy”, izy ireo. (Rom. 12:13a). Afaka manolotra fanampiana ho azy ireny ve ianao?
2 Ireo fomba ahafahanao manampy: Raha manana fiara ianao, ny fanoloranao hitondra any amin’ny fivoriana na fivoriambe ireo izay miantehitra amin’ny fitateram-bahoaka, dia mety hampitsitsy vola izany fianakaviana izany. Ny fanampiana ny reny iray hikarakara ny zanany madinika any amin’ny fivoriana, dia mety hahatonga azy ho afaka handray soa amin’ny fomba feno kokoa avy amin’ny fandaharana. Toy izany koa fa mety hanome azy fanamaivanana ny fanolorana hanampy azy rehefa mitondra ny zanany any amin’ny saha fanompoana izy. Ny fanehoana tena fiheverana ny ankizy — ny fitondrana azy ireny toy ny namana dia misy heriny lehibe eo amin’ny tanorantsika. Hanome famelombelomana ara-panahy ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny ny fanasana azy ireny tsindraindray hanatrika ny fianaram-pianakavianao.
3 Aoka ianao ho malina: Tokony hitandrina isika mba tsy hisisika hanampy ireo izay tsy mahatsapa fa mila izany. Tsy hirintsika ny hiditra amin’ny raharaham-pianakavian’ny olona iray, rehefa manolotra fanampiana ilaina isika. Mazava ho azy, fa ho tsara toerana indrindra mba hitondra fanampiana ho an’ny anabavy iray izay sahirana ireo anabavy sy ireo mpivady.
4 Ampirisihina mba ‘hanaraka ny lalan’ny fitiavana mandray vahiny’ eo amin’izy samy izy, ny Kristianina rehetra. (Rom. 12:13b, NW ). Iray amin’ireo fomba maro anehoantsika ny fitiavana toy ny an’i Kristy eo amintsika samy isika, ny fanolorana fanampiana ho an’ireo rahalahintsika sy anabavintsika ara-panahy. — Jaona 13:35.