Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriambe Manokana Iray Andro
Toy izao ny ho foto-kevitry ny fandaharan’ny fivoriambe manokana iray andro hanomboka amin’ny Septambra 1999: “Fikarohana ao Amin’ireo Zava-dalin’Andriamanitra.” (1 Kor. 2:10, NW). Zava-tsarobidy inona avy no hianarantsika?
Eo am-pikatsahany fahalalana, dia olona maro no tsy mahazo famelombelomana avy amin’izay zavatra hitany. Ny Baiboly kosa dia manome tanjaka antsika, araka ny hasehon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ao amin’ilay lahateniny mitondra ny lohateny hoe: “Mitondra Famelombelomana ny Fikarohana ao Amin’ny Tenin’Andriamanitra”. Ny mpandahateny mpitsidika dia hampiseho izay ifandraisan’ny fikarohana ao amin’ireo zava-dalin’Andriamanitra sy ny fitoriana ny vaovao tsara, rehefa hivaofy ilay fanontaniana hoe: “Ahoana no Fiheveranao ny Fitoriana Ilay Fanjakana?”
Ahoana no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany handalina ny Tenin’Andriamanitra? Hisy fanipazan-kevitra azo ampiharina homena ao amin’ilay lahateny hoe: “Alenteho Tsikelikely ao Amin’ny Zanakareo ny Tenin’Andriamanitra”. Misy heriny mahasoa eo amin’ny tanora kristianina ny fifaneraserana amin’ny Kristianina matotra ara-panahy ao amin’ny kôngregasiôna. Hisy ohatra amin’izany fiantraikany izany, hasongadina ao amin’ilay lahateny hoe: “Tanora Izay Mianatra avy Amin’ireo Be Taona Kokoa Noho Izy”.
Nahoana isika no tokony hazoto hikaroka harena ara-panahy nafenina, amin’izao fotoana izao? Mpampiharihary zava-miafina i Jehovah. Ny mpandahateny mpitsidika dia hanazava izay nahariharin’i Jehovah tamin’ny andro fahiny sy amin’ny andro ankehitriny, ao amin’ilay lahateny hoe: “Mampahafantatra Zava-dalina Miandalana i Jehovah”. Izany dia hanatanjaka ny fahatapahan-kevitsika hanohy ‘hikaroka ao amin’ny zava-dalin’Andriamanitra’.
Manaova fandaharana dieny izao mba hanatrehana ilay fivoriambe. Ireo izay maniry hanamarika ny fanoloran-tenany amin’i Jehovah amin’ny alalan’ny batisa, dia tokony hampahafantatra izany amin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, raha vao azo atao. Ny faniriantsika amim-pahatsorana hikaroka lalina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia hohamafisin’izay zavatra ho rentsika. Koa ataovy àry izay hamonjena an’io andro fampianarana ara-panahy manokana io!