FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/99 p. 1
  • Iza no Mety Hanaiky Fampianarana Baiboly?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Iza no Mety Hanaiky Fampianarana Baiboly?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba fampiseho ny vaovao tsara—Amin’ny alalan’ny fampianarana Baiboly
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Tadiavina — Fampianarana Baiboly Maro Kokoa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Tokony ho Mpampianatra Isika fa Tsy ho Mpitory Fotsiny
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Ataovy azo antoka ny hiverina hitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
km 11/99 p. 1

Iza no Mety Hanaiky Fampianarana Baiboly?

1 Nilaza i Amosa mpaminany fa hisy mosary ao amin’ny tanin’ny Isiraely, “tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah”. (Amosa 8:11). Ho tombontsoan’ireo izay noana sy mangetaheta ara-panahy, dia mizara zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly be dia be ny fandaminan’i Jehovah, maneran-tany.

2 Hatramin’izao, dia boky Fahalalana 70 tapitrisa, sy bokikely Takina 91 tapitrisa no nataontsika pirinty. Mba hampianarana ny fahamarinana, dia mankasitraka ny fahatsorana sy ny fandairan’ireny zavatra vita an-tsoratra ireny isika. Kanefa, olona sesehena ara-bakiteny, izay nahazo ny zavatra vita an-tsoratra avoakantsika no mbola tsy niara-nianatra Baiboly tamintsika. Inona no azontsika atao momba izany?

3 Mety hidika ho fampianarana ny olona tsirairay nametrahana boky! Diniho ny zavatra hitan’ny mpitory iray, izay nanolotra fianarana tamin’ny vehivavy iray, tamin’ny fotoana voalohany niresahany taminy teo am-baravarana. Nanaiky avy hatrany izy io. Tatỳ aoriana, dia hoy izy tamin’ilay mpitory: “Ianao no olona voalohany mba nanolotra ny hiara-mianatra Baiboly amiko.” Firy amin’ireo olona izay efa manana ny bokintsika, any amin’ny faritaninao, no mety hilaza zavatra toy izany? Ny zavatra voapetraka tsirairay dia manome fahafahana hanao fiverenana mitsidika sy hanomboka fampianarana Baiboly.

4 Koa satria matetika isika no sendra olona izay efa manana ny zavatra vita an-tsoratra avoakantsika, ahoana no ahafahantsika manaitra ny fahalianany hianatra izay raketin’izy ireo? Nanontany nivantana ny tompon-trano iray ny Vavolombelona iray raha nanana fanontaniana ara-baiboly izy, kanefa dia “Tsia” no navalin’ilay ramatoa. Nanantitrantitra ilay anabavy hoe: “Mino aho fa manana fanontaniana ianao.” Tena nanana ilay ramatoa, ary dia nanjary nianatra izy. Nahoana raha manontany ilay tompon-trano raha tiany ny hianatra ny fomba fijerin’ny Baiboly momba ny fanontaniana iray na ny raharaha iray manahirana azy? Aoka ianao hiomana mba hametraka fanontaniana iray mahaliana, raha tsy manan-javatra hanontaniana ilay olona. Ny resadresaka toy izany, dia mety hanokatra ny lalana ho amin’ny fianarana tsy tapaka ireo fahamarinana fototra ara-baiboly.

5 Ny asa fampianarana Baiboly no votoatin’ny fanompoantsika. Koa satria tsy fantatsika hoe iza no mety hanaiky hianatra, dia aza misalasala manolotra fampianarana amin’izay rehetra hitantsika. Ento amim-bavaka amin’i Jehovah ilay raharaha, ary manaova zavatra mifanaraka amin’ireo vavakao. Tsy ho ela dia mety ho hitanao fa hanaiky hianatra ny olona izay notoloranao fampianarana! — 1 Jaona 5:14, 15.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara