FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/01 p. 8
  • Ampio Hanatrika Fivoriana ny Hafa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampio Hanatrika Fivoriana ny Hafa
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitarihana Ireo Mpianatra ho Amin’ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarantsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Tariho ho amin’ny fandaminan’i jehovah ireo olona mianatra ny Baiboly
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • “Andeha Isika ho any An-tranon’i Jehovah”
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
  • Ahoana no Hanampiana ny Mpianatra Baiboly mba ho Vita Batisa?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 3/01 p. 8

Ampio Hanatrika Fivoriana ny Hafa

1 “Na iza na iza namanao eny amin’ny manodidina (...) maniry hanatrika ny fivoriana dia asaina amim-pitiavana ho tonga any.” Hatramin’ny nisehoan’io fampandrenesana io tao amin’ny Tilikambo Fiambenan’i Ziona (anglisy) tamin’ny Novambra 1880, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manasa ny olona amin-kafanam-po mba hiara-mivory aminy mba handraisana fampianarana ara-baiboly. (Apok. 22:17). Tapany tena lehibe amin’ny fanompoam-pivavahana marina izany.

2 Tena zava-dehibe ny manatrika fivoriana: Mitondra fitahiana ny fiarahantsika amin’ny kongregasiona. Manjary fantatsika tsara kokoa i Jehovah, ilay Andriamanitsika mahatalanjona. Miara-mivory mba ‘hampianarin’i Jehovah’ isika, any amin’ny kongregasiona. (Isaia 54:13). Ny fandaminany dia manoritra fandaharam-pianarana ny Baiboly mitohy izay mahatonga antsika ho akaiky kokoa azy sy manome fanampiana azo tsapain-tanana mba hampiharana ny “torohevitr’Andriamanitra rehetra”. (Asa. 20:27, NW; Lioka 12:42). Manome fampiofanana manokana eo amin’ny fahaiza-mampianatra ny Tenin’Andriamanitra ireo fivoriana. Manampy antsika hahomby eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa sy amin’i Jehovah mihitsy ny fampahatsiahivana ao amin’ny Soratra Masina. Manatanjaka ny finoantsika ny fiarahana amin’ireo tia an’Andriamanitra. — Rom. 1:11, 12.

3 Manaova fanasana mivantana: Vao eo amin’ny fianarana voalohany, dia asao ho amin’ny fivoriana ny mpianatra Baiboly tsirairay. Omeo taratasy fanasana izy. Tairo ny fahalianany amin’ny filazana hevitra iray izay nampahery anao tany amin’ny fivoriana farany sy amin’ny fandinihana ny zavatra horesahina any amin’ny fivoriana manaraka. Lazalazao hoe ohatra ny ahoana ny Efitrano Fanjakana, ary ataovy azo antoka fa ho hitany izy io.

4 Raha tsy tonga dia manatrika fivoriana ny mpianatra iray, dia aza mitsahatra manasa azy. Makà minitra vitsivitsy isan-kerinandro mba hampisehoana aminy ny fomba fiasan’ny fandaminana misy antsika. Ampiasao ilay bokikely hoe Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra sy ilay vidéo hoe Vavolombelon’i Jehovah — Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana mba hahafantarany tsara antsika sy ny fivoriantsika. Mitondrà mpitory hafa mba hifankahalalan’ilay mpianatra amin’izy ireo. Misaora an’i Jehovah amim-bavaka noho ny fandaminany ary resaho ny ilan’ilay mpianatra hiaraka amin’io fandaminana io.

5 Aza misalasala manampy ireo olona vao liana mba hiara-mivory amintsika. Rehefa mitombo ny fankasitrahany an’i Jehovah, dia ho voatosika hampihatra izay ianarany izy ka ho tonga anisan’ny fandaminan’Andriamanitra tafaray. — 1 Kor. 14:25.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara