“Andeha Isika ho any An-tranon’i Jehovah”
1 Mailaka i Davida nanaiky ilay fanasana manao hoe: “Andeha isika ho any an-tranon’i Jehovah.” (Sal. 122:1). Ny ‘tranon’i Jehovah’, nasehon’ilay tempoly, dia ny toerana nivorian’ireo izay naniry hanolotra fanompoam-pivavahana tamin’ilay Andriamanitra marina. Toerana masina nisy filaminana sy fiadanana izy io. Amin’izao andro izao, dia ny kongregasiona kristiana maneran-tany no ‘tranon’Andriamanitra’, “andry sy fiorenan’ny fahamarinana”. (1 Tim. 3:15). Ny fandaharana rehetra ho amin’ny famonjena dia azo avy amin’ny alalan’io fitaovana io. Noho izany antony izany, dia “tsy maintsy mitanjozotra hankany ny firenena rehetra” raha maniry hahazo ireo fitahiana nampanantenaina fa hoentin’ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Isaia 2:2, NW.
2 Io “trano” io dia misy kongregasiona maherin’ny 69 000 any amin’ny tany 229. Misokatra ny varavaran’ireo Efitrano Fanjakana maneran-tany, ary mpiasa be zotom-po maherin’ny efatra tapitrisa no mandefa ilay fanasana hoe: “Avia; (...) ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina.” (Apok. 22:17). Maro no efa nahare io hafatra io ka nanaiky azy tamim-pankasitrahana. Ny hafa efa voakasik’izy io ihany, kanefa mbola tsy tonga tao an-tranon’i Jehovah tamin’ny fifaneraserana tamin’ny kongregasiona kristiana. Ireo olona ireo dia “mila zavatra ara-panahy” izay azo omena azy amin’ny alalan’ireo fandaharana izay tsy hita afa-tsy ao amin’ny kongregasiona ihany. (Matio 5:3, NW). Miaina amin’ny fotoan-tsarotra isika ary efa mihamanatona haingana ny faran’ity fandehan-javatra ity. Ny fihetsika tsy rototra na tsy vonona dia mety hitarika ho amin’ny fangatahana andro mampidi-doza. Ilaina maika dia maika ny hanaovan’ny olona fiezahana mba ‘hanatona akaiky an’Andriamanitra’ amin’ny fanatonana akaiky kokoa ny fandaminany. (Jak. 4:8, NW). Ahoana no ahafahantsika manampy azy ireny?
3 Sariho ho amin’ny fandaminana ny saina: Raha vao eo amin’ny fifampikasohantsika voalohany amin’ireo olona liana, dia tokony hisarika ny sainy ho amin’ny fandaminana isika. Na dia mety hahay hitady andinin-teny sy hanazava fampianarana fototra aza ny tenantsika, dia tsy isika akory no loharanon’izany fahalalana izany. Izay rehetra nianarantsika dia avy tamin’ny fandaminana, nomena tamin’ny alalan’ny kilasin’ny mpanompo izay manome “hanina amin’ny fotoana mety”. (Matio 24:45-47, NW). Raha vao eo am-boalohany, dia mila ny mahatakatra ireo vaovao fa ny fanompoam-pivavahana madio akory tsy mahafaoka antsika fotsiny na ny kongregasiona eo an-toerana fotsiny koa aza; misy fikambanana voalamina sy teokratika iray maneran-tany izay miasa eo ambany fitarihan’i Jehovah.
4 Ny fitarihana azontsika dia avy amin’i Jehovah, izay nampanantena ny hitarika sy hampianatra antsika. (Sal. 32:8; Isaia 54:13). Io fampianarana io dia aparitaka voalohany indrindra amin’ny alalan’ireo zavatra vita an-tsoratra avoakantsika. Aoka isika hanampy ireo olona liana hampitombo fiheverana ambony ireo zavatra vita an-tsoratra, ka hanaiky azy ireo ho toy ny loharanon’ny fampianarana ho famonjena aina. Amin’izay dia ho azo inoana lavitra ny hamakiany sy hampiharany ny hafatra ao anatiny, fa tsy ny hanilihany izany haingana. Isika dia tokony hanolotra sy hampiasa ireo zavatra vita an-tsoratra ireo foana amin’ny fomba izay hampitombo ao amin’ny olona fanajana azy ireo. Izany dia mampianatra ireo vaovao hankasitraka ny fandaminana sy hiantehitra amin’ireo fandaharana ataony.
5 Ataovy fantatr’ireo olona liana fa eo amin’ny manodidina azy dia misy foibe fanaovana fivoriana iray, izay anolorana fampianarana tsy tapaka. Omeo azy ny adiresin’ny Efitrano Fanjakana ary koa ny fotoana anaovana ireo fivoriana. Hazavao ireo fahasamihafana misy eo amin’ny fivoriantsika sy ny fotoam-pivavahana mety ho natrehiny tamin’ny lasa. Arahabaina tonga soa ny rehetra; tsy misy fanantazan-drakitra na fangataham-bola atao amin’ny isam-batan’olona. Na dia misy mpiandraikitra voatendry hitantana ireo fandaharana aza, ny rehetra dia manana fahafahana handray anjara amin’ny fanomezana fanazavana sy amin’ny fandaharana. Arahabaina tonga soa ireo fianakaviana; ireo ankizy dia ampidirina amin’ireo fiaraha-midinika ara-baiboly ataontsika. Ireo mpiandraikitra eo amintsika dia tsy manao fitafiana na akanjo manokana. Ny Efitrano Fanjakana dia voaravaka tsara tarehy kanefa tsy misy labozia, sary sokitra na sary sampy. Ireo manatrika dia mponina eo amin’ny manodidina eo an-toerana voalohany indrindra.
6 Sariho miandalana ny saina mandritra ireo fampianarana Baiboly: Ny zava-kendren’ny fampianarana Baiboly voalohany indrindra dia ny hampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Izy io koa dia tokony hampiorina ao amin’ilay mpianatra fankasitrahana ny fandaminan’i Jehovah, ary hahatonga azy hahatsapa fa tena iankinan’ny aina ny ho anisany. Ilay asa lehibe nataon’i Jesosy sy ireo mpianany tamin’ny taonjato voalohany dia nanintona ireo olona tso-po ary nampiray azy ireo hiasa teo ambany fitarihan’ny fitambara-mpitantana foibe iray. Tany amin’ireo fitambaran’olona nahitana olona nanaiky tsara ny hafatra, dia nisy kongregasiona naorina mba hanomezana fampiofanana sy fampianarana tsy tapaka. Ireo izay nifanerasera tamin’izany dia nohatanjahina ara-panahy, ka izany dia nanampy azy ireo hiaritra fotoam-pahoriana. (Heb. 10:24, 25; 1 Pet. 5:8-10). Amin’izao andro izao, ny fikasan’i Jehovah dia ny ‘hanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy’. (Efes. 1:9, 10). Ho vokatr’izany, dia manana “fitambaran’ny rahalahy” maneran-tany isika. — 1 Pet. 2:17, NW.
7 Ny fianarana Baiboly isan-kerinandro dia tokony hisy fampianarana izay hanampy ireo mpianatra hankasitraka ny fandaminana ary hanararaotra ireo fandaharana natao ho amin’ny famonjena azy. Makà minitra vitsivitsy isan-kerinandro mba hitantarana na hilazalazana zavatra momba ny fandaminana sy ny fomba fiasany. Afaka mahita hevitra azo resahina mahasoa ianao ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jona 1985. Ireo bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah Amin’ny Taonjato Faha-20 sy Ny Vavolombelon’i Jehovah — Tafaray mba Hanao ny Sitrapon’Andriamanitra Maneran-tany dia miresaka momba ireo lafiny lehibe indrindra amin’ny fandaminana ary koa momba ny fomba mety handraisantsika soa avy aminy. Ny fanaovana izay hahitan’ireo mpianatra Baiboly ilay vidéocassette hoe Les Témoins de Jéhovah — un nom, une organisation dia hampahita azy mihitsy izay tanterahin’io fandaminana io. Ireo tatitra sy fitantarana zavatra hitan’ny mpitory nofantenantsika avy tao amin’ny Annuaire dia afaka mampiseho aminy ny fahombiazan’ny asa any amin’ireo tany sy faritra misy kolontsaina hafa noho ny antsika. Azo atao koa ny mampiasa zavatra vita an-tsoratra hafa. Ao anatin’ny vanim-potoana iray, dia hazavao miandalana ny hoe nahoana isika no mandeha isan-trano, ny zava-kendren’ireo fivoriantsika, ny fanohanana ara-bola ny asantsika ary ny maha-iraisam-pirenena ny zavatra ataontsika.
8 Ny fifankahalalana amin’ny Vavolombelona hafa dia mety hisy vokatra mandrisika eo amin’ireo vaovao, ka manitatra ny fomba fiheviny momba ny kongregasiona. Mba hahatongavana amin’izany, dia manasà mpitory hafa mba hiara-manatrika ilay fampianarana aminao indraindray. Ny olona iray ao amin’ny kongregasiona izay mitovy fiaviana na mitovy zavatra mahaliana aminy dia mety hanome lafiny hafa koa ho an’ny fomba fijerin’ilay mpianatra. Angamba ny loholona iray dia afaka miaraka aminao mba hifankahalalana aminy fotsiny. Mety ho tena fitahiana ny fanaovana izay hitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany na ny vadiny azy. Raha misy Vavolombelona monina eo akaikiny, dia ataovy izay hifankahalalany amin’ilay mpianatra Baiboly. Izany dia mety hanome azy fampirisihana fanampiny mba hanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona.
9 Ampirisiho ireo vaovao mba hanatrika ireo fivoriana: Ireo vaovao dia mila ny hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny hanatrehany ireo fivoriana. Miezaha handrisika ny fahalianany ho amin’izany. Asehoy ireo lahatsoratra izay hodinihina amin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana. Tonòny ny lohatenin’ireo lahateny ampahibemaso ho avy. Tantarao ireo hevi-dehibe hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika sy amin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona. Lazao ny fihetseham-ponao manokana momba izay ianaranao any amin’ireny fivoriana ireny sy ny antony iheveranao ny ilana hanatrehana azy ireny. Raha afaka ianao, dia manolora hevitra ny haka azy.
10 Rehefa tena tonga any amin’ny fivoriana tokoa ny mpianatra Baiboly iray, dia ataovy izay hahatsiarovany tena fa tonga soa izy. Ataovy izay hifankahalalany amin’ny hafa, anisan’izany ireo loholona. Raha manatrika ny lahateny ampahibemaso izy, dia ataovy izay hifankahalalany amin’ilay mpandahateny. Asehoy azy ny Efitrano Fanjakana. Hazavao ny zava-kendren’ireo latabatra anolorana zavatra vita an-tsoratra sy gazety, ireo vata ho an’ny fanomezana an-tsitrapo, ny fitahirizam-boky ary ny teny fototra amin’ny taona. Ampahafantaro azy fa tsy toerana anaovana fanompoam-pivavahana fotsiny ilay efitrano, fa foibe andaminana ny asa fitoriana eo an-toerana koa.
11 Hazavao ny fomba itarihana ireo fivoriantsika. Asehoy an’ilay mpianatra ireo zavatra vita an-tsoratra ampiasaintsika. Atoroy azy fa ny Baiboly no boky fianarantsika voalohany indrindra. Afaka mandray anjara ny rehetra, anisan’izany ireo ankizy kely. Hazavao fa ny mozika sy ny tonon-kira rehetra ao amin’ny fihiranantsika dia nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampiasaintsika eo amin’ny fanompoam-pivavahantsika. Sariho ho amin’ireo mpanatrika samy hafa fiaviana ny sainy. Manaova teny manorina momba ny toe-tsaina feno fisakaizana sy fahaiza-mampiantrano vahiny hita ao. Io fanehoana fiheverana feno hatsaram-panahy sy fahatsoram-po io dia mety ho iray amin’ireo foto-javatra mahery indrindra hanosika ilay mpianatra hiverina.
12 Ny antony mety hahatonga ny sasany hiahotra: Matetika, na dia eo aza izay rehetra ataontsika, dia tsy vonona ny hanatona akaiky kokoa ny fandaminana ny sasany. Aza malaky kivy. Miezaha hipetraka eo amin’ny toerany. Hatramin’izao, dia azo inoana fa tsy dia tena nahatsapa ny ilana hanatrika fotoam-pivavahana afa-tsy tamin’ny fisehoan-javatra manokana ihany izy. Mety hanery azy ny mpianakaviny na ny namany akaiky. Mety hatahotra izy noho ireo teny feno fanambaniana ataon’ireo mpiara-monina. Ary, mazava ho azy fa mety ho voahelingelin’ny fanaovan-javatra ara-tsosialy sy fialam-boly maro samy hafa koa izy. Mety hahita ireo zavatra ireo ho toy ny sakana tsy azo resena izy; mila ny hanampy azy hametraka ireo zavatra eo amin’ny toerany avy ianao ary “hahazo antoka ny amin’ireo zavatra lehibe kokoa”. — Fil. 1:10, NW.
13 Manomeza antony araka ny Soratra Masina ny amin’ny tokony haharetany. Antitrantero fa isika rehetra dia mila maika dia maika ny fampirisihana sy ny fampaherezana ara-panahy azontsika avy amin’ny fifaneraserantsika. (Rom. 1:11, 12). Nolazain’i Jesosy mazava fa ny fanoheran’ny fianakaviana dia tsy antony marim-pototra tokony hampiahotra antsika. (Matio 10:34-39). Nampirisika antsika i Paoly mba tsy ho menatra ny hampahafantatra ny tenantsika ampahibemaso ho mpianatr’i Jesosy. (2 Tim. 1:8, 12-14). Tsy maintsy fehezina ireo zavatra mahaliana antsika sy ireo fialam-boly katsahintsika; raha tsy izany, dia manjary fandrika ho antsika izy ireo. (Lioka 21:34-36). Ireo izay mendrika ny hahazo ny fitahian’i Jehovah dia tsy maintsy manao zavatra amin’ny fanahiny rehetra, ary tsy ho matimaty mihitsy. (Kol. 3:23, 24). Ny fambolena fankasitrahana ny fotopoto-pitsipika ara-baiboly toy izany dia mety hanokatra ny lalana handrosoany eo amin’ny ara-panahy.
14 Misokatra ireo varavarana: Ny tranon’i Jehovah ho an’ny fanompoam-pivavahana marina dia atsangana ho ambonin’ny hafa rehetra. Ampanakoakoina any amin’ny tany 229 maneran-tany ilay fanasana manao hoe: “Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, (...) mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany ka handehantsika amin’ny atorony”. (Isaia 2:3). Afaka ny hamonjy ny ain’ireo vaovao ny fanekeny izany amin’ny fomba manorina. Ny fitarihantsika ny sainy ho amin’ny fandaminan’i Jehovah dia iray amin’ireo fomba tsara indrindra azontsika anampiana azy.