Inona no Tanjona?
1 Nahoana isika no mitarika fampianarana Baiboly? Mba hanomezana fahalalana fotsiny ve? Tsia. Ny hanao mpianatr’i Jesosy Kristy no tena tanjontsika! (Matio 28:19; Asa. 14:21) Noho izany, dia mila miaraka amin’ny fiangonana ny olona miara-mianatra amintsika. Mifandray mivantana amin’ny fahafantarany tsara ny fandaminana kristianina ny fandrosoany ara-panahy.
2 Ny fomba ahatratrarana izany: Ampirisiho hanatrika fivoriana foana ilay mpianatra, dieny eo am-piandohana. (Heb. 10:24, 25) Hazavao fa hanatanjaka ny finoany ny fivoriana, ary hanampy azy hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy hahatonga azy hifanerasera amin’ireo maniry hidera an’i Jehovah toa azy. (Sal. 27:13; 32:8; 35:18) Hazoto hivory izy raha hitany fa mankasitraka ny fiangonana sy ny fivoriana ianao.
3 Mila mahatakatra ny vaovao fa mpirahalahy avokoa ireo ao anatin’ny fandaminan’i Jehovah maneran-tany. Ananany ve ilay bokikely hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany? Afaka mampiseho aminy an’ilay vidéo hoe Ny Vavolombelon’i Jehovah—Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana izay rahalahy manana izany. Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa mampiasa olona nanolo-tena an-tapitrisany maro maneran-tany i Jehovah mba hanatanteraka ny sitrapony. Ampahafantaro azy fa asaina hanompo an’Andriamanitra koa izy.—Isaia 2:2, 3.
4 Tena mahafaly ny mahita mpianatra ny Baiboly lasa tena mpianatr’i Jesosy. Izay no tanjontsika!—3 Jaona 4.