Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 11 Aprily
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 8, mba hametrahana ny Mifohaza! 8 Martsa sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa. Azo atao ny mampiasa fomba fampiseho hafa mifanentana amin’ny zava-misy eo an-toerana. Ataovy fitoriana eny an-dalana ny fampisehoana iray.
15 min: “Mitoria Hatrany.”a Asaivo hazavain’ny mpihaino ireo andinin-teny, raha ampy ny fotoana.
15 min: “Manaova Soa ary Mizarà Amin’ny Hafa.”b Ampifandraiso amin’ny zava-misy eo an-toerana ilay fanazavana, ary milazà fomba azo anampiana olona.
Herinandron’ny 18 Aprily
10 min: Fampandrenesana.
20 min: “Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso—Fizarana 8.”c Asio fampisehoana fohy iray. Omen’ilay mpitory bokikely Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany? ilay olona vao manomboka mianatra Baiboly. Misarika ny sain’ilay mpianatra amin’ilay sary eo amin’ny pejy 20 izy, ary hazavainy vetivety ny momba ny Fivoriana ho An’ny Besinimaro. Lazainy aminy ny lohatenin’ny lahateny ho an’ny besinimaro manaraka, ary manasa azy mba hanatrika izany izy.
15 min: Aoka Isika Hisaina Rehefa Mampiasa Ordinatera (Tit. 2:11, 12) Lahateny miorina amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Septambra 2002, pejy 8, fehintsoratra 1-7 sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 2002, pejy 22, fehintsoratra 2-3. Raha ampy ny fotoana, dia mampidira fanazavana avy amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2003, pejy 11, fehintsoratra 6-7.
Herinandron’ny 25 Aprily
15 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny taratasy fankasitrahana avy any amin’ny sampana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Aprily. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily sy ny Mifohaza! 8 Aprily. Azo atao ny mampiasa fomba fampiseho hafa mifanentana amin’ny zava-misy eo an-toerana. Asehoy amin’ny iray amin’ireo fampisehoana ny fomba hamaliana ny hoe: “Tsy mahaliana ahy izany.” (Jereo ny boky Fanjohian-kevitra p. 15-16.) Miresaha lahatsoratra mety hahaliana ny olona eo amin’ny faritany.
10 min: Valin’ny Fanontanianareo. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, ataon’ny anti-panahy.
20 min: “Varavarana Misokatra ho Amin’ny Asa ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana.” Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Milazà hevitra avy ao amin’ny Diary 2004, pejy 239-240. Lazao fa hisy fivoriana ho an’ireo liana amin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana, any amin’ny fivoriamben’ny faritra. Ampirisiho ireo rahalahy mahafeno fepetra mba hanatrika io fivoriana io.
Herinandron’ny 2 Mey
10 min: Fampandrenesana. Resaho vetivety ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 6 hoe “Fianarana ny Bokikely Miambena Hatrany!” Lazao fa io fandaharana io no harahina, rehefa hianatra ilay bokikely isika. Ampirisiho ny rehetra mba hanomana tsara ary handray anjara amin’ilay fianarana, izay hanomboka amin’ny herinandron’ny 23 Mey.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: “Ho Voavonjy ny Karazan’olona Rehetra.”d Resaho ny fomba azo ampiharana ilay fanazavana eo amin’ny faritanin’ny fiangonana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.