Fizarana 8—Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
Ampio Hiditra ao Amin’ny Fandaminana ny Mpianatra
1 Tsy ny hampianatra foto-pinoana fotsiny no tanjontsika rehefa mampianatra Baiboly, fa ny hanampy ilay olona ho anisan’ny fiangonana kristianina koa. (Zak. 8:23) Hanampy antsika hanao izany ny bokikely Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany? Omeo iray amin’izy io ny olona vao mianatra Baiboly, ary ampirisiho izy hamaky azy io. Manokàna minitra vitsivitsy mandritra ny fianaranareo isan-kerinandro, mba hampianarana azy lafin-javatra iray momba ny fandaminan’i Jehovah.
2 Fivorian’ny fiangonana: Ny fifaneraserana amintsika atỳ am-pivoriana no tena manampy ny mpianatra Baiboly hankasitraka ny fandaminana. (1 Kor. 14:24, 25) Hazavao aminy tsirairay àry ireo fivoriana dimy fanaontsika isan-kerinandro. Lazao ny lohatenin’ny lahateny ho an’ny besinimaro manaraka. Asehoy azy izay hodinihina mandritra ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Fianarana Boky. Hazavao ny atao hoe Sekolin’ny Fanompoana sy Fivoriana Momba ny Fanompoana. Raha manana anjara amin’ny sekoly ianao, dia azonao atao ny mamerina izany miaraka aminy. Resaho ny hevi-dehibe tamin’ny fivoriana. Mampisehoa sary avy ao amin’ny boky sy gazetintsika mba hahafantarany izay atao any. Vao manomboka mianatra mihitsy izy, dia asao hivory.
3 Rehefa manakaiky ny Fahatsiarovana sy ny fivoriambe ary ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra, dia manokàna minitra vitsivitsy hanazavana izany aminy. Ataovy izay hahatonga azy haniry hanatrika ilay izy. Valio miandalana ireto fanontaniana ireto: Nahoana isika no antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah? Nahoana no atao hoe Efitrano Fanjakana ny toeram-pivoriantsika? Inona avy no andraikitry ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana? Ahoana no andaminana ny asa fitoriana sy ny faritany? Ahoana no amokarana ny boky sy gazetintsika? Avy aiza ny vola ampiasain’ny fandaminana? Inona avy no andraikitry ny biraon’ny sampana sy ny Filan-kevi-pitantanana?
4 Tena manampy koa ny video: Manampy ny mpianatra Baiboly hahalala ny fandaminana mahatalanjon’i Jehovah koa ny video navoakantsika. Asehoy azy ny video Ny Vavolombelon’i Jehovah—Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana sy ny video Manontany ny Tanora—Ahoana no Hahazoako Tena Namana? Nisy ramatoa nandray ny gazety sy ny bokintsika nandritra ny dimy taona. Latsa-dranomaso mihitsy izy rehefa nahita ny video Ny Vavolombelon’i Jehovah—Ilay Fandaminana ao Ambadik’ilay Anarana. Lasa nahatsapa izy fa azony itokisana ny fandaminana, toy ny natokisany ireo Vavolombelona nitsidika azy. Nanomboka nianatra Baiboly tsy tapaka izy, ary nivory tany amin’ny Efitrano Fanjakana ny herinandro nanaraka.
5 Aoka àry isika hanokana minitra vitsivitsy isan-kerinandro hiresahana sy hampisehoana amin’ireo mpianatra, izay raketin’ny fitaovana ananantsika. Hanampy azy tsikelikely hiditra ao amin’ilay fandaminana tokana ampiasain’i Jehovah izany.
[Fanontaniana]
1. Nahoana no mahasoa ny miresaka lafin-javatra iray momba ny fandaminana, isaky ny mampianatra?
2. Ahoana no hampirisihana ny mpianatra Baiboly hivory?
3. Inona avy no azo resahina miaraka amin’ilay mpianatra?
4, 5. Hazavao fa afaka manampy ny mpianatra hankasitraka bebe kokoa ny fandaminana ny video navoakantsika.