Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mar.
“Nalahelo ny ankamaroantsika rehefa maty ny havantsika. Fantatrao tsara ve ity fampanantenana mampionona ity? [Vakio ny Asan’ny Apostoly 24:15, ary avelao izy hamaly.] Maro anefa no mieritreritra hoe iza avy no hatsangana amin’ny maty? Rahoviana izany no hitranga, ary aiza? Resahin’ity gazety ity ny valiny omen’ny Baiboly momba ireo fanontaniana ireo.”
Mifohaza! Mar.
“Maro no mino fa Andriamanitra i Jesosy. Nilaza anefa i Petera anisan’ny mpianany fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy. [Vakio ny Matio 16:16.] Heverinao ve fa hety ny hoe sady Andriamanitra i Jesosy no Zanak’Andriamanitra? [Avelao izy hamaly.] Mamaly an’io fanontaniana io ity lahatsoratra eto amin’ny pejy 12-13 ity, ary manome ny hevitry ny Baiboly momba izany.”
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Apr.
“Asongadin’ity fitenenana malaza ity fa tena ilaina ny mianatra hahalala an’Andriamanitra. [Vakio ny Matio 4:4.] Olona maro anefa no mahita fa sarotra ny mahazo izay voalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Toy izany koa ve ny fahitanao azy? [Avelao izy hamaly.] Misy soso-kevitra mahasoa hanampy anao àry ato amin’ity gazety ity.”
Mifohaza! Apr.
“Olona maro no miezaka mafy mba ho sambatra, nefa toa vitsy ihany no toy izany. Misy amin’ireto zavatra voatanisa eto ireto ve heverinao fa mahasambatra? [Asehoy ny efajoro eo amin’ny pejy 9 ary vakio ny iray amin’ireo andinin-teny voatonona.] Resahin’ity Mifohaza! ity ny fomba lazain’ny Baiboly fa hahitana ny tena fahasambarana.”