Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 15 Mar.
“Matetika ny olona maro no miresaka momba ny fiavian’i Jesosy Kristy. Tena irinao ve ny hahatongavan’io fotoana io, sa mampahatahotra anao? [Avelao izy hamaly.] Jereo ange ny fihetseham-pon’ny apostoly Jaona, momba izany e. [Vakio Apokalypsy 22:20.] Resahin’ity gazety ity hoe inona no hitranga amin’ny fiavian’i Kristy.”
Mifohaza! Mar.
“Maro amin’ireo mpitondra eto an-tany no miseho ho ambony noho ny hafa. Mampisy fiadanana sy filaminana eto an-tany ve ny toe-tsaina toy izany, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Izao no lazain’ny Baiboly momba ny fiavonavonana. [Vakio Ohabolana 16:18.] Hazavain’ity lahatsoratra ity ny soa raisintsika, raha manetry tena isika.” Asongadino ilay lahatsoratra manomboka eo amin’ny pejy 20.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Apr.
“Saika isan’andro isika no mieritreritra momba ny fahasalamantsika, ny fianakaviantsika, ary ny asantsika. Aiza no ahitantsika torohevitra azo itokisana sy mandaitra momba izany, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Jereo izay lazain’ny Baiboly ato amin’ny 2 Timoty 3:16. [Vakio.] Hazavaina ato amin’ity gazety ity, fa afaka manampy antsika amin’ny lafiny maro ny Baiboly, sady mahasoa ny torohevitra raketiny.”
Mifohaza! Apr.
“Eran-tany, dia maro no mahamarika fa miharatsy toetra ny olona. Voamarikao koa ve izany? [Avelao izy hamaly.] Efa nanambara mialoha an’izao zavatra iainantsika izao ny Baiboly. [Vakio 2 Timoty 3:2-4.] Hazavain’ity gazety ity hoe inona no dikan’izao faharatsiana hitantsika izao, sy ny hoe hanao ahoana ny hoavin’ny olombelona.”